1 Ary nony ren'ny fahavalon'ny Joda sy ny Benjamina fa ireo efa nody avy tamin'ny fahababoana dia efa manao tempoly ho an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, 2dia nanatona an'i Zerobabela sy ny lohan'ny fianakaviana izy ka nanao taminy hoe: Aoka mba hiara-manao aminareo izahay, fa mitady an'Andriamanitrareo tahaka anareo ihany koa izahay, ary ho Azy no namonoanay zavatra hatao fanatitra hatramin'ny andron'i Esara-hadona, mpanjakan'i Asyria, izay efa nampakatra anay ho atỳ. 3Fa Zerobabela sy Jesoa mbamin'ny namany lohan'ny fianakaviana tamin'ny Isiraely namaly azy hoe: Tsy misy raharaha hikambananareo aminay amin'ny hanaovana trano ho an'Andriamanitray; fa izahay ihany no hanao trano ho an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, araka izay efa nandidian'itompokolahy Kyrosy, mpanjakan'i Persia, anay. 4Ary ny tompon-tany nanao izay hampiraviravy tanana ny Jiosy sy nandevilevy azy mba tsy hanao ny trano 5sady nanamby olona hanome hevitra hanohitra azy hahafoana ny heviny hatramin'ny andro nanjakan'i Kyrosy tany Persia ka hatramin'ny nanjakan'i Dariosy, mpanjakan'i Persia. ¶ 6Ary raha vao nanjaka Ahasoerosy, dia nanoratra ho any aminy ireo hanendrikendrika ny mponina tany Joda sy Jerosalema. 7Ary tamin'ny andron'i Artaksersesy no nanoratan'i Bislama sy Mitredata sy Tabela mbamin'ny namany sisa ho any amin'i Artaksersesy, mpanjakan'i Persia; ary ny soratra tamin'ny taratasy dia nataony tarehin-tsoratra Syriana sady nataony teny Syriana koa. 8Rehoma mpanolo-tsaina sy Simsay mpanoratra dia nanoratra taratasy ho any amin'i Artaksersesy mpanjaka hanendrikendrika an'i Jerosalema toy izao: 9Rehoma mpanolo-tsaina sy Simsay mpanoratra ary ny namany sisa, dia ny Dinaita, ny Afarsatkita, ny Tarpelita, ny Afarsaita, ny Arkevita, ny Babyloniana, ny Sosanita, ny Dehavita sy ny Elamita, 10mbamin'ny firenena sisa izay nentin'i Asnapara lehibe sady malaza ho babo, ka namponeniny tany an-tanàna Samaria sy tany amin'ny tany sasany etỳ an-dafin'ny ony etỳ... 11Izao no teny amin'ny taratasy nampitondrainy ho any amin'i Artaksersesy mpanjaka: Ny lehilahy mpanomponao etỳ an-dafin'ny ony etỳ ..... 12Aoka ho fantatry ny mpanjaka fa ny Jiosy, izay niakatra avy tany aminao hankatỳ aminay, dia efa tonga any Jerosalema ka manamboatra ilay tanàna fikomiana sady ratsy, dia mahavita ny mandany izy izao ary manamboatra ny fanorenany koa. 13Koa aoka ho fantatry ny mpanjaka fa raha hatao io tanàna io, ka hatsangana indray ny mandany, dia tsy hety handoa hetra, na haba, na sara, izy; ka dia hahatonga fatiantoka ho an'ny fanjakana izany any aoriana. 14Koa satria mahazo ny fivelomanay avy amin'ny lapan'ny mpanjaka izahay, dia tsy mety raha odianay tsy hita ny fatiantoky ny fanjakana, ka dia efa naniraka hampahafantatra ny mpanjaka izany izahay, 15mba hizahana ny boky tantaran'ny razanao; dia ho hitanao eo amin'ny boky tantara, ka ho fantatrao fa tanàna fikomiana io tanàna io ka naha-fatiantoka ny mpanjaka sy ny tany maro, sady efa nisy fikomiana niseho tao hatrizay ela izay; koa izany no nandravana io tanàna io. 16Ary mampahafantatra ny mpanjaka izahay fa raha hamboarina io tanàna io, ka vita ny mandany, dia tsy hanana fanjakana amin'ny etỳ an-dafin'ny ony etỳ intsony ianao. 17Dia nampitondrain'ny mpanjaka ny valiny ho any amin-dRehoma mpanolo-tsaina sy Simsay mpanoratra mbamin'ny namany sisa izay nonina tany Samaria sy tany amin'ny tanàna sasany an-dafin'ny ony, nanao hoe: Fiadanana ..... 18Ny taratasy izay nampitondrainareo ho atỳ aminay dia efa voavaky tsara teo anatrehako; 19ary izaho nandidy, ka nasaiko nizahana, dia hita fa nanandra-tena nikomy tamin'ny mpanjaka maro hatrizay ela izay tokoa io tanàna io, ka nisy fikomiana sy fihodinana niseho teo. 20Ary efa nisy mpanjaka mahery izay nanjaka tany Jerosalema nanapaka ny tany rehetra any an-dafin'ny ony ka nandoavana hetra sy haba ary sara. 21Koa dia manaova didy hampitsahatra ireo olona ireo, mba tsy hamboarina io tanàna io, raha tsy mahazo teny avy atỳ amiko. 22Ary tandremo tsara, fandrao misy tsy vitanareo izany; fa nahoana no havela handroso ny ratsy ka hahatonga fatiantoka ho an'ny fanjakana? 23Ary rehefa voavaky teo anatrehan-dRehoma mpanolo-tsaina sy Simsay mpanoratra mbamin'ny namany ny taratasin'i Artaksersesy mpanjaka, dia niakatra faingana ho any Jerosalema ho any amin'ny Jiosy izy ka nampitsahatra azy an-keriny. 24Dia natsahatra tsy natao ny tranon'Andriamanitra, izay tany Jerosalema; ary mbola nitsahatra ihany izany hatramin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariosy, mpanjakan'i Persia. ¶