1 Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe: 2Ry zanak'olona, maminania, ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Midradradradrà ianareo! Indrisy ny andro! 3Fa efa antomotra ny andro, eny, antomotra ny andron'i Jehovah, dia andro mandrahona sy fotoana hamaliana ny jentilisa izany. 4Ary hisy sabatra tonga any Egypta sy fangorohoroana fatratra any Etiopia, raha miampatrampatra any Egypta ny voatrabaka; Ary ho lasa ny hareny, sady ho rava ny fanorenany. 5Etiopia sy Libya sy Lydia sy ny olona samy hafa firenena rehetra sy ny Kobiana sy ny zanaky ny tany vita fanekena dia hiaraka ho lavon-tsabatra aminy. 6Izao no lazain'i Jehovah: Ho lavo koa izay manohana an'i Egypta, ary hietry ny fiavonavonan'ny heriny; Hatrany Migdola ka hatrany Syena no ho lavon-tsabatra izy, hoy Jehovah Tompo. 7Ho rava dia ho rava izy, ary ny tanànany ho lao dia ho lao. 8Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah, raha mampirehitra afo any Egypta Aho, ka torotoro izay rehetra manampy azy. 9Amin'izany andro izany dia hisy iraka mivoaka avy amiko handeha an-tsambo hampahatahotra ny Etiopiana izay mitoetra tsy manahinahy, ka dia hangorohoro tahaka ny tamin'ny andro namelezana an'i Egypta izy; Fa, indro, avy izany. 10Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ny tànan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, no ho entiko mahafoana ny horakorak'i Egypta. 11Izy sy ny vahoakany manaraka azy, dia ireo masiaka indrindra amin'ny firenena, no ho entina handrava ny tany; Ary hanatsoaka ny sabany hamely an'i Egypta ireny, ka ho feno faty ny tany. 12Hahatankina an'i Neily sy hivarotra ny tany ho eo an-tànan'ny ratsy fanahy Aho, ary ny tanan'ny fahavalo no ho entiko mandrava ny tany mbamin'izay rehetra ao aminy; Izaho Jehovah no niteny izany. 13Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Horavako koa ny sampy, ary hatsahatro ny andriamani-tsi-izy ao Memfisa; ary tsy hisy mpanjaka intsony amin'ny tany Egypta; 14Handrava an'i Patrosa Aho sy hampirehitra afo any Zoana, ary hotanterahiko ny fitsarana an'i No; 15Hampidina ny fahatezerako amin'i Sina, fiarovana mafy any Egypta, Aho, ary hofongorako ny vahoaka be any No. 16Hampirehitra afo any Egypta Aho; Hiolanolana fatratra Sina noho ny faharariany; Ho banga No, ary Memifisa dia hasian'ny fahavalo antoandro. 17Ny zatovon'i Avena sy Pi-beseta ho lavon-tsabatra, sady ho lasan-ko babo ny ao. 18Any Tapanesa dia ho maizina ny andro, raha tapahiko any ny ziogan'i Egypta, ary hitsahatra ny fiavonavonan'ny heriny; Ho voasaron'ny rahona izy, sady ho lasan-ko babo ny zananivavy. 19Toy izany no hanatanterahako ny fitsarana an'i Egypta; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah. ¶ 21Ry zanak'olona, ny sandrin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, dia efa notorotoroiko, ary he! tsy noharatoina mba ho sitrana izy, na nofehezina lamba, mba hanatanjaka azy hahatan-tsabatra. 22Koa izany no nanaovan'i Jehovah Tompo hoe: Indro, efa hamely an'i Farao, mpanjakan'i Egypta, Aho, ka hotorotoroiko ny sandriny, na ny mbola matanjaka, na ny efa torotoro; Ary hampilatsaka ny sabatra eny an-tànany Aho. 23Dia haeliko ho any amin'ny firenena samy hafa ny Egyptiana, ka hahahako any amin'ny tany samy hafa. 24Fa hampahatanjahiko kosa ny sandrin'ny mpanjakan'i Babylona, ka hataoko eny an-tànany ny sabatro; Fa hotorotoroiko ny sandrin'i Farao, dia hitrona eo anatrehany toy ny fitronan'ny voatrabaka izy. 25Eny, hampahatanjahiko ny sandrin'ny mpanjakan'i Babylona, dia hiraviravy ny sandrin'i Farao: Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah, raha hataoko eny an-tànan'ny mpanjakan'i Babylona ny sabatro, ka haingainy hamelezana ny tany Egypta. 26Dia haeliko ho any amin'ny firenena samy hafa ny Egyptiana ka hahahako any amin'ny tany samy hafa; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah. ¶