1 Dia namaly Joba ka nanao hoe: ¶ 2 3Efa tapitra va izay ny bedibedy foana? Sa mbola misy manesika anao hamaly ahy ihany?¶ 4Izaho kosa mba mahazo miteny tahaka anareo, raha mba tonga tahaka ahy ianareo; eny, mahazo manamboatra teny ho enti-mamely anareo aho ary mahazo mihifikifi-doha aminareo;¶ 5Mahazo mampahery anareo amin'ny Vavako aho, ary mahazo mampitony ny alahelonareo ny fampiononana ataon'ny molotro. 6 7Fa ankehitriny efa nandreraka ahy Izy; Naringanao ny ankohonako rehetra.¶ 8Ary efa nampifezaka ny tenako Hianao, ka dia vavolombelona amiko izany. Ary mitsangana hiampanga ahy ny fahahiazako, ka dia tondromaso akaiky izany.¶ 9Amin'ny fahatezerany no amiravirany sy andrafiany ahy, mihidy vazana amiko Izy; Eny, miseho ho fahavaloko Izy ka mampivandravandra ny masony amiko;¶ 10Nisanasana vava tamiko ny olona; Latsa no nentiny namely ny takolako; Mitambatra hamely ahy izy.¶ 11Efa voatolotr'Andriamanitra ho amin'ny ratsy fanahy aho, ary natsipiny ho eo an-tànan'ny mpanota.¶ 12Tamin'ilay izaho tsy nanana ahiahy iny, dia nanorotoro ahy Izy; Nosamboriny tamin'ny hatoko aho ka nomontsaniny, sady natsangany ho marika hokendreny.¶ 13Manodidina ahy ny mpandefa zana-tsipìkany; Mamaky ny voako Izy ka tsy miantra ary manidina ny aferoko ho amin'ny tany.¶ 14Bangabangainy lalandava aho, ka miroatra hamely ahy tahaka ny lehilahy mahery Izy.¶ 15Lamba fisaonana no voazaitrako hanarona ny hoditro, ary nalàko baraka tamin'ny vovoka ny tandroko.¶ 16Ny tavako tera-menan'ny fitomaniana, ary eo amin'ny hodi-masoko ny aloky ny fahafatesana;¶ 17Kanefa tsy misy eto an-tanako izay mba nalaina an-keriny; Ary madio ny fivavako.¶ 18Ry tany ô, aza manarona ny rako, ary aoka tsy ho voahazona ny fitarainako!¶ 19Fa na dia ankehitriny aza, indro, any an-danitra ny Vavolombeloko, eny, ny Vavolombeloko dia any amin'ny avo.¶ 20Na dia mihomehy ahy aza ny sakaizako, dia mamarin-dranomaso eo anatrehan'Andriamanitra kosa aho,¶ 21Mba hanamarina ahy olombelona eo anatrehany Izy sy hanafa-tsiny ahy zanak'olombelona amin'ny sakaizako.¶ 22Fa rehefa lasa ny taona vitsy, dia handeha any amin'ny lalana izay tsy hiverenako intsony aho.