1 Dia nentiny niverina ho eo amin'ny varavaran'ny trano aho; ary, indro,nisy rano niboika avy eo atsinanana eo ambanin'ny tokonan'ny trano; fa manatrika ny atsinanana ny trano, ary ny rano nidina avy teo ambanin'ny lafiny ankavanan'ny trano teo atsimon'ny alitara. 2Dia nentiny nivoaka tamin'ny lalana mankamin'ny vavahady avaratra aho ka nampandehaniny manodidina tamin'ny lalana ivelany, hankany amin'ny vavahady ivelany, dia teo amin'ny lalana manatrika ny atsinanana, ary, indro, nisy rano nipoitra avy teo amin'ny ilany ankavanana. 3Ary nony nandeha niantsinanana ralehilahy, nisy famolaina teny an-tànany, ka nandrefy arivo hakiho izy, dia nampitainy ny rano aho, ka hakitrokely ny rano. 4Ary nandrefy arivo hakiho indray izy, dia nampitainy ny rano aho, ka halohalika ny rano. Ary nandrefy arivo hakiho indray izy, dia nampitainy aho, ka havalahana ny rano. 5Ary nandrefy arivo hakiho indray koa izy, ary efa ony tsy azo itana, fa efa nihalalina ny rano, dia rano holanosina, eny, ony tsy azo itana. 6Dia hoy izy tamiko: Ry zanak'olona, efa hitanao va izany? Dia nitondra ahy niverina ho eny amoron'ny ony izy. 7Ary nony niverina aho, indro, nisy hazo betsaka teny amoron'ny ony, dia teny an-daniny roa. 8Dia hoy izy tamiko: Ity rano ity dia mivoaka hankany amin'ny tany atsinanana, dia midina any amin'ny tani-hay ka miditra eo amin'ny ranomasina; ary rehefa tonga eo an-dranomasina izy, dia sitrana ny rano. 9Ary ny zava-manan'aina rehetra sesehena na aiza na aiza alehan'ny ony tondraka dia ho velona, ka hisy hazandrano sesehena; fa nony tonga ao ity rano ity, dia ho sitrana izy, ary ho velona izay rehetra hidiran'ny ony. 10Ary hisy mpaka hazandrano hitsangana eny amorony hatrany En-jedy ka hatrany En-eglaima; ho famelarana harato izany; ary ny hazandranony ho maro karazana, tahaka ny hazandrano betsaka dia betsaka any amin'ny Ranomasina Lehibe. 11Fa ny honahona sy ny heniheny dia tsy hositranina, fa havela ho sira. 12Ary eny amoron'ny ony, eny an-daniny roa, no anirian'ny hazo rehetra fihinam-boa; tsy halazo ny raviny, na ho lany ny voany; fa hamoa voa vaovao isam-bolana izy, satria mivoaka avy ao amin'ny fitoerana masina ny ranony; ary ho fihinana ny voany, ary ho fanafody ny raviny. ¶ 14Ary samy handova avokoa ianareo rehetra, satria efa nanangan-tanana hanome ity ho an'ny razanareo Aho, ka dia ho azonareo ho lova ity tany ity. ¶ 15Ary izao no faritry ny tany: Ny lafiny avaratra dia hatramin'ny Ranomasina Lehibe amin'ny lalana mankany Hetlona ka hatrany akaikin'i zedada, 16dia Hamata, Berota, Sibraima, izay eo anelanelan'ny faritanin'i Damaskosy sy ny fari-tanin'i Hamata, Hazara afovoany, izay eo an-tsisin'i Haorana. 17Ary ny fari-taniny dia hatramin'ny ranomasina, dia Hazar-enana, fari-tanin'i Damaskosy, ary amin'ny avaratra dia Hamata no fari-taniny. Izany no lafiny avaratra. 18Ary ny lafiny atsinanana hatrany anelanelan'i Haorana sy Damaskosy sy Gileada ary ny tanin'ny Isiraely dia Jordana; hatramin'ny fari-tany ka hatreo amoron'ny ranomasina atsinanana no horefesinareo. Izany no lafiny atsinanana. 19Ary ny lafiny atsimo dia hatrany Tamara dia hatramin'ny ranon'i Meriba any Kadesy sy ny lohasahan-driaka ka hatramin'ny Ranomasina Lehibe. Izany no lafiny atsimo. 20Ny lafiny andrefana koa dia ny Ranomasina Lehibe hatramin'ny faritany ka hatrany akaikin'i Hamata. Izany no lafiny andrefana. 21Hozarainareo ho anareo izany tany izany araka ny firenen'Isiraely. 22Ary amin'ny filokana no hizaranareo azy ho lovanareo sy ny vahiny monina ao aminareo, izay miteraka ao aminareo; ka izy dia hataonareo ho tahaka ny tena zanak'Isiraely; hiara-manao filokana aminareo hiara-mandova amin'ny firenen'Isiraely izy. 23Ary amin'izay firenena hitoeran'ny vahiny dia ao no hanomezanareo azy ny lovany, hoy Jehovah Tompo. ¶