1 Dia namaly Elifaza Temanita ka nanao hoe: ¶ 2 3Indro, efa nananatra ny maro ianao. Ary ny tanana miraviravy efa nampaherezinao;¶ 4Ny teninao efa nanohana izay efa saiky lavo, ary ny lohalika malemy efa nampahatanjahinao¶ 5Nefa ankehitriny mba manjo anao kosa izany, ka dia kivy ianao, Mihatra aminao izany, ka raiki-tahotra ianao¶ 6Tsy ny fivavahanao va no tokinao? Ary tsy fanantenanao va ny fahitsian'ny lalanao? 7 8Araka izay efa hitako, dia izay miasa heloka sy mamafy fahoriana no mijinja izany.¶ 9Ny fofonain'Andriamanitra no andringanana azy. Eny, ny fofonain'ny fahatezerany no mahalevona azy.¶ 10Ny feon'ny olona, eny, ny feon'ny liona masiaka, ary ny nifin'ny liona tanora dia ombotana;¶ 11Mirenireny ny lion-dahy noho ny tsi-fahitany remby, ary miely ny zanaky ny liom-bavy. 12 13Tamin'ny eritreritra avy amin'ny tsindrimandry alina, raha sondrian-tory ny olona,¶ 14Dia azon-tahotra sy hovotra aho, ka nampihorohoro ny taolako rehetra izany.¶ 15Ary nisy fanahy nandalo teo anatrehako ka nampitsangam-bolo ny tenako.¶ 16Nijanona izy, nefa tsy nahafantatra ny tarehiny aho; Nisy endri-javatra teo anoloan'ny masoko; Nisy fanginana, dia nandre feo aho nanao hoe:¶ 17Ho marina noho Andriamanitra va ny zanak'olombelona? Ho madio noho ny Mpanao azy va ny olona?¶ 18Indro, tsy matoky ireo mpanompony aza Izy, eny, ny anjeliny aza ataony ho tsy tonga ohatra.¶ 19Koa mainka izay mitoetra ao an-trano tany, sady avy tamin'ny vovoka no nihaviany, ary mora poritra noho ny kalalao izy;¶ 20Indray andro monja dia montsana izy; Tsy misy misaina azy, na dia levona mandrakizay aza izy.¶ 21Tsy voaongotra va ny kofehin-dainy ao aminy? Maty izy, nefa tsy mbola nanam-pahendrena.