1 Dia namaly Zofara Namatita ka nanao hoe: ¶ 2 3Reko lalandava ny anatra mampahamenatra ahy; Ary ny fanahiko mamaly ahy avy amin'ny fahalalako.¶ 4Tsy fantatrao va fa hatramin'ny ela, eny, hatrizay nampitoerana ny olona tetỳ ambonin'ny tany,¶ 5Dia vetivety foana ny firavoravoan'ny ratsy fanahy, ary indray mipi-maso monja ny fifalian'ny mpihatsaravelatsihy?44¶ 6Fa na dia mipaka amin'ny lanitra aza ny hahavony, ka mitehika amin'ny rahona ny lohany,¶ 7Dia ho very mandrakizay toy ny dikiny ihany izy; Izay nahita azy dia hanao hoe: Aiza izy?¶ 8Manidina tahaka ny nofy izy ka tsy ho hita; Eny, ampandosirina tahaka ny tsindrimandry amin'ny alina izy.¶ 9Ny maso izay mijery, dia indray mitopy ihany no ahitany azy; Ary dia tsy hahita azy intsony ny fitoerany.¶ 10Ny zanany hitambitamby amin'ny malahelo, ary ny tànany ihany no hampody ny hareny.¶ 11Ny taolany dia feno ny herin'ny fahatanorana, Nefa hiara-mandry aminy eo amin'ny vovoka izany.¶ 12Na dia mamy ao am-bavany aza ny ratsy, ka afeniny ao ambanin'ny lelany,¶ 13Ary tsitsiny ka tsy foiny, fa tehiriziny ao amin'ny lanilaniny ihany,¶ 14Dia miova ny haniny ao an-kibony, ka aferon'ny vipera no ao anatiny.¶ 15Harena no nateliny, nefa aloany indray; Loaran'Andriamanitra hiala ao an-kibony izany.¶ 16Ny poizin'ny vipera no hotsentsefiny; Hahafaty azy ny lelan'ny menarana.¶ 17Tsy ho faly mahita renirano izy, dia ony sy riaky ny tantely sy ronono.¶ 18Tsy azony atelina izay nikelezany aina, fa tsy maintsy hampodiny; Na dia be aza ny hareny, dia tsy ho araka izany ny hafaliany.¶ 19Fa nampahory sy nahafoy ny reraka izy ka naka trano an-keriny, fa tsy hahatontosa azy.¶ 20Satria tsy mahalala mionona ny kibony, dia tsy hahavonjy ny tenany mbamin'ny tiany indrindra izy.¶ 21Tsy misy tsy tratry ny fieremany; Ka dia tsy haharitra ny fiadanany.¶ 22Ho poriporitra izy, na dia mihoa-pampana aza ny fananany; Ny tanan'ny ory no hamely azy.¶ 23Halefan'Andriamanitra ny fahatezerany mirehitra hameno ny kibony; Eny, halatsany aminy toy ny ranonorana izany ho hanina ho azy.¶ 24Raha mandositra ny vy fiadiana izy, dia hahavoa azy miboroaka ny tsipìka varahina;¶ 25Tsoahany izany, ka mivoaka avy amin'ny tenany; Eny, ny manelatselatra dia mivoaka avy amin'ny aferony; Lasa izy azon'ny fahatahorana mafy.¶ 26Ny aizim-pito no voarakitra ho amin'ny raki-malalany; Afo tsy tsofina no handoro azy sady handevona izay sisa ao amin'ny lainy.¶ 27Hambaran'ny lanitra ny helony, Ary ny tany hitsangana hiampanga azy,¶ 28Ho lasa ny harena tafiditra ao an-tranony; Eny, ho levona izany amin'ny andro fahatezerany.¶ 29Izany no anjaran'ny ratsy fanahy avy amin'Andriamanitra, sy lova voatendrin'Andriamanitra ho azy.