1Dia mbola nandroso nanao oha-teny ihany Joba ka nanao hoe: ¶ 2 3Fony mbola nazava teo ambonin'ny lohako ny jirony, ary ny fahazavany no nandehanako tao amin'ny maizina;¶ 4Eny, tahaka ny toetro fony aho mbola fararano, raha niseho teo ambonin'ny laiko ny fisakaizan'Andriamanitra;¶ 5Fony mbola tao amiko ny Tsitoha, Ary nanodidina ahy ny zanako;¶ 6Fony mbola nanasa ny tongotro tamin'ny rononomandry aho, ary ny vatolampy namoaka renirano diloilo teo amiko;¶ 7Raha niainga niakatra ho eo amin'ny vavahadin'ny tanàna aho ka nametraka ny fipetrahako teo ankalalahana,¶ 8Dia nahita ahy ny zatovo ka niampirimpirina; Ary niainga ny fotsy volo, dia nijoro;¶ 9Nangina tsy niteny ny lehibe ka nitampim-bava;¶ 10Tsy sahy niteny ny mpanapaka, ary ny lelany niraikitra tamin'ny lanilaniny.¶ 11Izay sofina nandre dia nanao ahy hoe sambatra; Ary Izay maso nahita dia vavolombelona ho ahy,¶ 12Satria namonjy ny ory izay nitaraina aho sy ny kamboty izay tsy nanan-kamonjy.¶ 13Ny fisaoran'izay efa ho faty dia tonga tamiko; Ary ny fon'ny mpitondratena nampifaliko.¶ 14Nitafy fahamarinana aho, ka mba nitafy ahy kosa izy; Eny, tahaka ny lamba sy ny hamama ny rariny izay nananako.¶ 15Efa maso ho an'ny jamba aho ary tongotra ho an'ny mandringa.¶ 16Efa ray ho an'ny malahelo aho, ary ny adin'ny olona tsy fantatro aza nodinihiko.¶ 17Namaky ny nifin'ny ratsy fanahy aho ka nandrombaka ny babo teo am-bavany¶ 18Dia hoy izaho: Eo amin'ny akaniko ihany no hialako aina, ary hanamaro ny androko toy ny fasika aho.¶ 19Ny fakako ho azon'ny rano, ary ny ando hitoetra amin'ny sampako mandritra ny alina.¶ 20Ho vaovao amiko lalandava ny voninahitro, ary ny tsipikako hihahenjana eny an-tanako.¶ 21Nihaino ahy ny olona, dia niandry, ka nangina tamin'ny fanolorako saina izy.¶ 22Rehefa niteny aho, dia tsy mba namaly intsony izy; ary nitetevan'ny teniko izy.¶ 23Niandry ahy toy ny fiandry ny ranonorana izy ary nitanatana vava toy ny fiandry ny fara-orana.¶ 24Raha nisy nila ho ketraka, dia mbola niseho miramirana taminy ihany ny tarehiko, ary tsy nahamaloka ny fahazavan'ny tavako ireo.¶ 25Nifidy ny lalan-kalehany aho ka nipetraka ho lohany, eny, nitoetra toy ny mpanjaka teo amin'ny miaramila sy toy ny mpampionona ny misaona aho.