1 Ary izao no olona amin'izany tany izany izay niakatra avy amin'ny fahababoana, izay nobaboin'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, ka nentiny ho any Babylona, ary niverina ho any Jerosalema sy Joda, samy ho any an-tanànany avy, 2dia ny olona izay niaraka tamin'i Zerobabela sy Jesoa sy Nehemia sy Seraia sy Relaia sy Mordekay sy Bilsana sy Mispara sy Bigvay sy Rehoma ary Bana. Ary ny isan'ny lehilahy tamin'ny Isiraely dia izao: ¶ 3Ny taranak'i Parosy dia roa amby fito-polo amby zato sy roa arivo; 4ny taranak'i Sefatia dia roa amby fito-polo amby telon-jato; 5ny taranak'i Ara dia dimy amby fito-polo amby fiton-jato; 6ny taranak'i Pahatamoaba, avy tamin'ny zanak'i Jesoa sy Joaba, dia roa ambin'ny folo amby valon-jato sy roa arivo; 7ny taranak'i Eliama dia efatra amby dimam-polo amby roan-jato sy arivo; 8ny taranak'i Zato dia dimy amby efa-polo amby sivin-jato; 9ny taranak'i Zakay dia enim-polo amby fiton-jato; 10ny taranak'i Bany dia roa amby efa-polo amby enin-jato; 11ny taranak'i Bebay dia telo amby roa-polo amby enin-jato; 12ny taranak'i Azgada dia roa amby roa-polo amby roan-jato sy arivo; 13ny taranak'i Adonikama dia enina amby enim-polo amby enin-jato; 14ny taranak'i Bigvay dia enina amby dimam-polo sy roa arivo; 15ny taranak'i Adina dia efatra amby dimam-polo amby efa-jato; 16ny taranak'i Atera, avy tamin'i Hezekia, dia valo amby sivi-folo; 17ny taranak'i Bezay dia telo amby roa-polo amby telon-jato; 18ny taranak'i Jora dia roa ambin'ny folo amby zato; 19ny taranak'i Hasoma dia telo amby roa-polo amby roan-jato; 20ny zanak'i Gibara dia dimy amby sivi-folo; 21ny zanak'i Betlehema dia telo amby roa-polo amby zato; 22ny mponina tany Netofa dia enina amby dimam-polo; 23ny mponina tany Anatota dia valo amby roa-polo amby zato; 24ny zanak'i Azmaveta dia roa amby efa-polo; 25ny zanak'i Kiriat-arima sy Kefira ary Berota dia telo amby efa-polo amby fiton-jato; 26ny zanak'i Rama sy Gaba dia iraika amby roa-polo amby enin-jato; 27ny mponina tany Mikmasy dia roa amby roa-polo amby zato; 28ny mponina tany Betela sy Ay dia telo amby roa-polo amby roan-jato; 29ny zanak'i Nebo dia roa amby dimam-polo; 30ny taranak i Magbisy dia enina amby dimam-polo amby zato; 31ny zanak'ilay Elama anankiray dia efatra amby dimam-polo amby roan-jato sy arivo; 32ny taranak'i Harima dia roa-polo amby telon-jato; 33ny zanak'i Loda sy Hadida ary Ono dia dimy amby roa-polo amby fiton-jato; 34ny zanak'i Jeriko dia dimy amby efa-polo amby telon-jato; 35ny zanak'i Sena dia telo-polo amby enin-jato sy telo arivo. ¶ 36Ary ny mpisorona koa dia izao: Ny taranak'i Jedaia, avy tamin'ny mpianakavin'i Jesoa, dia telo amby fito-polo amby sivin-jato; 37ny taranak'Imera dia roa amby dimam-polo sy arivo; 38ny taranak'i Pasora dia fito amby efa-polo amby roan-jato sy arivo; 39ny taranak'i Harima dia fito ambin'ny folo sy arivo. ¶ 40Ary ny Levita koa dia izao: Ny taranak'i Jesoa sy Kadmiela, avy tamin'ny taranak'i Hodavia, dia efatra amby fito-polo. ¶ 41Ary ny mpihira koa dia izao; Ny taranak'i Asafa dia valo amby roa-polo amby zato. ¶ 42Ary ny taranaky ny mpiandry varavarana koa dia izao: Ny taranak'i Saloma, ny taranak'i