1Ho amin'ny fahafahana no nanafahan'i Kristy antsika; ka tomoera tsara, fa aza mety hohazonin'ny zioga fanandevozana intsony. ¶ 3Ary lazaiko marina indray amin'ny olona manaiky hoforana rehetra fa mpitrosa tsy maintsy mankatò ny lalàna rehetra izy. 4Dia tafasaraka amin'i Kristy ianareo na iza na iza izay mitady hohamarinina amin'ny lalàna; efa lavo niala tamin'ny fahasoavana ianareo. 5Fa izahay amin'ny Fanahy sy noho ny finoana dia miandry ny fanantenana ny fahamarinana. 6Fa ao amin'i Kristy Jesosy dia tsy mahasoa na ny famorana na ny tsi-famorana, fa ny finoana izay miasa amin'ny fitiavana. 7Hianareo nihazakazaka tsara, iza no nisakana anareo tsy hanaiky ny marina? 8Izany fitaomana izany dia tsy avy tamin'ilay miantso anareo. 9Ny masirasira kely dia mahatonga ny vongana rehetra ho masirasira avokoa. 10Izaho matoky anareo ao amin'ny Tompo fa tsy hisaina zavatra hafa akory ianareo; fa ilay mampitabataba anareo no hiharan'ny fanamelohana, na zovy na zovy izy. ¶ 11Fa izaho, ry rahalahy, raha mbola mitory ny famorana ihany, nahoana aho no mbola enjehina? Dia afaka tokoa ny fahatafintohinana noho ny hazo fijaliana. 12Enga anie ka hiesotra aza izay mampitabataba anareo. 13Fa efa nantsoina ho amin'ny fahafahana ianareo, ry rahalahy; kanefa aoka tsy ho entinareo hanaraka ny nofo izany fahafahana izany, fa mifampanompoa amin'ny fitiavana. 14Fa tanteraka amin'ny teny iray ihany ny lalàna rehetra, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19. 18). 15Fa raha mifandramatra sy mifampihinana ianareo, tandremo fandrao mifandringana. 16Fa hoy izaho: Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan'ny nofo ianareo. 17Fa ny nofo manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo; ary mifanohitra izy roroa, mba tsy hahazoanaroeo manao izay zavatra tianareo. 18Fa raha tarihin'ny Fanahy ianareo, dia tsy mba ambanin'ny lalàna. 19Fa miharihary ny asan'ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, 20fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana, 21fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy izany, izay lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan'Andriamanitra. 22Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, 23fahalemem-panahy, fahononam-po; tsy misy lalàna manohitra izany. 24Fa izay an'Kristy Jesosy dia efa nanombo ny nofony mbamin'ny faniriany sy ny filany tamin'ny hazo fijaliana. 25Raha velon'ny Fanahy isika, dia aoka handeha araka ny Fanahy. 26Aoka isika tsy handrani-tena foana ka hifampihaika sy hifampialona. ¶