1 Rehefa afaka izany, dia niloa-bava Joba ka nanozona ny androny 2nanao hoe: ¶ 3 4Izany andro izany dia aoka ho maizina, ary aoka tsy hitady azy Andriamanitra any ambony; ary aoka tsy hisy mazava hamirapiratra aminy;¶ 5Aoka ny aizina sy ny aloky ny fahafatesana hahalasa azy indray; Aoka ny rahona hitatao eo amboniny; Aoka izay zavatra mahamaizina ny andro hampahatsiravina azy.¶ 6Izany alina izany aoka ny aizim-pito hisambotra azy; Aoka tsy hiara-mifaly amin'ny andron'ny taona izy. Ary tsy ho tonga amin'ny isan'ny volana;¶ 7Indro izany alina izany aoka ho momba izy; Aoka tsy ho velona ao ny hoby;¶ 8Aoka hanozona azy ny mpanozona andro, Izay mahay mamoha ny dragona;¶ 9Aoka ho maizina ny kintan'ny marainany; Aoka hiandry ny mazava izy, nefa tsy hisy, ary aoka tsy ho faly mahita ny hodimason'ny maraina izy,¶ 10Satria tsy nanidy ny varavaran'ny kibon'ineny izy ka tsy nanafina fahoriana tamin'ny masoko. 11 12Nahoana no nisy lohalika niandry ahy? Ary nahoana no nisy nono hinonoako?¶ 13Fa raha tsy izany, dia efa nandry aho toy izay ka niadana, eny, natory aho ka afa-tsasatra,¶ 14Teo amin'ny mpanjaka sy ny mpanolo-tsaina avy amin'ny tany, izay nanao ireny tanàna efa rava, ¶ 15Na teo amin'ny andriandahy izay manana volamena sady mameno volafotsy ny tranony;¶ 16Na efa tsy ary toy ny zaza tsy tonga volana aho ka nafenina, dia toy ny zaza izay tsy nahita ny mazava akory.¶ 17Any no itsaharan'ny ratsy fanahy tsy hampitebiteby, ary any ny reraka no afa-tsasatra;¶ 18Miara-miadana avokoa ny mpifatotra; Tsy mandre ny feon'ny mpampiasa izy.¶ 19Samy any ny kely sy ny lehibe, Ary ny mpanompo dia afaka amin'ny tompony. 20 21Izay miandry fahafatesana, nefa tsy avy izy, sady mitady azy mihoatra noho ny fitady harena nafenina:¶ 22Izay faly indrindra sady ravoravo, raha mahita ny fasana,¶ 23Dia olona izay mandeha ao amin'ny maizina sady voafefin'Andriamanitra manodidina.¶ 24Fa mialoha ny haninkaniko ny fitolokoko, ary migororoana toy ny rano ny fidradradradrako;¶ 25Fa Izay atahorako no mahazo ahy, ary izay angovitako no manjo ahy.¶ 26Tsy mbola nahita fiadanana na fitsaharana na fakàna aina akory aza aho, dia tonga indray ny tebiteby.