1Ny fahotan'ny Joda dia voasoratra tamin'ny fanoratana sy tamin'ny diamondra fanoratana; voasoratra ao am-pony tahaka ny amin'ny vato fisaka sy eo amin'ny tandroky ny alitarany izany, 2Dia amin'izay hahatsiarovan'ny zanany ny alitarany sy ny Aserahany, akaikin'ny hazo maitso, ambonin'ny havoana andrandraina. 3Ry tendrombohitro any an-tsaha, ny fanananao sy ny rakitrao rehetra dia hatolotro ho babo, eny, na dia ny fitoerana avonao koa aza noho ny fahotana tao anatin'ny faritaninao rehetra. 4Ary avy amin'ny tenanao ihany no mahatonga ny hamoizanao ny lovanao izay nomeko anao; Ary hampanompoiko ny fahavalonao any amin'ny tany izay tsy fantatrao ianao; Fa narehitrareo ny afon'ny fahatezerako, izay hirehitra mandrakizay. ¶ 6Fa ho tahaka ny olona mahantra any an-tani-hay izy ka tsy mba hahita, na dia avy aza ny soa; Fa honina any amin'ny tany karankaina any an-efitra, dia any amin'ny tany sira izay tsy onenana. 7Hotahina izay olona matoky an'i Jehovah, dia izay manana an'i Jehovah ho tokiny. 8Fa ho toy ny hazo ambolena eo amoron-drano izy, izay mamaka eo anilan'ny rano mandeha, ka tsy hatahotra, na dia avy aza ny hainandro, sady ho maitso ny raviny, ka tsy hanahy izy, na dia mihantona aza ny andro, fa tsy hitsahatra ny famoany. 9Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra sady manana aretina tsy azo sitranina; Iza moa no mahafantatra ny aminy? 10Izaho Jehovah no Mpandinika ny fo sy Mpamantatra ny voa, mba hanome ny olona rehetra araka ny alehany avy, dia araka ny vokatry ny asany 11Toy ny tsipoy mikotrika izay tsy atodiny, dia toy izany izay mahazo harena tsy amin'ny rariny: Handao azy amin'ny an-tenatenan'androny izany, ka ho adala no farany. ¶ 12Seza fiandrianana be voninahitra sady avo hatramin'ny voalohany ny fitoera-masintsika. 13Ry Jehovah, Fanantenan'ny Isiraely ô! Ho menatra izay rehetra mahafoy Anao, ary hosoratana amin'ny vovoka izay miala aminao, satria izy efa nahafoy an'i Jehovah, loharano velona. 14Jehovah ô, sitrano aho, dia ho sitrana; Vonjeo aho, dia ho voavonjy; Fa Hianao no fiderako. 15Indro, ireo dia manao amiko hoe: Aiza ny tenin'i Jehovah? Aoka ho tanteraka izany. 16Fa izaho tsy nihifikifika niala tsy ho mpiandry manaraka Anao; Ary ny andro hihavian'ny loza dia tsy nohaikaiko, eny, fantatrao izany; Izay efa nivoaka tamin'ny molotro dia miharihary eo anatrehanao. 17Enga anie ka tsy ho fampitahorana ahy Hianao! Aroko amin'ny andro fahoriana Hianao! 18Aoka ho menatra izay manenjika ahy, fa izaho kosa aoka tsy mba ho menatra; Aoka hivadi-po ireo, fa izaho kosa aoka tsy mba hivadi-po; Ataovy tonga aminy ny andro fahoriana, ary ny fahatorotoroana roa heny no anorotoroy azy. ¶ 20ka lazao amin'ny olona hoe: Henoinareo ny tenin'i Jehovah ry mpanjakan'ny Joda sy ry Joda rehetra ary ianareo mponina rehetra eto Jerosalema, izay miditra amin'ireto vavahady ireto. 21Izao no lazain'i Jehovah: Tandremo ny fanahinareo, ka aza mitondrantana amin'ny andro Sabata, ary aza mampiditra entana: amin'ny vavahadin'i Jerosalema; 22ary aza mitondra entana mivoaka avy amin'ny tranonareo amin'ny andro Sabata, na manao raharaha akory; fa hamasino ny andro Sabata araka izay efa nandidiako ny razanareo. 23Nefa tsy nihevitra izy, na nanongilana ny sofiny, fa nanamafy ny hatony mba tsy hihaino na hino anatra. 24Ary raha mihaino Ahy tokoa ianareo hoy Jehovah, ka tsy mampiditra entana amin'ny vavahadin'ity tanàna ity amin'ny andro Sabata, ka tsy manao raharaha amin'izany, 25izay mpanjaka sy mpanapaka mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida dia hiditra amin'ny vavahadin'ity tanàna ity mitaingina kalesy sy soavaly, dia izy sy ny mpanapaka sy ny Joda ary ny mponina eto Jerosalema, ka honenana mandrakizay ity tanàna ity. 26Ary ho avy ny olona avy amin'ny tanànan'ny Joda sy ny manodidina an'i Jerosalema sy ny tanin'ny Benjamina sy ny tany lemaka amoron-tsiraka sy ny tany havoana ary ny tany atsimo ka hitondra fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-drà ary fanatitra hohanina sy ditin-kazo mani-pofona ary hitondra fanati-pisaorana ho ao an-tranon'i Jehovah. 27Fa raha tsy mihaino Ahy kosa ianareo ka tsy manamasina ny andro Sabata, fa mitondra entana miditra amin'ny vavahadin'i Jerosalema ihany amin'ny andro Sabata, dia handrehitra afo tsy mety maty eo am-bavahadiny Aho handevonana ny tranobe eto Jerosalema. ¶