1Ary Andriamanitra nitso-drano an'i Noa sy ny zanany hoe; Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany. 2Ary ny tahotra sy horohoro anareo hahazo ny bibi-dia rehetra sy ny voro-manidina rehetra; ireny mbamin'izay rehetra mandady na mikisaka amin'ny tany sy ny hazandrano rehetra ao amin'ny ranomasina dia efa natolotra eo an-tananareo. 3Ny biby mihetsiketsika rehetra izay miaina dia ho fihinana ho anareo; dia efa nomeko anareo toy ny zava-maitso izy rehetra. 4Kanefa ny nofo izay mbola misy aina dia ny ràny no aza haninareo. 5Fa ny ranareo kosa dia hadiniko, satria ainareo izany; eo amin'ny tanan'ny manan'aina rehetra no hanadinako azy; ary eo amin'ny tanan'ny olona, dia eo amin'ny tanan'ny olona avy, no hanadinako ny ain'ny olona. 6Izay mandatsaka ny ran'olona, dia mba halatsak'olona kosa ny ràny, satria tahaka ny endrik'Andriamanitra no nanaovany ny olona. 7Koa ny aminareo, dia maroa fara sy mihabetsaha; miteraha be eny ambonin'ny tany sy mihabetsaha eny. 8Ary Andriamanitra niteny tamin'i Noa sy tamin'ny zanany, izay niaraka taminy, ka nanao hoe: 9Indro, Izaho efa manorina ny fanekeko aminareo sy amin'ny taranakareo mandimby anareo 10sy amin'ny zava-manan'aina rehetra eo aminareo, na ny vorona, na ny biby fiompy, na ny bibi-dia rehetra eo aminareo: izay rehetra nivoaka avy tao anatin'ny sambo-fiara, dia ny biby samy hafa rehetra. 11Dia aoriko ny fanekeko aminareo, ka tsy haringako amin'ny safo-drano intsony ny nofo rehetra, ary tsy hisy safo-drano hanimba ny tany intsony. 12Ary hoy Andriamanitra: Izao no famantarana ny fanekena izay ataoko ho amiko sy ho aminareo mbamin'ny zava-manan'aina rehetra eo aminareo hatramin'ny taranaka fara mandimby: 13Ny avako efa napetrako eo amin'ny rahona ho famantarana ny fanekena ho amiko sy ho amin'ny tany. 14Ary raha mampiangona rahona eo ambonin'ny tany Aho, ka hita eo amin'ny rahona ny avana, 15dia hotsarovako ny fanekeko izay ho amiko sy ho aminareo mbamin'ny zava-manan'aina, dia ny nofo rehetra; ary tsy hisy safo-drano, handringana ny nofo rehetra intsony. 16Ary ho eo amin'ny rahona ny avana; ary hitsinjo azy Aho hahatsiarovako ny fanekena mandrakizay izay ho amin'Andriamanitra sy ho amin'ny zava-manan'aina rehetra, dia ny nofo rehetra ambonin'ny tany. 17Ary hoy Andriamanitra tamin'i Noa: Izany no famantarana ny fanekena izay naoriko ho amiko sy ho amin'ny nofo rehetra ambonin'ny tany. 18Ary ny zanakalahin'i Noa izay izay nivoaka avy tamin'ny sambo-fiara dia Sema sy Hama ary Jafeta; ary i Hama no rain'i Kanana. 19Ireo telo lahy ireo no zanak'i Noa; ary avy tamin'ireo no nielezan'ny olona tambonin'ny tany rehetra. 20Ary vao tonga mpiasa tany Noa ka nanao tanim-boaloboka. 21Ary nisotro tamin'ny divay izy ka mamo; dia nanary lamba izy ka nitanjaka tao anatin'ny lainy. 22Ary hitan'i Hama, rain'i Kanana ny fitanjahan'ny rainy, dia nambarany tamin'ny rahalahiny roa lahy teo ivelany. 23Ary nalain'i Sema sy Jafeta ny lamba ka nentin'izy mirahalahy teo an-tsorony, dia nanao dia mianotra izy ka nandrakotra ny fitanjahan'ny rainy; ary ny tavany tsy nanatrika, ka dia tsy hitany ny fitanjahan'ny rainy. 24Dia nahatsiaro Noa, rehefa afaka ny hamamoany, ka nahafantatra izay efa nataon'ny zanany faralahy taminy. 25Dia hoy izy: Ho voaozona anie Kanana; Ho tena andevon'ny rahalahiny izy. 26Ary hoy koa izy: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitr'i Sema; Ary aoka Kanana ho andevony. 27Hataon'Andriamanitra malalaka anie Jafeta; Ary aoka honina ao an-dain'i Sema izy; Ary aoka Kanana ho andevony. 28Ary ny andro niainan'i Noa taorian'ny safo-drano dia dimam-polo amby telon-jato taona. 29Ary ny andro rehetra niainan'i Noa dia dimam-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy. ¶