1 Tsy hangina Aho noho ny amin'i Ziona, Ary tsy hitsaha-miteny Aho noho ny amin'i Jerosalema, mandra-piposaky ny fahamarinany tahaka ny famirapiratry ny mazava, ary ny famonjena azy tahaka ny fanilo mirehitra. 2Ny firenena hahita ny fahamarinanao, ary ny mpanjaka rehetra hahita ny voninahitrao; dia homena anaram-baovao ianao, Izay hotononin'ny vavan'i Jehovah; 3Ka dia ho tonga satro-boninahitra eo an-tànany ianao sy satrok'andriana eo am-pelatanan'Andriamanitrao. 4Hianao tsy hatao intsony hoe nafoy, ary ny taninao tsy hatao intsony hoe Lao fa ianao hatao hoe Ilay sitrako, ary ny taninao hatao hoe Vady ampakarina; Fa sitrak'i Jehovah ianao, ary ny taninao hampanambadina. 5Fa tahaka ny zatovo mampakatra virijina ho vadiny no hampakaran'ny mponina aminao anao; ary tahaka ny fifalian'ny mpampakatra amin'ny ampakariny no hifalian'Andriamanitrao aminao. 6Efa nanendry mpiambina ho eny ambonin'ny mandanao Aho, ry Jerosalema ô, koa mandrakariva na andro na alina dia tsy mahazo mangina ireny; eny, ianareo izay mpampahatsiaro an'i Jehovah, aza mitsahatra; 7Ary aza mamela Azy hitsahatra mandra-panaony an'i Jerosalema ho mafy orina sy hoderaina amin'ny tany. 8Jehovah efa nianiana tamin'ny tànany ankavanana, dia tamin'ny sandriny mahery, hoe: Tsy homeko hohanin'ny fahavalonao intsony ny varinao, ary ny hafa firenena tsy hisotro ny ranom-boalobokao izay efa nisasaranao; 9Fa izay nijinja azy no hihinana azy ka hidera an'i Jehovah; ary izay nioty azy no hisotro azy ao amin'ny kianjako masina. ¶ 10Mivoaha, mivoaha amin'ny vavahady, amboary ny lalana halehan'ny olona; asandrato ho avo ny lalambe; esory ny vato eny aminy; manangàna faneva ho tazan'ny firenena. 11Indro, Jehovah efa nanambara hatrany amin'ny faran'izao tontolo izao nanao hoe: Lazao amin'i Ziona zanakavavy: Indro, avy ny famonjena anao; Indro; ny valim-pitia hatolony dia ao aminy, ary ny valin'asa homeny dia eo anoloany. 12Ary Ireny hotononina hoe Firenena masina, dia olona navotan'i Jehovah; ary ianao dia hatao hoe Ilay notadiavina, Tanàna tsy foy. ¶