1Ary tamin'ny volana fahafito dia tonga tany amin'i Gedalia, zanak'i Ahikama, tao Mizpa Isimaela, zanak'i Netania, zanak'i Elisama, taranaky ny mpanjaka, sy ny mpanapaky ny mpanjaka; ary nisy folo lahy niaraka taminy; ary niara-nihinan-kanina tao Mizpa izy. 2Dia nitsangana Isimaela, zanak'i Netania, sy ireo olona folo lahy niaraka taminy ka namely sabatra an'i Gedalia, zanak'i Ahikama, zanak'i Safana, dia nahafaty ilay efa nataon'ny mpanjakan'i Babylona ho mpanapaka ny tany. 3Ary ny Jiosy rehetra izay tao aminy, dia izay tao amin'i Gedalia tao Mizpa, sy ny Kaldeana izay hita tao ary ny miaramila dia novonoin'Isimaela avokoa. 4Ary nony ampitson'ny andro namonoana an'i Gedalia, raha tsy mbola nisy olona nahalala izany, 5dia nisy valo-polo lahy avy tany Sekema sy Silo ary Samaria, izay samy mihara-bolom-bava, sady voatriatra ny fitafiany, ary voatetika ny tenany, nitondra fanatitra sy ditin-kazo mani-pofona teny an-tànany ho entina ao an-tranon'i Jehovah. 6Ary Isimaela, zanak'i Netania, dia nivoaka avy tao Mizpa hitsena azy sady nitomany teny ampandehanana, ary nony efa nihaona taminy izy, dia niteny taminy hoe: Mankanesa any amin'i Gedalia, zanak'i Ahikama. 7Ary nony tonga tao afovoan'ny tanàna izy ireo, dia novonoin'Isimaela, zanak'i Netania, mbamin'ny olona nanaraka azy izy ka nariany tao anaty lavaka famorian-drano. 8Fa nisy folo lahy tamin'ireo nanao tamin'Isimaela hoe: Aza vonoina izahay; fa manan-tahiry any an-tsaha izahay, dia vary tritika sy vary hordea sy diloilo ary tantely. Ka dia nijanona izy, fa tsy namono ireo tahaka ny efa nataony tamin'ny namany. 9Ary ilay lavaka nanarian'Isimaela ny fatin'ny olona rehetra, izay novonoiny ho eo anilan'i Gedalia, dia ilay efa nataon'i Asa mpanjaka mba hiereny an'i Basa, mpanjakan'ny Isiraely, dia nofenoin'Isimaela, zanak'i Netania, faty. 10Ary nentin'Isimaela ho babo ny olona rehetra izay sisa tao Mizpa, na ny vehivavy zanak'andriana, na ny olona rehetra izay sisa tao Mizpa, izay napetrak'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, tao amin'i Gedalia, zanak'i Ahikama; eny, Isimaela, zanak'i Netania, nitondra azy ireny ho babo, ka dia lasa niala nankany amin'ny taranak'i Amona izy. 11Fa nony ren'i Johanana, zanak'i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra izay tao aminy ny ratsy rehetra nataon'Isimaela, zanak'i Netania, 12dia novoriny ny olona rehetra ka nentiny niady tamin'Isimaela, zanak'i Netania ary hitany teo amoron'ny kamory ao Gibeona izy. 13Ary ny olona rehetra izay tao amin'Isimaela, nony nahita an'i Johanana, zanak'i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra izay tao aminy, dia faly. 14Ary ny olona rehetra izay nentin'Isimaela ho babo avy tany Mizpa dia nitodika ka niverina nanatona an'i Johanana, zanak'i Karea. 15Fa Isimaela, zanak'i Netania, sy ny olona valo lahy kosa dia afaka nandositra an'i Johanana ka lasa nankany amin'ny taranak'i Amona. 16Ary Johanana, zanak'i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra izay tao aminy dia nitondra ny olona rehetra izay voavonjiny ho afaka tamin'Isimaela, zanak'i Netania, avy tany Mizpa, taorian'ny namonoany an'i Gedalia, zanak'i Ahikama, dia ny lehilahy mpiady sy ny zaza amim-behivavy ary ny tandapa, izay nentiny niverina avy tany Gibeona; 17ary dia lasa izy ireo ka nitoetra tao Gerota-kimama, izay ao akaikin'i Betlehema, mba handehanany hankany Egypta. 18tsy ho tratry ny Kaldeana; fa natahotra azy izy, satria Isimaela, zanak'i Netania, efa namono an'i Gedalia, zanak'i Ahikama, izay notendren'ny mpanjakan'i Babylona ho mpanapaka ny tany. ¶