1 Ary Josefa nentina nidina ho any Egypta; ary Potifara, lehilahy Egyptiana, tandapan'i Farao sady mpifehy ny mpiambina, no nividy azy tamin'ny Isimaelita, izay nitondra azy nidina tany. 2Ary Jehovah nomba an'i Josefa, dia lehilahy nambinina izy; ary nitoetra tao an-tranon'ilay Egyptiana tompony izy. 3Ary hitan'ny tompony fa nomban'i Jehovah izy, ka izay rehetra natao­ny dia nambinin'i Jehovah avokoa teo aminy. 4Ary Josefa nahita fitia teo imason'ny tompony, ka dia nanompo azy; dia notendreny ho mpikarakara ny tao an-tranony, ary izay rehetra nananany dia natolony ho andraikiny. 5Ary hatramin'izay nanendreny azy ho mpikarakara ny tao an-tranony mbamin'izay rehetra nananany dia notahin'i Jehovah ny tranon'ilay Egyptiana noho ny amin'i Josefa; ary ny fitahian'i Jehovah nomba izay rehetra nananany, na ny tao an-trano, na ny tany an-tsaha. 6Dia navelany ho andraikitr'i Josefa izay rehetra nananany; ary izy tsy nihevitra intsony izay rehetra nananany na inona na inona afa-tsy ny hanin-kohaniny ihany. Ary Josefa dia bikàna sady tsara tarehy. ¶ 7Ary taorian'izany ny vadin'ny tompony nanopy ny masony hijery an'i Josefa ka nanao hoe: Avia handry amiko. 8Dia nandà izy ka nanao tamin'ny vadin'ny tompony hoe: Indro, ny tompoko tsy mahalala izay tandremako ato an-trano, fa izay rehetra ananany dia efa natolony ho andraikitro avokoa. 9Tsy misy lehibe noho izaho raha amin'ity trano ity, ary tsy misy zavatra narovany amiko afa-tsy ianao ihany, satria vadiny ianao; koa hataoko ahoana no hanao izany, ratsy lehibe izany ka hanota amin'Andriamanitra? 10Ary na dia niteny tamin'i Josefa isan'andro aza ravehivavy, dia tsy nety nanaiky azy handry aminy izy na hiara-mitoetra aminy. 11Ary tamin'ny indray andro dia niditra tao an-trano Josefa hanao ny raharahany; ary sendra tsy nisy mpanompo tao an-trano tamin'izay. 12Dia nisambotra azy tamin'ny akanjony ravehivavy ka nanao hoe : Avia handry amiko; fa navelan'i Josefa teo an-tànany ny akanjony, dia nandositra izy ka nivoaka teny ala-trano. 13Ary rehefa hitan-dravehivavy fa navelany teo an-tànany ny akanjony, sady lasa nandositra any ala-trano izy, 14dia niantso ny mpanompo izy ka nilaza taminy hoe: Indro, efa nampiditra lehilahy Hebreo tato amintsika hisangy antsika izy; nanatona ahy mba handry amiko iny, dia niantso tamin'ny feo mahery aho; 15ary nony reny fa nanandratra ny feoko aho ka niantso, dia navelany teto anilako ny akanjony, ary nandositra iny ka lasa any ala-trano. 16Dia napetra-dravehivavy teo anilany ny akanjon'i Josefa, mandra-pahatongan'ny tompony tao an-trano. 17Dia nilaza taminy izy araka ireo teny ireo ka nanao hoe: Nanatona ahy ilay andevolahy Hebreo, izay nentinao ho eto amintsika, mba hisangy ahy; 18ary rehefa nanandratra ny feoko aho ka niantso, dia navelany eto anilako ny akanjony, ka lasa nandositra any ala-trano izy. 19Ary rehefa ren'ny tompony ny tenin'ny vadiny, izay niteny taminy ka nanao hoe: Araka ireo teny ireo no nataon'ilay andevolahinao tamiko, dia nirehitra ny fahatezerany. 20Ary ny tompon'i Josefa dia naka azy ka nanao azy tao an-trano-maizina, izay fitoeran'ny mpifatotra diso tamin'ny mpanjaka; dia nitoetra tao an-trano-maizina izy. 21Nefa Jehovah nomba an'i Josefa sy namindra fo taminy ka nampahita fitia azy teo imason'ny mpitandrina ny trano-maizina. 22Dia natolotry ny mpitandrina ny trano-maizina ho andraikitr'i Josefa ny mpifatotra rehetra izay tao an-trano-maizina; ary izay rehetra nataony tao dia izy no antony. 23Ny mpitandrina ny trano-maizina tsy mba nikarakara na inona na inona izay efa mby an-tànany, satria Jehovah nomba an'i Josefa, ary izay nataony dia nambinin'i Jehovah. ¶