1 Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Tyro. Midradradradrà ianareo, ry sambon'i Tarsisy ô! Fa rava Tyro, ka tsy misy trano sady tsy azo idirana intsony ao; Avy tany amin'ny tany Kitima no nanambarana izany taminy. ¶ 2Mangina, ianareo mponina amoron-tsiraka! Ny mpandranto avy any Sidona, Izay mandeha eny ambonin'ny ranomasina, no efa nampanan-karena anao. 3Teny amin'ny rano be ny varin'i Sihora, dia ny vokatr'i Neily, ka nampiditra harena ho azy; Ary tonga tsenan'ny firenena izy. 4Aoka ho menatra ianao, ry Sidona; Fa ny ranomasina, dia ny fiarovana mafy ao an-dranomasina, efa niteny hoe: Tsy mbola nihetsi-jaza aho, na niteraka, tsy mbola nitaiza zatovo aho, na namelona virijina. 5Rehefa re tany Egypta izany, Dia toran-kovitra izy noho ny nanjo an'i Tyro. 6Mità ho any Tarsisy ianareo; Midradradradrà, ry mponina amoron-tsiraka. 7Izao va no manjo anao, ry ilay niravoravo, izay efa naorina hatry ny fony fahagola sady nentin'ny tongony hivahiny any lavitra any? 8Iza no nikasa izany hamelezana an'i Tyro, mpanome satro-boninahitra, izany? Mpanapaka ny mpandrantony, Olo-malaza amin'ny tany ny mpivarony. 9Jehovah, Tompon'ny maro, no nikasa izany, mba hampietreny ny fiavonavonan'ny voninahitra rehetra, sy hanalany ny voninahitry ny olo-malaza rehetra amin'ny tany. 10Ry Tarsisy zanakavavy, aoka ianao hanafotra ny taninao tahaka an'i Neily; Fa tsy misy fifehezana intsony. 11Ny tànan'i Jehovah nahifiny tambonin'ny ranomasina; Nampihorohoroiny ny fanjakana; Jehovah efa nandidy ny amin'i Kanana, mba horavana ny fiarovany mafy. 12Ary hoy Izy: Tsy hiravoravo intsony ianao, ry virijina afa-baraka, Sidona zanakavavy; Miaingà, mità ho any Kitima; Kanefa na dia any aza tsy hahita fitsaharana tsy akory ianao. 13Indro ny tanin'ny Kaldeana! Tsy firenena intsony izy, fa nataon'ny Asyriana fonenan'ny bibi-dia any an-efitra; Manao tilikambo fitiliana izy ka mandrava ny lapan'ny mpanjaka ao ary mampody azy ho korontam-bato. 14Midradradradrà ianareo, ry sambon'i Tarsisy ô! Fa rava ny fiarovanareo mafy. 15Ary amin'izany andro izany dia hohadinoina fito-polo taona Tyro, toy ny andron'ny mpanjaka iray; Ary rehefa afaka fito-polo taona, Tyro dia hiharan'ilay tonon-kalon'ny janga manao hoe: 16"Makà lokanga, ka miveziveze eran'ny tanàna ianao, ry kala janga hadino; Mitendre tsara, ka mahereza mivazovazo, mba hahatsiarovana anao." 17Ary rehefa afaka fito-polo taona, Jehovah hamangy an'i Tyro, ka dia hiverina amin'ny filan-tangy izy sy hijangajanga amin'ny fanjakana rehetra manerana izao tontolo izao. 18Ary ny varony sy ny tangy azony dia hohamasinina ho an'i Jehovah; Tsy hotehirizina na horaketina izany; Fa ny varony dia ho an'izay mitoetra eo anatrehan'i Jehovah, ho hanina mahavoky sy ho fitafiana mendrika. ¶