1 Miveziveze eny an-dalamben'i Jerosalema ianareo, ka izahao sy fantaro ary tadiavo ao ankalalahana, fa raha mba misy olona hitanareo, izay manao ny marina sy mitady ny hitsiny, dia havelako ny helok'i Jerosalema. 2Ary na dia misy aza manao hoe: Raha velona koa Jehovah, dia entiny mianian-tsy tò izany. 3Jehovah ô, tsy mijery ny toe-panahy mahatoky va ny masonao? Namely azy Hianao, nefa tsy nahatsiaro naharary izy; Nandany azy Hianao, nefa tsy nety nino anatra izy; Nohamafisiny mihoatra noho ny harambato ny tarehiny, tsy nety niverina izy. 4Ka dia hoy izaho: Olona ambany ireto; Adala izy fa tsy mahalala ny lalan'i Jehovah, na ny fitsipik'Andriamaniny; 5Handeha ho any amin'ny lehibe aho lahy ka hiteny aminy, fa ireny dia mahalala ny lalan'i Jehovah sy ny fitsipik'Andriamaniny; Kanjo ireny koa aza dia samy efa nanapaka zioga sy nanito fatorana. 6Koa noho izany dia mamely azy ny liona avy any an'ala, ary mandringana azy ny amboadia avy any an-efitra, ny leoparda miandry hamely ny tanànany, ka izay rehetra mivoaka avy ao dia viraviraina; Fa efa maro ny fahadisoany, ary fatratra ny fiodinany. 7Koa nahoana Aho no hamela ny helokao? Efa nahafoy Ahy ny zanakao ka efa nianiana tamin'izay tsy Andriamanitra; Efa nampianianiko izy, nefa nijangajanga ihany ka nirohitra niditra tao an-tranon'ny vehivavy janga. 8Tahaka ny soavaly tsara fahana izy ka nikarenjy tamin'izay tiany, samy naneno tamin'ny vadin'ny namany avy. 9Tsy hovaliako va izy amin'izany? hoy Jehovah; Ary tsy hialako fo va ny firenena toy izany? 10Miakara eo amin'ny mandany ianareo, ka mameleza, nefa aza dia levonina avokoa izy; Esory ny sakeliny, satria tsy an'i Jehovah izy. 11Fa efa nivadika tamiko mihitsy ny taranak'Isiraely sy ny taranak'i Joda, hoy Jehovah. 12Nahafoy an'i Jehovah izy ka nanao hoe: Tsy Izy no izy; Tsy hisy loza hanjo antsika, ary tsy hahita sabatra na mosary isika; 13Ny mpaminany dia hanjary rivotra, ary tsy ao am-pony Ilay miteny; Eny, izany no hanjo azy. 14Koa izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny maro. Noho ny nanaovanareo izany teny izany, indro, hataoko afo ny teniko izay eo am-bavanao, ary ity firenena ity ho kitay hazo ka holevoniny. 15Indro, efa hitondra firenena avy lavitra Aho hamely anareo, ry taranak'Isiraely, hoy Jehovah, dia firenena mateza hery, Firenena hatry ny ela, Firenena izay tsy fantatrao ny fiteniny, ka tsy ho azonao izay lazainy. 16Ny tranon-jana-tsipìkany dia tahaka ny fasana misokatra; Izy rehetra dia samy lehilahy mahery avokoa. 17Ary hohaniny ny vokatrao sy ny haninao, hohaniny ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy, hohaniny ny ondry aman'osinao sy ny ombinao, hohaniny ny voalobokao sy ny aviavinao, sady horavany amin'ny sabatra ny tanàna mimanda izay itokianao. 18Nefa na dia amin'izany andro izany aza, hoy Jehovah, tsy dia holevoniko avokoa ianareo. 19Ary raha hoy izy: Nahoana Jehovah Andriamanitsika no dia nanao izany rehetra izany tamintsika? Dia hovalianao hoe: Toy ny nahafoizanareo Ahy sy ny nanompoanareo andriamani-kafa teo amin'ny taninareo no hanompoanareo ny firenen-kafa any amin'ny tany izay tsy anareo. 20Ambarao ao amin'ny taranak'i Jakoba, ary torio ao amin'ny Joda hoe: 21Henoy izao, ry firenena adala sady tsy manan-tsaina, izay mana-maso, fa tsy mahita, ary manan-tsofina, fa tsy mandre: 22Izaho va tsy atahoranareo? hoy Jehovah; Tsy mangovitra va ianareo eo anatrehako, izay nanao ny fasika ho fefin'ny ranomasina, dia fetra mandrakizay tsy azony hihoarana? Ka na dia mitopatopa aza ny onjany, dia tsy mahavaky azy, ary na dia mirohondrohona aza, dia tsy mahahoatra azy. 23Fa ity firenena ity dia manana fo maditra sy miodina; Mihodina izy ka lasa, 24Ary tsy manao anakampo akory hoe: Aoka isika hatahotra an'i Jehovah Andriamanitsika, izay mandatsaka ranonorana, dia ny loha-orana sy ny fara-orana amin'ny fotoany avy; Ary ireo herinandro voatendry ho amin'ny fararano dia tandremany ho antsika. 25Ny helokareo no nampiala izany, ary ny fahotanareo no misakana ny soa tsy ho azonareo. 26Fa misy hita fa ratsy fanahy ny oloko; Mamitsaka sy mijoko toy ny mpamandri-borona izy, mamela-pandrika izy, ka olona no azony. 27Toy ny tranom-borona feno vorona no mahafeno fitaka ny tranony; Ary noho izany dia tonga lehibe sy mpanankarena izy. 28Efa mihatavy izy ka mandimandina, dia mihoa-pampana amin'ny fanaovan-dratsy; Tsy mety mitsara ady mba hahazoan'ny kamboty ny rariny izy, ary ny adin'ny malahelo tsy mba tsarainy. 29Tsy hovaliako amin'izany va izy? hoy Jehovah; Tsy hialako fo va ny firenena toy izany? 30Zava-mahagaga sy mahatsiravina no atao eo amin'ny tany; 31Ny mpaminany maminany lainga, ny mpisorona : manapaka araka izay atoron'ireny, ary ny oloko mankasitraka izany; Koa hanao ahoana re ianareo any amparany? ¶