Atera, ny taranak'i Talmona, ny taranak'i Akoba, ny taranak'i Hatita, ny taranak'i Sobay, dia sivy amby telo-polo amby zato izy rehetra. ¶ 43Ary ny Netinima koa dia izao: Ny taranak'i Ziha, ny taranak'i Hasofa, ny taranak'i Tabaota, 44ny taranak'i Kerosa, ny taranak'i Siaha, ny taranak'i Padona, 45ny taranak'i Lebana, ny taranak'i Hagabaha, ny taranak'i Akoba, 46ny taranak'i Hagaba, ny taranak'i Salmay, ny taranak'i Hanana, 47ny taranak'i Gidela, ny taranak'i Gahara, ny taranak'i Reaia, 48ny taranak'i Rezina, ny taranak'i Nekoda, ny taranak'i Gazama, 49ny taranak'i Oza, ny taranak'i Pasea, ny taranak'i Besay, 50ny taranak'i Asna, ny taranaky ny Meonita, ny taranaky ny Nefisita, 51ny taranak'i Bakboka, ny taranak'i Hakofa, ny taranak'i Harora, 52ny taranak'i Bazlota, ny taranak'i Mehida, ny taranak'i Harsa, 53ny taranak'i Barkosa, ny taranak'i Sisera, ny taranak'i Tema, 54ny taranak'i Nezia, ny taranak'i Hatifa. 55Ary ny taranaky ny mpanompon'i Solomona koa dia izao: Ny taranak'i Sotahy, ny taranak'i Sofereta, ny taranak'i Peroda, 56ny taranak'i Jala, ny taranak'i Darkona, ny taranak'i Gidela, 57ny taranak'i Sefatia, ny taranak'i Hatila, ny taranak'i Pokereta-hazebaima, ny taranak'i Amy. ¶ 58Ny Netinima rehetra sy ny taranaky ny mpanompon'i Solomona dia roa amby sivi-folo amby telon-jato. ¶ 59Ary izao no niakatra avy tany Tela-mela sy Tela-harsa sy Keroba sy Adana ary Imera (fa tsy nahalaza ny fianakaviany sy ny firazanany izy, na avy tamin'ny Isiraely, na tsia): 60ny taranak'i Delaia, ny taranak'i Tobia, ny taranak'i Nekoda, dia roa amby dimam-polo amby enin-jato. 61Ary ny avy tamin'ny taranaky ny mpisorona dia izao: Ny taranak'i Habaia, ny taranak'i Hakoza, ny taranak'i Barzilay; nampaka-bady avy tamin'ny zanakavavin'i Barzilay Gileadita io, ka dia notononina araka ny anarany. 62Ireo no nitady ny soratra filazana ny razany, fa tsy hita izany; dia natao ho tsy madio izy ka nesorina tamin'ny fisoronana. 63Ary ny governora nilaza taminy fa tsy mahazo mihinana ny zavatra masina indrindra izy mandra-pitsangan'izay mpisorona anankiray mitondra ny Orima sy Tomima. 64Ny tontalin'ny olona rehetra dia enim-polo amby telon-jato amby roa arivo sy efatra alina, 65afa-tsy ny ankizilahiny sy ny ankizivaviny fito amby telo-polo amby telon-jato sy fito arivo; ary nisy mpihiralahy sy mpihiravavy roan-jato teo aminy; 66ny soavaliny dia enina amby telo-polo amby fiton-jato; ny ampondrany dia dimy amby efa-polo amby roan-jato; 67ny ramevany dia dimy amby telo -polo amby efa-jato; ny borikiny dia roa-polo amby fiton-jato sy enina arivo. ¶ 68Ary ny sasany tamin'ny lohan'ny fianakaviana, rehefa tonga tao an-tranon'i Jehovah tany Jerosalema, dia nanatitra tamin'ny sitrapo hananganana ny tranon'Andriamanitra eo amin'ilay efa niorenany. 69Nanome araka izay nananany avy izy hanampy ny vola voavory hanaovana ny asa, dia darika volamena arivo sy enina alina ary mane volafotsy dimy arivo ary akanjo-mpisorona zato. 70Ary samy tafapetraka teny an-tanànany avy ny mpisorona sy ny Levita sy ny sasany tamin'ny vahoaka sy ny mpihira sy ny mpiandry varavarana ary ny Netinima, dia ny Isiraely rehetra samy tao an-tanànany avy. ¶