1 2Miangòna, ka mandrenesa, ry zanakalahin'i Jakoba, eny, mihainoa an'Isiraely rainareo: 3 4Mandroadroatra toy ny rano ianao ka tsy hanan-tombo, fa niakatra tamin'ny fandrian'ny rainao ianao, tamin'izany no nandotoanao azy. Endrey, ny farafarako lahy, ka dia niakarany! 5 6Aza mankeo amin'izay iokoany, ry foko, ary aza miray amin'ny fiangonany. ry fanahiko; fa tamin'ny fahatezerany no namonoany olona, ary tamin'ny fahasahisahiany no nanatraingoany omby. 7 8 9Zana-diona, Joda, avy niremby ianao, anaka; mamitsaka, mandry toy ny liona izy, ary toy ny liom-bavy, ka iza no hanaitra azy! 10 11Mamatotra ny borikiny tanora eo amin'ny tahom-boaloboka izy. Ary ny zanaky ny borikivaviny eo amin'ny tahom-boaloboka tsara; nanasa ny fitafiany tamin'ny divay izy, ary ny akanjony tamin'ny ram-boaloboka.¶ 12Mangamanga ny masony azon'ny divay ary fotsy ny nifiny azon'ny ronono. 13 14 15Ary hitany fa tsara ny fialan-tsasatra, sady mahafinaritra ny tany; dia nanongilana ny sorony hitondra entana izy ka tonga mpanompo mandoa hetra. 16 17Dana ho menarana ao amoron-dalana, ho bibilava misy tandroka ao an-dalana izy, izay manaikitra ny kitrokelin'ny soavaly, ka potraka miantsilany ny mpitaingina azy.¶ 18Ny famonjenao no andrasako, Jehovah ô! 19 20 21 22 23Nampahory azy ny mpitifitra, dia nitifitra azy sy nanenjika azy;¶ 24Kanefa mateza hery ny tsipìkany, ary mailamailaka ny sandrin-tànany, avy amin'ny tànan'Ilay Maherin'i Jakoba, dia avy ao amin'ny Mpiandry, Izay Vatolampin'ny Isiraely,¶ 25Avy amin'ny Andriamanitry ny rainao, ka Izy hamonjy anao avy amin'ny Tsitoha, ka Izy hitahy anao: Dia fitahiana avy amin'ny lanitra any ambony, sy fitahiana avy amin'ny lalina, izay mamitsaka any ambany, ary fitahiana avy amin'ny nono sy ny kibo.¶ 26Ny tso-dranon'ny rainao dia mihoatra noho ny havoana mandrakizay sy ny zavatra mahafinaritra amin'ny tendrombohitra fahagola; ho eo an-dohan'i Josefa izany, dia ho eo an-tampon-dohan'ilay nalaza tamin'ny rahalahiny. 27 28Ireo rehetra ireo no firenen'ny Isiraely roa ambin'ny folo; ary izany no nolazain'ny rainy taminy sy nitsofany rano azy; samy araka ny tso-drano izay tokony ho azy avy no nitsofany rano azy. 29Dia nanafatra azy izy ka nanao taminy hoe: Izaho efa madiva hangonina ho any amin'ny razako; aleveno ao amin'ny razako aho, dia ao anatin'ny zohy izay any amin'ny sahan'i Efrona Hetita, 30ao anatin'ny zohy izay any amin'ny saha Makpela, izay tandrifin'i Mamre, any amin'ny tany Kanana, dia ilay novidin'i Abrahama mbamin'ny saha tamin'i Efrona Hetita ho tany fandevenana. 31Tao no nandevenany an'i Abrahama sy Saraha vadiny; ary tao koa no nandevenany an'Isaka sy Rebeka vadiny; ary tao koa no nandevenako an'i Lea, 32ny saha sy ny zohy ao anatiny izay novidiny tamin'ny taranak'i Heta. ¶