1 Dia namaly Joba ka nanao hoe: ¶ 2 3Enga anie ka ho fantatro izay hahitako Azy ka ho tonga any amin'ny fitoerany aza!¶ 4Dia handahatra ny teniko eo anatrehany aho. Ka hofenoiko ny teny alahatro ny vavako;¶ 5Ary hahalala izay teny havaliny ahy aho sy hamantatra izay holazainy amiko.¶ 6Hery lehibe va no handaharany teny amiko? Tsia, fa Izy indrindra no hihaino ahy¶ 7Fa amin'izany dia olona marina no ho nifandahatra taminy; Ka dia ho nanan-drariny mihitsy aho tamin'ny Mpitsara ahy.¶ 8Indro, miantsinanana aho, fa tsy any Izy; Ary miankandrefana aho, fa tsy hitako Izy;¶ 9Mianavaratra amin'izay iasany aho, fa tsy tazako Izy; Mivily any atsimo Izy, ka tsy hitako.¶ 10Fa mahalala ny lalana falehako Izy; Raha hizahany toetra aho, dia hivoaka tahaka ny volamena. 11 12Ny didin'ny molony tsy mba nialako; Ny tenin'ny vavany noraketiko mihoatra noho ny faniriako.¶ 13Nefa tsy miova saina Izy, iza no mahasakana Azy? Fa na inona na inona irin'ny fanahiny dia ataony.¶ 14Eny, manatanteraka izay voatendry ho ahy Izy; Ary zavatra maro toy izany no ao aminy;¶ 15Roa Izany no mampangovitra ahy eo anatrehany; Raha misaintsaina izany aho, dia matahotra Azy.¶ 16Fa Andriamanitra no mandrerakany foko, ary ny Tsitoha no mampangovitra ahy;¶ 17Fa tsy ny fahamaizinana no maharesy ahy, na ny maizim-pito izay manarona ny tavako.