1 Ary izao no taranak'i Esao (Edoma izany): 2Esao naka vady tamin'ny zanakavavin'ny Kananita, dia Ada, zanak'i Elona Hetita, sy Oholibama, zanak'i Ana, zanakavavin'i Zibona Hivita, 3ary Basemata, zanakavavin'Isimaela sady anabavin'i Nebaiota. 4Ary Ada niteraka an'i Elifaza tamin'i Esao; ary Basemata niteraka an'i Regoela; 5ary Oholibama niteraka an'i Jeosy sy Jalama ary Kora. Ireo no zanak'i Esao, izay naterany tany amin'ny tany Kanana. 6Dia nentin'i Esao ny vadiny sy ny zananilahy sy ny zananivavy sy ny olona rehetra tao an-tranony sy ny omby aman'ondriny sy ny biby fiompiny rehetra, mbamin'ny fananany rehetra izay efa nohariny tany amin'ny tany Kanana, ka dia lasa nankany amin'izay tany hialana eo anatrehan'i Jakoba rahalahiny. 7Fa samy be loatra ny haren'izy mirahalahy, ka tsy mba nahazo niray monina izy; ary tsy omby azy ny tany fivahiniany, noho ny omby aman ondriny. 8Koa nonina tany an-tendrombohitra Seira Esao. (Edoma izany). 9Ary izao no taranak'i Esao, rain'ny Edomita any an-tendrombohitra Seira: 10Ny anaran'ny zanakalahin'i Esao dia izao: Elifaza, zanak'i Ada, vadin'i Esao, sy Regoela, zanak'i Basemata, vadin'i Esao. 11Ary ny zanakalahin'i Elifaza dia Temana sy Omara sy Zefo sy Gatama ary Kenaza. 12Ary Timna no vaditsindranon'i Elifaza, zanakalahin'i Esao; ary niteraka an'i Amaleka tamin'i Elifaza izy. Ireo no zanakalahin'i Ada, vadin'i Esao. 13Ary izao no zanakalahin'i Regoela: Nahata sy Zera sy Sama ary Miza; ireo no zanakalahin'i Basemata, vadin'i Esao. 14Ary izao no zanakalahin'i Oholibama, zanakavavin'i Ana, zanakavavin'i Zibona, vadin'i Esao: niteraka an'i Jeosy sy Jalama ary Kora tamin'i Esao izy. ¶ 15Izao no loham-pirenena tamin'ny taranak'i Esao: ny zanakalahin'i Elifaza, lahimatoan'i Esao, dia Temana loham-pireneny sy Omara loham-pireneny sy Zefo loham-pireneny sy Kenaza loham-pireneny 16sy Kora loham-pireneny sy Gatama loham-pireneny ary Amaleka loham-pireneny. Ireo no loham-pireneny avy tamin'i Elifaza tany amin'ny tany Edoma; ireo no zanak'i Ada. 17Ary izao no zanakalahin'i Regoela, zanak'i Esao: Nahata loham-pireneny sy Zera loham-pireneny sy Sama loham-pireneny sy Miza loham-pireneny. Ireo no loham-pirenena avy tamin'i Regoela tany amin'ny tany Edoma; ireo no zanak'i Basemata, vadin'i Esao. 18Ary izao no zanakalahin'i Oholibama, vadin'i Esao: Jeosy loham-pireneny sy Jalama loham-pireneny sy Kora loham-pireneny. Ireo no loham-pirenena avy tamin'i Oholibama, zanakavavin'i Ana, vadin'i Esao. 19Ireo no zanak'i Esao, izay atao hoe koa Edoma, ary ireo no loham-pireneny. 20Ary izao no zanakalahin'i Seïra Horita, izay nonina tany amin'ny tany: Lotana sy Sobala sy Zibona sy Ana 21sy Disona sy Ezera ary Disana. Ireo no loham-pirenena tamin'ny Horita, dia ny taranak'i Seïra, tany amin'ny tany Edoma. 22Ary ny zanakalahin'i Lotana dia Hory sy Hemana; ary Timna no anabavin'i Lotana. 23Ary izao no zanakalahin'i Sobala: Alvana sy Manahata sy Ebala sy Sefo ary Onama. 24Ary izao no zanakalahin'i Zibona: Aia sy Ana (izany Ana izany ilay nahita ny ranomafana tany an-efitra, raha niandry ny borikin'i Zibona rainy izy). 25Ary izao no zanak'i Ana: Disona sy Oholibama, zanakavavin'i Ana. 26Ary izao no zanakalahin'i Disona: Hemdana sy Esbana sy Jitrana ary Kerana. 27Ary izao no zanak'i Ezera: Bilana sy Zavana ary Akana. 28Ary izao no zanak'i Disana: Oza sy Arana. 29Ary izao no loham-pirenena tamin'ny Horita: Lotana loham-pireneny sy Sobala loham-pireneny sy Zibona loham-pireneny sy Ana loham-pireneny 30sy Disona loham-pireneny sy Ezera loham-pireneny ary Disana loham-pireneny. Ireo no loham-pirenena tamin'ny Horita, dia ny loham-pireneny tany amin'ny tany Seïra. ¶ 31Ary izao no mpanjaka izay nanjaka tany amin'ny tany Edoma, fony tsy mbola nisy mpanjaka nanjaka tamin'ny Zanak'Isiraely: 32Nanjaka tany Edoma Bela, zanak'i Beora; ary Dinaba no anaran'ny tanànany. 33Ary maty Bela, dia nanjaka nandimby azy Jobaba, zanak'i Zera avy tany Bozra. 34Ary maty Jobaba, dia nanjaka nandimby azy Hosama avy tamin'ny tanin'ny Temanita. 35Ary maty Hosama, dia nanjaka nandimby azy Hadada, zanak'i Bedada, izay namely ny Midianita tany amin'ny tany Moaba; ary Avita no anaran'ny tanànany. 36Ary maty Hadada, dia nanjaka nandimby azy Samla avy tany Masreka. 37Ary maty Samla, dia nanjaka nandimby azy Saoly avy tany Rehobota eo amoron'ny Ony. 38Ary maty Saoly, dia nanjaka nandimby azy Bala-hanana, zanak'i Akbora. 39Ary maty Bala-hanana, zanak'i Akbora; dia nanjaka nandimby azy Hadara; ary Pao no anaran'ny tanànany; ary ny anaran'ny vadiny dia Mehetabela, zanakavavin'i Matreda, zanakavavin'i Me-zahaba. 40Ary izao no anaran'ny loham-pirenena tamin'ny taranak'i Esao, araka ny mpianakaviny, araka ny fonenany sy araka ny anarany: Timna loham-pireneny sy Alva loham-pireneny sy Jeteta loham-pireneny 41sy Oholibama loham-pireneny sy Elaha loham-pireneny sy Pinona loham-pireneny 42sy Kenaza loham-pireneny sy Temana loham-pireneny sy Mibzara loham-pireneny 43sy Magdiela loham-pireneny ary Irama loham-pireneny. Ireo no loham-pirenena tamin'ny Edomita, araka ny fonenany, tany amin'ny taniny avy. Izany no Esao, rain'ny Edomita. ¶