1Efa ho ritra ny aiko; Efa milopilopy ny androko; Efa miandry ahy ny fasana.¶ 2Eny, fanesoana tokoa no manodidina ahy, ary tsy maintsy mijery ny filany ady amiko aho.¶ 3Masina Hianao, aoka ny tenanao ihany no hiantoka ahy aminao; Fa iza moa no hety hiantoka ahy?¶ 4Fa ny fon'ireto dia voahidinao tsy hidiran'ny fahalalana; koa izany no tsy hanandratanao azy.¶ 5Izay manolotra ny sakaizany ho babo, dia ho pahina kosa ny mason'ny zanany. 6 7Efa pahina ny masoko noho ny alahelo; Ary efa toy ny aloka ny momba ny tenako rehetra.¶ 8Ankona noho izany ny olona mahitsy, ary ny tsy manan-tsiny mihendratra mahita ny mpihatsaravela-tsihy.40¶ 9Fa ny marina mifikitra tsara amin'ny halehany, ary izay madio tanana no hitombo hery.¶ 10Avia avokoa indray ary ianareo rehetra tsy mahita izay olon-kendry eo aminareo aho. 11 12Ny alina ataon'ireny ho antoandro, ary ny mazava ho efa akaiky, nefa tamy ihany ny maizina.¶ 13Raha mbola misy antenaiko, dia ny fiainan-tsi-hita fonenako ihany; Ao amin'ny maizina no hamelarako ny fandriako.¶ 14Ny fasana no nantsoiko hoe: Raiko ianao; Ary ny kankana: Reniko sy anabaviko ianao.¶ 15Fa aiza ary ny fanantenako? Ary iza no mahita azy?¶ 16Midina any amin'ny vavahadin'ny fiainan-tsi-hita izany, raha mba hahita fitsaharana ao amin'ny vovoka aho.