1 Ary Abrahama nampaka-bady indray, Ketora no anarany. 2Dia niteraka an'i Zimrana sy Joksana sy Medana sy Midiana sy Jisbaka ary Soaha tamin'i Abrahama izy. 3Ary Joksana niteraka an'i Sheba sy Dedana. Ary ny zanakalahin'i Dedana dia Asorima sy Letosima ary Leomima. 4Ary ny zanakalahin'i Midiana dia Efaha sy Efera sy Hanoka sy Abida ary Eldaha. Ireo rehetra ireo no zanak'i Ketora. ¶ 5Dia natolotr'i Abrahama an'Isaka izay rehetra nananany. 6Fa ny zanak'ireo vaditsindranony hafa, izay nananan'i Abrahama, dia samy notolorany avy ka nampandehaniny, dieny mbola velona izy, hiala amin'Isaka zanany hiantsinanana ho any amin'ny tany atsinanana. ¶ 7Ary ny andro niainan'i Abrahama dia dimy amby fito-polo amby zato taona. 8Dia niala aina Abrahama ka maty, rehefa fotsy volo tsara sady lahy antitra ela niainana; dia voangona any amin'ny razany izy. 9Ary nalevin'Isaka sy Isimaela zanany izy tao amin'ny zohy ao Makpela, tao amin'ny sahan'i Efrona, zanak'i Zohara Hetita, izay tandrifin'i Mamre, 10dia ilay saha izay novinidin'i Abrahama tamin'ny taranak'i Heta; tao no nandevenana an'i Abrahama sy Saraha vadiny. 11Ary rehefa maty Abrahama, dia notahin'Andriamanitra Isaka zanany; ary Isaka dia nonina teo akaikin'i Bera-lahai-roy. ¶ 13Izao no anaran'ny zanakalahin'Isimaela, araka ny anarany sy araka ny taranany: Nebaiota, lahimatoan'Isimaela, sy Kedara sy Adbela sy Mibsama 14sy Misma sy Doma sy Masa 15sy Hadada sy Tema sy Jetora sy Nafisy ary Kedema. 16Izy ireo no zanakalahin'Isimaela, ary ireo no anarany, araka ny vohiny sy ny tobiny, dia andriana roa ambin'ny folo araka ny fireneny. 17Ary ny andro niainan'Isimaela dia fito amby telo-polo amby zato taona; ary niala aina izy ka maty, dia voangona any amin'ny razany . 18Ary ny taranany nonina hatrany Havila ka hatrany Sora, izay tandrifin'i Egypta amin'ny lalana mankany Asyria; nifanandrify tamin'ny rahalahiny rehetra no nitoerany. ¶ 20Abrahama niteraka an'Isaka; ary efa-polo taona Isaka, raha nampakatra an-dRebeka, zanakavavin'i Betoela Syriana, avy tany Mesopotamia, sady anabavin'i Labana Syriana. 21Ary Isaka nangataka tamin'i Jehovah ho an'ny vadiny, satria momba izy; ary nohenoin'i Jehovah ny fangatahany, dia nanan'anaka Rebeka vadiny. 22Ary nifanosika ny zaza kambana tao an-kibony; ary hoy Rebeka: Raha izao, nahoana re aho no dia mbola velona? Dia lasa nanontany tamin'i Jehovah izy. 23Ary hoy Jehovah taminy: Firenena roa no ao an-kibonao; ary vahoaka roa toko no hisaraka hatrao am-bohokanao; ary ny vahoaka iray toko hahery noho ny iray toko. Ka ny zokiny hanompo ny zandriny. 24Ary rehefa tonga ny andro hahaterahany, indreo, nisy zaza kambana tao an-kibony. 25Dia teraka ny voalohany ka mena, ary tahaka ny kapôty volom-biby ny tenany rehetra; dia nataony hoe Esao ny anarany. 26Ary rehefa afaka izany, dia teraka koa ny rahalahiny, ary ny tànany nihazona ny ombelahin-tongotr'i Esao, dia nataony hoe Jakoba ny anarany; ary efa enim-polo taona Isaka tamin'ny niterahana azy mirahalahy. 27Dia nitombo ireo zaza ireo; ary Esao lehilahy nahay nihaza, dia mpianefitra, fa Jakoba kosa lehilahy tsara fanahy sady mpitoetra an-day. 28Ary Isaka tia an'i Esao, satria nankafy ny hazany; fa Rebeka kosa tia an'i Jakoba. 29Ary nahandro hanina Jakoba; ary sendra avy tany an-tsaha Esao ka reraka. 30Dia hoy Esao tamin'i Jakoba: Mba anomezo ahy hohaniko ny mena, dia io mena io, fa reraka aho (izany no nanaovana ny anarany hoe Edoma). 31Fa hoy Jakoba: Amidio amiko ary aloha ny fizokianao. 32Dia hoy kosa Esao: Indro, ho faty ihany aho; ka mahasoa inona izay fizokiana? 33Ary hoy Jakoba: Mianiana ary amiko aloha. Dia nianiana taminy izy; ka dia namidiny tamin'i Jakoba ny fizokiany. 34Ary Jakoba nanome an'i Esao mofo sy voanemba masaka; dia nihinana sy nisotro izy, ary niainga ka lasa nandeha. Izany no nanamavoan'i Esao ny fizokiany. ¶