1 Lozan'ireo mpiandry izay manimba sy mampihahaka ny ondry fiandriko, hoy Jehovah 2Koa izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ny amin'ireo mpiandry izay miandry ny oloko: Hianareo efa nampihahaka ny ondriko sy nandronjindronjina azy, fa tsy nanolokolo azy; Koa, indro, hovaliako ianareo noho ny faharatsian'ny ataonareo, hoe Jehovah 3Ary Izaho hanangona ny ondriko sisa avy any amin'ny tany rehetra izay nandroahako azy ka hampodiko ho any amin'ny saha niandrasana azy, dia hitombo sy hihamaro izy 4Ary hanendry mpiandry ho azy Aho, ka dia hiandry azy ireo; Ka tsy hatahotra na hivadi-po intsony izy, sady tsy hisy tsy ho voavory, hoy Jehovah. 5Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay hananganako Rantsana marina ho an'i Davida, ka hanjaka Izy sady ho hendry ary hanao fitsarana sy fahamarinana amin'ny tany. 6Amin'ny androny no hamonjena ny Joda, sy handrian'ny Isiraely fahizay, ary izao no anarany izay hanononana Azy: Jehovah Fahamarinantsika. 7Koa, indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay tsy hanaovana intsony hoe: Raha velona koa Jehovah, Izay nitondra ny Zanak'Isiraely niakatra avy tany amin'ny tany Egypta; 8Fa izao kosa: Raha velona koa Jehovah, Izay nitondra ny taranak'Isiraely niakatra sady nitarika azy avy tany amin'ny tany avaratra sy avy tany amin'ny tany rehetra izay nandroahako azy; Dia honina ao amin'ny taniny izy. ¶ 10Fa feno mpijangajanga ny tany; Ary noho ny ozona no isaonan'ny tany, efa maina ny kijana any an-efitra; Ary efa ratsy ny fanaon'ny olona, sady ny tsi-fahamarinana no heriny. 11Fa na mpaminany na mpisorona dia samy mpihatsaravelatsihy avokoa; Na dia tao an-tranoko aza dia mbola hitako ihany ny haratsiany, hoy Jehovah. 12Koa dia ho toy ny lala-malama amin'ny aizim-pito ny lalany; Haronjina izy, ka dia ho potraka ao; Fa hahatonga loza aminy Aho amin'ny taona hamaliana azy, hoy Jehovah. 13Ary tamin'ny mpaminanin'i Samaria no nahitako zavatra mahaloiloy: Naminany tamin'i Bala izy ka nampivily ny Isiraely oloko, 14Ary tamin'ny mpaminanin'i Jerosalema koa no nahitako zavatra mahatsiravina; Mijangajanga sy mandeha araka ny lainga izy sady mampahery ny tanan'ny mpanao ratsy, ka samy tsy miala amin'ny faharatsiany; Eny, izy rehetra dia tonga tahaka an'i Sodoma raha amiko, ary ny mponina ao dia tonga tahaka an'i Gomora. 15Koa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, ny amin'ireo mpaminany ireo: Indro, hofahanako zava-mahafaty izy sy hampisotroiko rano mangidy, satria avy tamin'ny mpaminanin'i Jerosalema no nivoahan'ny faharatsiana ho any amin'ny tany rehetra. 16Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Aza mihaino ny tenin'ny mpaminany izay maminany aminareo, fa manadala anareo ireo; Ny fahitana avy ao am-pony ihany no lazainy, fa tsy izay aloaky ny vavan'i Jehovah. 17Milaza mandrakariva amin'izay manamavo Ahy izy hoe: Jehovah nanao hoe: Hahita fiadanana ianareo, ary amin'izay rehetra mandeha araka ny ditry ny fony hoe: Tsy hisy loza hanjo anareo. 18Fa iza moa no efa isan'ny mpihevitra teo amin'i Jehovah ka nahita sy nandre ny teniny? Iza no nanongilana ny sofiny taminy ka nihaino ny teniny? 