1 Ary mafy ny mosary teo amin'ny tany. 2AryY rehefa laniny ny vary izay efa nalainy tany Egypta, dia hoy ny rainy taminy: Mandehana indray, mividia hanina kely ho antsika. 3Ary Joda niteny taminy ka nanao hoe: Efa nilaza mafy taminay ralehilahy ka nanao hoe: Tsy hahita ny tavako ianareo, raha tsy hiaraka aminareo ilay rahalahinareo. 4Raha hampandehaninao hiaraka aminay ny rahalahinay, dia hidina izahay ka hividy hanina ho anao; 5fa raha tsy hampandehaninao izy, dia tsy hidina izahay; fa hoy ralehilahy taminay: Tsy hahita ny tavako ianareo, raha tsy hiaraka aminareo ilay rahalahinareo. 6Ary hoy Isiraely: Nahoana no dia nampidi-doza tamiko ianareo ka nanambara tamin-dralehilahy fa mbola nanan-drahalahy koa ianareo? 7Ary hoy izy ireo: Nanadina dia nanadina ny amin'ny tenanay sy ny mpianakavinay ralehilahy ka nanao hoe: Mbola velona ihany va izay rainareo? ary manan-drahalahy hafa koa va ianareo? Dia nambaranay taminy araka izany teny izany; moa nampoizinay akory va izay hanaovany hoe: Ento midina ny rahalahinareo? 8Ary hoy Joda tamin'Isiraely rainy: Ampandehano hiaraka amiko ny zaza, dia hiainga izahay ka handeha, mba ho velona isika ka tsy ho faty, dia izahay sy ianao ary ny zanatsika madinika koa. 9Izaho no hiantoka azy; amin'ny tanako no handraisanao azy; raha tsy ho entiko atỳ aminao ka hatolotro eto anatrehanao izy, dia ho meloka aminao amin'ny andro rehetra hiainako aho; 10fa raha tsy nijanonjanona izahay, dia efa tafaverina fanindroany toy izay. 11Ary hoy Isiraely rainy taminy: Raha izany ary no izy, dia izao no ataovy: analao ny vokatra malaza amin'ny tany ka ataovy ao anatin'ny fitondran-entanareo, dia ento midina haterina ho an-dralehilahy, dia balsama kely sy tantely kely, ditin-kazo nekota sy lota sy pistakia ary amygdala; 12ary mitondra vola toraka ny teo eny an-tananareo; ary ilay vola izay naverina teo am-bavan'ny lasakanareo dia ento miverina indray; angamba fahadisoana izany. 13Ary ny rahalahinareo ento ihany; dia miainga ka miverena indray ho any amin-dralehilahy; 14ary Andriamanitra Tsitoha anie hampahita famindram-po anareo eo anatrehan-dralehilahy, mba hampodiny ny rahalahinareo anankiray sy Benjamina. Ary izaho, raha foanana anaka aho, dia foana anaka ihany. 15Dia nentin'ireo lehilahy ireo ny zavatra hateriny, ary vola indroa toraka ny teo koa no nentiny teny an-tànany mbamin'i Benjamina; ary niainga izy, dia nidina tany Egypta ka tonga teo anatrehan'i Josefa. ¶ 16Ary Josefa, raha nahita an'i Benjamina niaraka taminy, dia nanao tamin'ny mpikarakara ny tao an-tranony hoe: Ampidiro atsy an-trano ireo lehilahy ireo, dia amonoy zavatra izy ka anaovy nahandro; fa hiara-mihinana amiko izy raha mitataovovonana ny andro. 17Dia nataon-dralehilahy araka izay nandidian'i Josefa; ka nampidirin-dralehilahy tao an-tranon'i Josefa ireo. 18Dia raiki-tahotra ireo lehilahy ireo, satria nampidirina tao an-tranon'i Josefa, ka hoy izy: Maintsy ilay vola naverina tao anatin'ny lasakantsika fahiny va no nampidirana antsika, hivarinany amintsika sy hianjerany amintsika! dia halainy ho andevo isika, ary halainy koa ny borikintsika. 19Dia nanatona an-dralehilahy, mpikarakara ny tao an-tranon'i Josefa, izy ka niteny taminy teo am-baravaran'ny trano nanao hoe: 20Mba henoy kely izahay, tompokolahy: nidina hividy hanina tokoa izahay fahiny: 21ary rehefa tonga teo amin'izay nandrianay izahay, dia nosokafanay ny lasakanay, ka indreo ny volanay isan-dahy teo am-bavan'ny lasakanay avy, tonga lanja avokoa ny volanay; ary efa nentinay niverina eto an-tananay izany. 22Ary nitondra vola hafa koa eto an-tananay izahay hamidy hanina: tsy fantatray izay nanao ny volanay tao anatin'ny lasakanay. 23Ary hoy izy: Matokia ianareo, fa aza matahotra; Andriamanitrareo, dia Andriamanitry ny rainareo, no nanome anareo harena tao anatin'ny lasakanareo; ny volanareo dia efa tonga tatỳ amiko ihany. Dia namoaka an'i Simeona ho eo aminy izy. 24Ary nampidirin-dralehilahy tao an-tranon'i Josefa ireo olona ireo ka nomeny rano, dia nanasa tongotra izy, ary ny borikiny nomeny hanina koa. 25Dia nandamina ny zavatra hateriny izy mandra-pihavin'i Josefa rehefa mitataovovonana ny andro; fa efa reny fa eo no hihinanany hanina. 26Ary rehefa tonga tao an-trano Josefa, dia nampidirin'izy mirahalahy avy ho ao an-trano mba hatolotra azy ireo zavatra efa nentiny, dia niankohoka tamin'ny tany teo anatrehany izy. 27Ary Josefa nanontany ny toeny ka nanao hoe: Tsara ihany va ny rainareo, ilay lahy antitra nolazainareo? mbola velona ihany va izy? 28Dia hoy izy: Tsara ihany ny mpanomponao rainay; mbola velona ihany izy. Dia niondrika izy ireo ka niankohoka. 29Ary Josefa nanopy ny masony ka nahita an'i Benjamina rahalahiny, zanakalahin'ny reniny, dia hoy izy: Io va no zandrinareo faralahy, izay nolazainareo tamiko? Sady hoy koa izy: Andriamanitra anie hanisy soa anao, anaka 30Dia niala faingana Josefa, fa nangorakoraka ny fony noho ny rahalahiny, ka nitady izay hitomaniany izy; dia niditra tao an-efi-trano izy ka nitomany tao. 31Ary rehefa nanasa ny tavany izy, dia nivoaka; ary nanindry ny fangorakoraky ny fony izy ka nanao hoe: Ento ny nahandro. 32Dia narosony mitokana ny ho an'i Josefa, ary mitokana ny ho an'ny rahalahiny, ary mitokana koa ny ho an'ny Egyptiana izay nihinana teo aminy, satria ny Egyptiana tsy mahazo miara-komana amin'ny Hebreo, fa fahavetavetana amin'ny Egyptiana izany. 33Dia nipetraka teo anatrehany izy, ny lahimatoa araka ny fizokiany, ary ny faralahy araka ny fizandriany; dia samy talanjona ka nifampijerijery izy. 34Ary samy nitondrana anjara-hanina avy teo anoloan'i Josefa izy mirahalahy avy; kanefa ny anjara-hanin'i Benjamina dia indimy toraka ny anjaran-drery tamin'izy rehetra. Dia niara-nisotro sy nivoky divay teo aminy izy. ¶