1 Ary nitsahatra tsy namaly intsony izy telo lahy ireo, satria nanamarin-tena Joba. 2Ary nirehitra kosa ny fahatezeran'i Eliho, zanak'i Barakela, Bozita, avy amin'ny fokon'i Rama; eny, tamin'i Joba no nirehetan'ny fahatezerany, satria nanao ny tenany ho marina noho Andriamanitra izy. 3Ary tamin'ny sakaizany telo lahy koa no nirehetan'ny fahatezerany, satria tsy nahita teny havaliny izy ireo, kanefa nanameloka an'i Joba. 4Ary Eliho mbola niandry an-dr'i Joba aloha vao niteny, fa ireo no ela niainana kokoa noho izy. 5Ary rehefa hitany fa tsy nanan-kavaly izy telo lahy, dia nirehitra ny fahatezerany; 6ka dia niteny Eliho, zanak'i Barakela, Bozita, ka nanao hoe: Mbola tanora aho, fa ianareo kosa efa fotsy volo, koa dia niaoriandriana aho aloha, fa tsy sahy nanambara aminareo izay fantatro. ¶ 7 8Kanefa ny fanahy izay ao anatin'ny zanak'olombelona sy ny fofonoin'ny Tsitoha no mahahendry azy.¶ 9Tsy dia ny fahalehibiazana no mahahendry, ary tsy dia ny fahanterana no ahalalana ny rariny;¶ 10Ary noho izany dia hoy izaho: Aoka samy hihaino ahy; Izaho koa mba hanambara izay fantatro.¶ 11Indro, niandry ny teninareo aho, ary nandinika ny teny nalahatrareo, mandra-pihevitrareo izay holazaina;¶ 12Eny, nihaino dia nihaino anareo aho, fa he! tsy nisy naharesy lahatra an'i Joba ianareo, na nahavaly ny teniny akory;¶ 13Fandrao ianareo hanao hoe: Hitanay ny fotony: Andriamanitra no maharesy azy, fa tsy olona.¶ 14Tsy nandaha-teny hamely ahy anefa izy; Ary tsy araka ny teninareo no havaliko azy. 15 16Hangina va aho, raha tsy miteny izy ireo, fa mijanona foana izy ka tsy mamaly intsony?¶ 17Anjarako kosa izao, koa dia hamaly aho; Eny, izaho hanambara izay fantatro;¶ 18Fa feno teny ny foko; Manery ahy ny fanahy ato anatiko.¶ 19Endrey! ny ato anatiko dia efa tahaka ny divay izay tsy misy hiainana, efa ho triatra tahaka ny siny hoditra vaovao izy.¶ 20Hiteny aho mba hisy hiainako tsara; Hiloa-bava aho ka hamaly.¶ 21Aoka tsy hizaha tavan'olona akory aho, ary aoka tsy handrobo olona.¶ 22Fa tsy mba mahay mandrobo aho; Raha izany, dia halain'ny Mpanao ahy faingana aho.