1 Ary Jehovah mbola namaly an'i Joba nanao hoe: ¶ 2 3Ary Joba dia namaly an'i Jehovah ka nanao hoe:¶ 4Indro, tsinontsinona, aho ka inona no azoko avaly Anao? Hitampim-bava aho izao.¶ 5Efa niteny indray mandeha aho, ka tsy hamaly intsony; Eny, indroa aza, fa tsy hanampy teny intsony aho.¶ 6Dia namaly an'i Joba teo amin'ny tafio-drivotra Jehovah ka nanao hoe:¶ 7Misikina tahaka ny lehilahy; Fa hanadina anao Aho, ka ampahafantaro Aho:¶ 8Hanaisotra ny rariny amiko va ianao? Hanameloka Ahy va ianao, mba hanamarina ny tenanao kosa?¶ 9Manan-tsandry tahaka ny an'Andriamanitra va ianao? Ary mahay mampikotrokotro-peo tahaka ny Azy va ianao? 10 11Alefaso ny fahatezeranao mirehitra; Ary jereo ny avonavona rehetra, ka ampietreo.¶ 12Eny, jereo ny avonavona rehetra, ka aongàny; Ary apotrahy eo amin'ny fitoerany ihany ny ratsy fanahy.¶ 13Asitriho ao amin'ny vovoka avokoa izy rehetra; Sarony ao amin'ny fiafenana ny tavany.¶ 14Fa Izaho kosa dia hidera anao, Satria mahavonjy anao ny tananao ankavanana.¶ 15He! jereo ange ny behemota, izay nataoko tahaka ny nanaovako anao ihany: Mihinana ahitra tahaka ny omby izy.¶ 16Indro, eo amin'ny valahany ny heriny, ary eo amin'ny ozatra amin'ny kibony ny tanjany.¶ 17Henjaniny ny rambony ho tahaka ny hazo sedera; Mifaniditriditra ny ozatra amin'ny feny¶ 18Ny taolany dia tahaka ny fantsom-barahina, eny, tahaka ny anja-by ny taolany.¶ 19Voalohany amin'ny asan'Andriamanitra izy; Ny Mpanao azy no nanome sabatra azy. 20 21Eo ambanin'ny hazo lota no andriany, any am-pierena anaty zozoro sy fotaka.¶ 22Manalokaloka azy ny hazo lota; Ary ny hazomalahelo eny amoron'ny ony no manodidina azy¶ 23Indro, na dia maria aza ny ony, tsy manahy izy; Matoky izy, na dia misy Jordana migorodana amin'ny vavany aza.¶ 24Moa misy mahasambotra azy va, raha mihiratra ny masony? Raha azon'ny fandrika izy, misy mahatsindrona ny orony va?