1 Ary izao no taranaky ny zanakalahin'i Noa, dia Sema sy Hama ary Jafeta: Samy niteraka zazalahy avy izy taorian'ny safo-drano. ¶ 2Ny zanakalahin'i Jafeta dia Gomera sy Magoga sy Maday sy Javana sy Tobala sy Maseka ary Tirasa. 3Ary ny zanakalahin'i Gomera dia Askenaza sy Rifata ary Togarma. 4Ary ny zanakalahin'i Javana dia Elisaha sy Tarsisy sy ny Kitima sy ny Dodanita. 5Avy tamin'ireo no niavakavahan'ny nosin'ny firenena tany amin'ny taniny, dia samy araka ny fiteniny avy, araka ny mpianakaviny avy, tamin'ny fireneny avy. 6Ary ny zanakalahin'i Hama dia Kosy sy Mizraima sy Pota ary Kanana. 7Ary ny zanakalahin'i Kosy dia Seba sy Havila sy Sabta sy Ragama ary Sabteka; ary ny zanakalahin'i Ragama dia Seba sy Dedana. 8Ary Kosy niteraka an'i Nimroda; izy no voalohany izay tonga olona mahery tambonin'ny tany. 9Izy dia mpihaza mahery teo anatrehan'i Jehovah, ka izany no nanaovan'ny olona hoe: Tahaka an'i Nimroda, mpihaza mahery eo anatrehan'i Jehovah. 10Ary ny niandohan'ny fanjakany dia Babela sy Ereka sy Akada ary Kalne tany amin'ny tany Sinara. 11Ary nivoaka avy tamin'izany tany izany izy ka nankany Asyria, dia nanorina an'i Ninive mbamin'i Rehobot-ira sy Kala 12ary Resena teo anelanelan'i Ninive sy Kala, dia ilay tanàna lehibe izany. 13Ary Mizraima niteraka ny Lodita sy ny Anamita sy ny Lehabita sy ny Naftohita 14sy ny Patrosita sy ny Kaslohita izay nihavian'ny Filistina ary ny Kaftorita. 15Ary Kanana niteraka an'i Sidona lahimatoany sy Heta, 16ary ny Jebosita , sy ny Amorita sy ny Girgasita 17sy ny Hivita sy ny Arkita sy ny Sinita 18sy ny Arvadita sy ny Zemarita ary ny Hamatita; ary nony taoriana dia niely ny firenen'ny Kananita. 19Ary ny fari-tanin'ny Kananita dia hatrany Sidona ka hatrany Gaza ao akaikin'i Gerara, ka hatrany Lesa ao akaikin'i Sodoma sy Gomora sy Adma ary Zeboima. 20Ireo no zanak'i Hama, araka ny mpianakaviny, araka ny fiteniny, amin'ny taniny, amin'ny fireneny. 21Dia niteraka koa Sema, rain'ny zanak'i Ebera rehetra rahalahin'i Jafeta, izay zokiny. 22Ny zanakalahin'i Sema dia Elama sy Asyra sy Arpaksada sy Loda ary Arama. 23Ary ny zanakalahin'i Arama dia Oza sy Hola sy Gatera ary Masy. 24Ary Arpaksada niteraka an'i Sela; ary Sela niteraka an'i Ebera. 25Ary Ebera niteraka roa lahy: ny anaran'ny iray natao hoe Palega, satria tamin'ny androny no nizarana ny tany; ary Joktana no anaran'ny rahalahiny. 26Ary Joktana niteraka an'i Almodada sy Salefa sy Hazarmaveta sy Jera 27sy Hadorama sy Ozala sy Dikla 28sy Obala sy Abimaela sy Sheba 29sy Ofira sy Havila ary Jobaba; ireo rehetra ireo no zanakalahin'i Joktana. 30Ary ny fonenan'ireo dia hatrany Mesa ao akaikin'i Sefara, tendrombohitra atsinanana. 31Ireo no zanak'i Sema, araka ny mpianakaviny, araka ny fiteniny, amin'ny taniny, araka ny fireneny. 32Ireo no mpianakavin'ny zanak'i Noa, araka ny taranany, amin'ny fireneny; ary avy tamin'ireo no niavakavahan'ny firenena tambonin'ny tany taorian'ny safo-drano. ¶