1 Dia namaly Bildada Sohita ka nanao hoe: ¶ 2 3Sao ataonareo ho biby anie izahay ka tahaka ny maloto eo imasonareo?¶ 4Ry ilay mamiravira tena amin'ny fahatezerana, noho ny aminao va no hahatonga ny tany ho lao, ary ny vatolampy hafindra hiala amin'ny fitoerany?¶ 5Tsy izany, fa ho faty ny jiron'ny ratsy fanahy, ary hilopilopy ny lelafony;¶ 6Ny mazava manjary maizina ao amin'ny lainy, ary ny jirony eo amboniny dia maty.¶ 7Etena ny herin'ny diany, ary ny fisainany ihany no mandavo azy.¶ 8Fa ny tongony ihany no mahatonga azy eo amin'ny fandrika harato, ka manitsaka eo amin'ny harato izy;¶ 9Azon'ny fandrika ny ombelahin-tongony ary voahazon'ny tadivavarana¶ 10Miafina ao amin'ny tany ny fandrika haningotra azy sy ny tonta eny an-dalana.¶ 11Fampitahorana no mampitahotra azy manodidina ka mampivadi-po azy eny amin'ny alehany rehetra.¶ 12Liana azy ny loza, ary ny fandringanana dia vonona eo anilany;¶ 13Eny, laniny tsikelikely ny hodiny; ny momba ny tenany dia lanin'ny lahimatoan'ny fahafatesana.¶ 14Ongotana hiala amin'ny lainy ny zavatra itokiany, ka tsy maintsy ho entina ho amin'ilay mpanjaka mampahatahotra indrindra izy.¶ 15Izay tsy taranany no hitoetra ao amin'ny lainy; Solifara no hafafy amin'ny fonenany.¶ 16Maina ny fakany ao ambany, ary tapaka ny rantsany eo ambony.¶ 17Ny fahatsiarovana azy dia very tsy ho eo amin'ny tany. Ary tsy malaza eny ivelany izy.¶ 18Roahina hiala amin'ny mazava ho any amin'ny maizina izy ary enjehina hiala amin'izao tontolo izao.¶ 19Tsy manana fara mandimby eo amin'ny fireneny izy, ka tsy misy tsy tratry ny loza ny ao amin'ny fonenany.¶ 20Ny manjo azy dia italanjonan'ny any andrefana, ary ny any atsinanana raiki-tahotra.¶ 21Izany tokoa no anjaran'ny ratsy fanahy, ary izany no manjo ny tsy mahalala an'Andriamanitra.