1 Tamin'ny niandohan'ny nanjakan'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda, no nahatongavan'izao teny izao tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah hoe: 2Izao no nolazain'i Jehovah tamiko: Manaova famatorana sy zioga ianao, ka ataovy eo am-bozonao, 3ary ampanatero any amin'ny mpanjakan'i Edoma sy any amin'ny mpanjakan'i Moaba sy any amin'ny mpanjakan'ny taranak'i Amona sy any amin'ny mpanjakan'i Tyro ary any amin'ny mpanjakan'i Sidona izany ho entin'ny iraka izay mankaty Jerosalema ho atỳ amin'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda; 4ary asaovy lazainy amin'ny tompony avy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Izao no holazainareo amin'ny tomponareo: 5Izaho no nanao ny tany sy ny olona ary ny biby izay eo aminy tamin'ny heriko lehibe sy tamin'ny sandriko nahinjitra; ary efa nomeko ho an'izay sitraky ny foko ny tany. 6Ary ankehitriny Izaho dia efa nanolotra ireto tany rehetra ireto ho eo an-tànan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, mpanompoko; eny, na dia ny bibi-dia aza dia efa nomeko hanompo azy koa. 7Ary ny firenena rehetra dia hanompo azy sy ny zanany ary ny zafiny ambara-pahatongan'ny fotoana hamaliana ny tanin'izy io kosa, ka hampanompoin'ny firenena maro sy ny mpanjaka lehibe izy. 8Ary izay firenena na fanjakana tsy mety manompo an'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, ary tsy mety mampiditra ny vozony eo amin'ny ziogan'ny mpanjakan'i Babylona, dia hovaliako amin'ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izany firenena izany, hoy Jehovah, ambara-pandringako azy amin'ny tànany. 9Ary aza mihaino ny mpaminaninareo ianareo, na ny mpanao fankatovanareo, na ny nofinareo, na ny mpanandronareo, na ny mpanana odinareo, izay manao aminareo hoe: Tsy hanompo ny mpanjakan'i Babylona ianareo. 10Fa lainga no vinanin'ireo aminareo, mba hamindrana anareo ho lavitra ny taninareo, dia horoahiko ianareo ka ho ringana. 11Fa izay firenena mampiditra ny vozony eo amin'ny ziogan'ny mpanjakan'i Babylona kosa ka manompo azy dia havelako hitoetra amin'ny taniny ihany, hoy Jehovah, ka hiasa azy sady honina ao izy. 12Ary Zedekia, mpanjakan'ny Joda. koa dia efa nilazako araka izany teny rehetra izany hoe: Ampidiro eo amin'ny ziogan'ny mpanjakan'i Babylona ny vozonareo, ka manompoa azy sy ny vahoakany, dia ho velona ianareo. 13Nahoana no ho fatin'ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana ianareo, dia ianao mbamin'ny vahoakanao, araka ny nolazain'i Jehovah ny amin'ny firenena izay tsy mety manompo ny mpanjakan'i Babylona? 14Koa aza mihaino ny tenin'ny mpaminany izay manao aminareo hoe: Tsy hanompo ny mpanjakan'i Babylona ianareo; fa lainga no vinanin'ireo aminareo. 15Fa tsy naniraka azy Aho, hoy Jehovah, nefa manandoka ho mpaminany amin'ny anarako ihany izy, mba handroahako anareo, ka ho lany ringana ianareo, dia ianareo sy ny mpaminany izay maminany aminareo. 16Ary ny mpisorona sy ity firenena rehetra ity dia efa nilazako hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Aza mihaino ny tenin'ny mpaminaninareo. izay maminany aminareo hoe: Indro, ny fanaky ny tranon'i Jehovah hampodina faingana avy any Babylona; fa lainga no vinaniny aminareo. 17Aza mihaino azy, fa manompoa ny mpanjakan'i Babylona, dia ho velona ianareo; fa nahoana no ho rava ity tanàna ity? 18Fa raha mpaminany tokoa ireo, ary raha ao aminy tokoa ny tenin'i Jehovah, dia aoka hifona amin'i Jehovah, Tompon'ny maro, izy, mba tsy ho lasa ho any Babylona koa ny fanaka sisa ao an-tranon'i Jehovah sy ao an-tranon'ny mpanjakan'ny Joda sy ato Jerosalema 19Fa izao ny lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, ny amin'ny andry sy ny tavin-drano lehibe sy ny fitoeran-tavin-drano ary ny amin'ny fanaka hafa izay mbola sisa amin'ity tanàna ity, 20dia izay tsy nalain'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona, fony izy nitondra an'i Jekonia, zanak'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda, ho babo avy tany Jerosalema ho any Babylona, mbamin'ny manan-kaja rehetra amin'ny Joda sy Jerosalema, 21eny, izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, ny amin'ny fanaka izay sisa ao an-tranon'i Jehovah sy ao an-tranon'ny mpanjakan'ny Joda sy ato Jerosalema: 22Ho any Babylona no hitondrana ireo, sady hitoetra any izy ambara-pahatongan'ny andro hamangiako azy, hoy Jehovah, dia vao ho entiko miakatra izy ka hampodiko amin'ity tanàna ity. ¶