1 Ary Josefa nankao amin'i Farao ka nilaza taminy hoe: Ny raiko sy ny rahalahiko ary ny ondry aman'osiny sy ny ombiny mbamin'izay rehetra ananany dia efa tonga avy tany amin'ny tany Kanana; ka, indreo, ao amin'ny tany Gosena izy. 2Ary ny dimy lahy tamin'ny rahalahiny no nalainy ka nentiny teo anatrehan'i Farao. 3Ary hoy Farao tamin'ireo rahalahin'i Josefa: Inona moa no raharaha fanaonareo? Dia hoy izy tamin'i Farao: Mpiandry ondry izahay mpanomponao hatramin'ny razanay. 4Ary hoy koa izy tamin'i Farao: Mba hivahiny eto amin'ity tany ity no nihavianay; fa tsy misy ahitra ho an'ny ondry aman'osin'ny mpanomponao, fa mafy ny mosary any amin'ny tany Kanana; koa ankehitriny, trarantitra ianao, aoka mba honina ao amin'ny tany Gosena ny mpanomponao. 5Ary Farao dia niteny tamin'i Josefa ka nanao hoe: Ny rainao sy ny rahalahinao efa tonga atỳ aminao; 6ny tany Egypta dia eo anoloanao; koa amin'izay tany tsara indrindra no amponeno ny rainao sy ny rahalahinao; aoka honina ao amin'ny tany Gosena izy ary raha fantatrao fa misy lehilahy mahay eo aminy, tendreo izy ho lehiben'ny mpiandry ny omby aman'ondriko. ¶ 7Dia nentin'i Josefa ho eo anatrehan'i Farao Jakoba rainy; ary Jakoba dia nisaotra an'i Farao. 8Ary hoy Farao tamin'i Jakoba: Firy taona moa no andro niainanao? 9Dia hoy Jakoba tamin'i Farao: Telo-polo amby zato taona no andro nivahiniako; sady vitsy no ratsy ny andro niainako ka tsy nahatratra ny andro niainan'ny razako tamin'ny andro nivahiniany. 10Ary Jakoba, rehefa nisaotra an'i Farao, dia lasa niala teo anatrehany. ¶ 11Dia namponenin'i Josefa ny rainy sy ny rahalahiny ka nomeny zara-tany tao amin'ny tany Egypta, dia tao amin'ny tany tsara indrindra, tao amin'ny tany Ramesesa, araka izay efa nandidian'i Farao. 12Dia novelomin'i Josefa tamin'ny hanina ny rainy sy ny rahalahiny mbamin'ny ankohonan'ny rainy rehetra, araka ny isan'ny zanany avy. ¶ 13Ary tsy nisy hanina teo amin'ny tany rehetra; fa mafy indrindra ny mosary, ka efa reraka ny tany Egypta sy ny tany Kanana noho ny mosary. 14Dia nangonin'i Josefa ny vola rehetra izay hita tany amin'ny tany Egypta sy tany amin'ny tany Kanana, dia izay vidin'ny vary novidin'ny olona, ka nampidirin'i Josefa tao an-tranon'i Farao ny vola. 15Ary rehefa lany avokoa ny vola tany amin'ny tany Egypta sy tany amin'ny tany Kanana, dia nankeo amin'i Josefa ny Egyptiana rehetra ka nanao hoe: Omeo hanina izahay; fa nahoana no dia ho faty eto anatrehanao izahay? fa efa lany avokoa ny vola. 16Ary hoy kosa Josefa : Omeo ny omby aman'ondrinareo hotakalozako, raha lany ny vola. 17Dia nentiny tany amin'i Josefa ny omby aman'ondriny, ka notakalozan'i Josefa hanina ny soavaliny sy ny ondry aman'osiny ary ny ombiny sy ny borikiny; dia nomeny hanina izy tamin'izany taona izany ho takalon'ny bibiny rehetra. ¶ 18Ary rehefa tapitra izany taona izany, dia nankeo aminy indray ny olona tamin'ny taona faharoa ka nanao taminy hoe: Tsy azonay afenina amin'itompokolahy fa efa lany ny vola, ary efa lasan'itompokolahy avokoa ny biby fiompy; tsy misy na inona na inona intsony eto imason'itompokolahy afa-tsy ny tenanay sy ny taninay; 19nahoana no dia ho faty izahay eto anatrehanao, dia izahay sy ny taninay? Takalozy hanina ny tenanay sy ny taninay, dia ho mpanompon'i Farao izahay sy ny taninay: ary omeo voa hafafy izahay, mba ho velona, fa tsy ho faty, ary mba tsy ho lao ny tany. 20Dia notakalozan'i Josefa ho an'i Farao ny tany Egypta rehetra; fa ny Egyptiana samy nanakalo ny sahany avy, satria resy mosary izy; ary dia lasan'i Farao ny tany. 21Ary ny olona dia nafindrany ho ao amin'ny tanàna hatramin'ny faran'ny faritr'i Egypta rehetra. 22Ny tanin'ny mpisorona ihany no tsy mba natakalony; fa nanana anjara tamin'i Farao ny mpisorona ka nihinana ny anjara izay nomen'i Farao azy; izany no tsy nanakalozany ny taniny. 23Dia hoy Josefa tamin'ny olona: Indro, efa voavidiko androany ianareo sy ny taninareo ho an'i Farao; koa indreny ny voa hafafinareo, dia hofafazanareo ny tany. 24Ary rehefa misy vokatra, dia haterinareo ho an'i Farao ny ampahadiminy; ary ho anareo kosa ny efa-toko, ho voa hafafy any an-tsaha sy hohaninareo mbamin'izay ao an-tranonareo ary hohanin'ny zanakareo. 25Ary hoy izy: Efa namonjy ny ainay ianao; aoka mba hahita fitia eto imason'itompokolahy izahay, dia ho mpanompon'i Farao. 26Dia nataon'i Josefa ho lalana tany amin'ny tany Egypta mandraka androany izany; fa ho an'i Farao ny ampahadiminy; fa ny tanin'ny mpisorona ihany no tsy mba lasan'i Farao. ¶ 27Ary nonina tao amin'ny tany Egypta ny Isiraely, dia tao amin'ny tany Gosena; ary nahazo zara-tany tao izy, dia nihamaro anaka ka nihabetsaka indrindra. ¶ 28Ary ny andro niainan'i Jakoba tao amin'ny tany Egypta dia fito ambin'ny folo taona; koa ny andro rehetra niainan'i Jakoba dia fito amby efa-polo amby zato taona. 29Ary rehefa antomotra ny andro hahafatesan'Isiraely, dia nampaka an'i Josefa zanany izy ka nanao taminy hoe: Raha mba nahita fitia eo imasonao aho, masìna ianao, ataovy ato ambanin'ny feko ny tananao, ka ataovy amiko izay soa sy izay marina; masìna ianao aza alevina atỳ Egypta aho. 30Fa rehefa lasa mody mandry any amin'ny razako aho, dia ho entinao hiala atỳ Egypta ka halevinao ao amin'ny fasany. Dia hoy Josefa: Hanao araka ny teninao aho. 31Ary hoy Jakoba: Mianiana ary amiko. Dia nianiana taminy izy. Dia niankohoka teo an-dohan'ny farafara Isiraely. ¶