1Ary mbola nandroso niteny ihany Eliho ka nanao hoe: ¶ 2 3Halaiko avy lavitra ny fahalalako, ka hanamarina ny Mpanao ahy aho.¶ 4Fa tsy lainga tsy akory ny teniko; Lehilahy tanteraka amin'ny fahalalana no eto aminao. 5 6Tsy mitsimbina ny ain'ny ratsy fanahy Izy, fa manome rariny ho an'ny ory.¶ 7Tsy mampiala ny masony amin'ny marina Izy; Eo amin'ny mpanjaka ambonin'ny seza fiandrianany no ampitoerany azy ho mandrakizay, ka dia tafasandratra.¶ 8Ary raha voafatotra amin'ny gadra izy sy voafehy amin'ny tadin'ny fahoriana.¶ 9Dia ambarany azy ny asany sy ny fahotany, fa efa nanandra-tena izy ireny.¶ 10Dia manokatra ny sofiny hihaino fananarana Izy ka mandidy azy hibebaka hiala amin'ny ratsy.¶ 11Raha mihaino ka manaiky Azy Izy, dia lany amin'ny fiadanana ny androny, ary ny taonany amin'ny fahafinaretana¶ 12Fa raha tsy mihaino kosa izy, dia ho voan'ny fiadiana ka ho faty tsy amim-pahalalana.¶ 13Fa ny mpihatsaravelatsihy dia mirakitra fahatezerana; Tsy mitaraina izy, na dia afatony aza; ¶ 14Ka dia maty raha mbola tanora izy, eny, afaka ny ainy eo amin'ny olom-betaveta,¶ 15Fa ny fahorian'ny ory kosa no entin'Andriamanitra mamonjy azy, Ary ny manjo azy no entiny manokatra ny sofiny.¶ 16Ary na dia ianao aza dia ampialainy amin'ny fahaterena ho amin'ny malalaka izay tsy misy mahatery; Ary ny matavy indrindra no aroso ho eo ambonin'ny latabatrao.¶ 17Nefa raha fatra-pikikitra amin'ny adin'ny ratsy fanahy ianao, dia hihazona anao ny ady sy ny fanamelohana;¶ 18Aoka tsy hamporisika anao hiteny ratsy ny fahatezerana, ary aoka tsy hampivily hevitra anao ny halehiben'ny avotra.¶ 19Moa hahatonga anao ho ao amin'izay tsy misy fahoriana va ny fitarainanao na izay rehetra tratry ny fahatanjahana?¶ 20Aza irinao ny hihavian'ny alina, izay ampialana ny olona amin'ny fitoerany.¶ 21Tandremo, aza mivily ho amin'ny ratsy; Fa saingy ozoim-pahoriana ianao, dia mifidy izany. 22 23Iza no efa nandidy Azy ny amin'izay lalan-kalehany? Ary iza no efa nilaza taminy hoe: Efa nanao ratsy Hianao?¶ 24Tsarovy ny hankalaza ny asany, Izay efa nataon'ny olona an-kira.¶ 25Fa faly mahita izany ny olona rehetra; Ary jeren'ny zanak'olombelona eny lavitra eny izany.¶ 26Indro, lehibe Andriamanitra, ka tsy takatry ny saintsika Izy; Ary tsy hita isa ny taonany.¶ 27Fa mampisavoana ny rano Izy, dia milatsaka ho ranonorana aman-javona izany,¶ 28Izay aidin'ny rahona ka alatsany amin'ny olona maro be.¶ 29Ary koa, iza moa no mahalala ny amin'ny fivelatry ny rahona sy ny fikotrokotroka ao an-dainy?¶ 30Indro, mamelatra ny fahazavany eo amboniny Izy ary manao ny fanambanin'ny ranomasina ho firakofany.¶ 31Fa ireny zavatra ireny no itsarany ny firenena sady anomezany hanina betsaka.¶ 32Mifono fahazavana ny tànany, ary baikoiny iny mba hahavoa ny fahavalony;¶ 33Ny fikotrokotrony dia manambara Azy, ary ny omby aman'ondry koa aza milaza ny hihaviany.