19He! ny tadion'i Jehovah! Mivoaka ny fahatezerana sy ny tadio mitambolimbolina ka miantonta amin'ny lohan'ny ratsy fanahy. 20Ny fahatezeran'i Jehovah tsy ho afaka ambara-panefany sy ambara-panatanterany ny hevitry ny fony; Mbola ho fantatrareo marimarina izany any am-parany. 21Tsy naniraka ireo mpaminany ireo Aho, kanefa nidodododo ihany izy, tsy niteny taminy Aho, kanefa naminany ihany izy. 22Fa raha isan'ny mpihevitra teo amiko izy, dia ho nitory ny teniko tamin'ny oloko izy ka namerina azy hiala tamin'ny lalany ratsy sy tamin'ny faharatsian'ny nataony. 23Moa Andriamanitra etỳ akaiky ihany va Aho? hoy Jehovah. Fa tsy Andriamanitra any lavitra any koa? 24Moa misy olona mahafin-tena ao amin'ny fierena va ka tsy ho hitako? hoy Jehovah. Tsy manerana ny lanitra sy ny tany va Aho? hoy Jehovah. 25Efa reko ny nolazain'ny mpaminany, Izay naminany lainga tamin'ny anarako hoe: Nanonofy aho, nanonofy aho. 26Mandra-pahoviana? Moa ao am-pon'ireo mpaminany izay maminany lainga sy maminany araka ny fitaky ny fony va? 27Ny hampanadino ny oloko ny anarako amin'ny nofiny izay lazainy amin'ny namany avy, toy ny nanadinoan'ny razany ny anarako noho ny amin'i Bala? 28Ny mpaminany izay manonofy dia aoka hilaza nofy, ary izay manana ny teniko dia aoka hanambara marina ny teniko. Fa moa inona izay mololo, raha oharina amin'ny vary? hoy Jehovah. 29Tsy tahaka ny afo va ny teniko? hoy Jehovah, ary tsy tahaka ny kanonta manorotoro ny vatolampy va? ¶ 30Koa, indro, fa hasiako ny mpaminany, hoy Jehovah, izay samy mangalatra ny teniko amin'ny namany avy. 31Indro, hoy Jehovah, hasiako ny mpaminany, izay mampiteny ny lelany hoe: Hoy Izy. 32Indro, hasiako izay maminany nofy lainga, hoy Jehovah, ary milaza izany ka mampivily ny oloko amin'ny laingany sy ny fandokafany tena; Nefa Izaho tsy naniraka azy na nandidy azy tsinona, ka dia tsy mahasoa ity firenena ity akory izy, hoy Jehovah. 33Ary raha manontany anao ity firenena ity, na ny mpaminany, na ny mpisorona, ka manao hoe: Inona no entan'i Jehovah? Dia ataovy aminy hoe: Ny amin'ny entana hariako ianareo, hoy Jehovah. 34Ary ny mpaminany sy ny mpisorona mbamin'ny vahoaka, izay manao hoe: Ny entan'i Jehovah. Dia hovaliako izany olona izany mbamin'ny ankohonany. 35Samia manontany amin'ny namany sy ny rahalahiny avy ianareo hoe: Ahoana no navalin'i Jehovah? Ary ahoana no nolazain'i Jehovah? 36Fa ny hoe: Ny entan'i Jehovah dia tsy hotononinareo intsony; Fa ny tenin'ny olona avy ihany no ho entan'ny tenany, satria efa navadikareo ny tenin'Andriamanitra velona, dia Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitsika. 37Izao no hanontanianareo amin'ny mpaminany; Ahoana no navalin'i Jehovah anao? Ary ahoana no nolazain'i Jehovah? 38Fa raha hoy ianareo: Entan'i Jehovah, Dia izao no lazain'i Jehovah: Noho ny nilazanareo ny teny hoe: Ny entan'i Jehovah, nefa efa nanirahako ihany ianareo nataoko hoe: Aza manao hoe: Ny entan'i Jehovah, 39Dia, indro, hanadino anareo tokoa Aho sady hanary anareo mbamin'ny tanàna izay nomeko anareo sy ny razanareo tsy ho eo anatrehako; 40Ary hataoko mihatra aminareo ny fahafaham-baraka mandrakizay sy ny fahamenarana mandrakizay izay tsy hohadinoina. ¶