1Fantatrao va ny fotoana fiterahan'ny osi-dia any amin'ny harambato? Voahevitrao va ny fiterahan'ny dieravavy?¶ 2Mahisa ny andro ahatanterahany va ianao? Ary fantatrao va ny fotoana fiterahany? ¶ 3Miondrika izy ka teraka, sady alefany ny faharariany. 4 5Iza moa no nandefa ny boriki-dia ho karenjy? Ary iza no namaha ny fatoran'ny boriki-dia,¶ 6Izay nomeko ny tani'hay ho fitoerany ary ny tanin-tsira ho fonenany?¶ 7Ihomehezany ny fitabatabana ao an-tanàna; Tsy ahoany akory ny fiantsoantson'ny mpampandeha; 8 9Mba mety manompo anao va ny ombimanga na handry ao am-pahitrao amin'ny alina?¶ 10Mahafatotra ny ombimanga amin'ny mahazaka ho ao am-bavasanao va ianao? Na mety manaraka anao handravona bainga any an-dohasaha va izy?¶ 11Azonao itokiana va izy satria lehibe ny heriny? Ary havelanao hataony va ny asanao? 12 13Mikopakopaka noho ny fifaliana ny elatry ny ostritsa; Nefa mahalemy fanahy azy va ny elany sy ny volony?¶ 14Tsia, fa mandao ny atodiny ao amin'ny tany izy ka mamela azy ho afanain'ny vovoka,¶ 15Ary tsy ahiny izay ho voaporitry ny tongotra ireo. Na ho voahitsaky ny bibi-dia. 16 17Fa efa nampanadinoin'Andriamanitra ny fahendrena izy, ary Tsy nomeny anjara fahalalana.¶ 18Raha mikopakopak'elatra toa hanidina izy, dia ihomehezany ny soavaly sy ny mpitaingina azy.¶ 19Moa manome hery ny soavaly va ianao, na manarona vombo mihofahofa ny vozony?¶ 20Mahay mampitsipika azy tahaka ny valala va ianao? Mahatsiravina ny hamafin'ny fiefonefony!¶ 21Mihehy ao amin'ny lohasaha izy ka mifalifaly noho ny heriny; Mandroso hanetra ny ady izy. 22 23Mifioka eny amboniny ny zana-tsipìka sy ny lefona manelatselatra ary ny lefom-pohy.¶ 24Miriotra mafy amin'ny fahavinirana sy ny fahatezerana izy ka tsy mety mijanona intsony, rehefa maneno ny anjomara. ¶ 25Na oviana na oviana no anenoan'ny anjomara dia mihiaka izy. Ary manimbolo ny ady izy, raha mbola lavitra, dia ny akoralava sy ny fitabataban'ny manamboninahitra.¶ 26Ny fahendrenao va no mampanidina ny hitsikitsika sy mampamelatra ny elany hianatsimo?¶ 27Noho ny didinao va no iakaran'ny voromahery sy anaovany ny akaniny eny an-dringiringy?¶ 28Eny amin'ny harambato no itoerany sy anaovany ny akaniny, dia eo an-tampon'ny harambato sy ao amin'ny fiarovana. 29 30Mitsentsitra rà ny zanany, ary izay itoeran'ny faty dia any izy.