1 Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah: 2Mihainoa ny tenin'izao fanekena izao ianareo, ary mitenena amin'ny Joda sy amin'ny mponina any Jerosalema, 3Ary ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: ho voaozona izay olona tsy mankatò ny tenin'izao fanekena izao, 4Izay nandidiako ny razanareo tamin'ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, dia avy tao amin'ny memy fandrendreham-by, ka nanaovako hoe: Mihainoa ny feoko, ary mankatoava ireny araka izay rehetra andidiako anareo, dia ho oloko ianareo, ary Izaho kosa ho Andriamanitrareo, 5Mba hotoviko ny fianianana izay nianianako tamin'ny razanareo, dia ny hanomezana azy tany tondra-dronono sy tantely tahaka ny amin'izao anio izao. Dia namaly aho ka nanao hoe: Ho izany tokoa anie, Jehovah ô! 6Ary hoy Jehovah tamiko: Torio any an-tanànan'ny Joda sy any an-dalamben'i Jerosalema Izany teny rehetra izany, ka lazao hoe: Henoy ny tenin'izao fanekena izao, ka ankatoavy izy. 7Fa nananatra mafy ny razanareo Aho tamin'ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta ka ambaraka androany; Eny, nifoha maraina koa Aho ka nananatra hoe: Mihainoa ny feoko. 8Nefa tsy nihaino izy na nanongilana ny sofiny, fa samy nandeha tamin'ny ditry ny fo ratsiny ihany izy; Ka dia nataoko mihatra aminy ny teny rehetra amin'izao fanekena izao, ilay nasaiko nataony, nefa tsy nataony. ¶ 9Ary hoy koa Jehovah tamiko: Misy tetika fikomiana hita ao amin'ny Joda sy amin'ny mponina any Jerosalema. 10Fa izy niverina nankamin'ny heloky ny razany, izay tsy nety nihaino ny teniko, ary lasa nanaraka andriamani-kafa izy ka nanompo azy; Ny taranak'Isiraely sy ny taranak'i Joda efa nivadika ny fanekeko, izay nataoko tamin'ny razany. 11Koa izao no lazain'i Jehovah: Indro, Izaho hahatonga loza aminy, izay tsy azony handosirana; Ary na dia hitaraina amiko aza izy, dia tsy hihaino azy Aho. 12Dia handeha ny tanànan'ny Joda sy ny mponina any Jerosalema ka hitaraina amin'ireny andriamaniny, izay efa nandoroany ditin-kazo manitra; Nefa ireny tsy hahavonjy azy akory amin'ny andro fahoriany. 13Fa araka ny isan'ny tanànanao, ry Joda, no isan'ny andriamanitrao, Ary araka ny isan'ny lalamben'i Jerosalema no isan'ny alitara naorinareo ho an'ilay mampahamenatra. Dia alitara handoroana ditin-kazo manitra ho an'i Bala. 14Koa aza mivavaka ho an'ity firenena ity ianao, ary aza manandratra fitarainana na fifonana ho azy; Fa amin'ny andro izay hitarainany amiko noho ny fahoriany dia tsy hihaino azy Aho. ¶ 15Hanao inona ao an-tranoko ny malalako fa efa namoron-tsain-dratsy niaraka tamin'ny maro izy, ary ny hena masina dia esorina aminao; Raha azon-doza ianao, mifalia ary! 16Hazo oliva maitso sady misy voany maha-te-hizaha no nataon'i Jehovah anaranao; Tamin'ny fihorakorahana be no nandrehetany afo taminy, ary notapahina ny rantsany. 17Fa Jehovah, Tompon'ny maro, Izay namboly anao, no nanambara ny loza hanjo anao, noho ny ratsy nataon'ny taranak'Isiraely sy ny taranak'i Joda, Izay nahavoa ny tenany ka nahatezitra Ahy. Dia tamin'ny nandoroany ditin-kazo manitra ho an'i Bala. ¶ 19Fa izaho dia tahaka ny zanak'ondry bonaika, izay entina hovonoina; Ary tsy fantatro fa izao no tetika nataony namelezany ahy: Aoka hosimbantsika ny hazo mbamin'ny voany, ary aoka hofongorantsika hiala amin'ny tanin'ny velona izy, mba tsy hotsarovana intsony ny anarany. 20Nefa, ry Jehovah, Tompon'ny maro ô, Izay mitsara marina ka mamantatra ny voa sy ny fo aoka ho hitako ny famalianao azy; Fa aminao no efa nanankinako ny adiko. 21Koa izao no lazain'i Jehovah ny amin'ny mponina ao Anatota, izay mitady ny ainao ka manao hoe: Aza maminany amin'ny anaran'i Jehovah, fandrao matin'ny tananay ianao, 22izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Indro, hovaliako Izy, ka ny zatovo ho fatin-tsabatra, ary ny zananilahy sy ny zananivavy ho fati-mosary; 23Ka tsy hisy hiangana izy; Fa hahatonga loza amin'ny mponina ao Anatota Aho amin'ny taona hamaliana azy. ¶