1Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, hano izay hitanao, eny, hano ity horonan-taratasy ity, dia mandehana, ka mitenena amin'ny taranak'Isiraely. 2Dia nosokafako ny vavako, ary nafahany ahy izany horonan-taratasy izany. 3Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, vokiso ny kibonao, ary fenoy ny horonan-taratasy omeko anao ity ny tsinainao. Dia nihinana aho, ka, mamy tao am-bavako toy ny tantely izy. ¶ 5Fa tsy ho any amin'ny firenena miboediboedi-piteny sy miboeriboerika no anirahana anao, fa ho any amin'ny taranak'Isiraely ihany; 6tsy ho amin'ny firenena maro, izay miboediboedi-piteny sy miboeriboerika, ka tsy ho azonao ny teniny, fa raha maniraka anao ho amin'ireto Aho, dia hihaino anao izy. 7Fa ny taranak'Isiraely dia tsy mety mihaino anao, satria tsy mety mihaino Ahy izy; fa ny taranak'Isiraely rehetra dia mafy handrina sady madi-po. 8Indro, efa nohamafiko ny tarehinao hiatrika amin'ny tarehiny sy ny handrinao hanandrina ny handriny. 9Ataoko toy ny diamondra ny handrinao, eny, mafy noho ny vatolampy aza; ka aza matahotra azy na mivadi-po noho ny tarehiny, fa taranaka maditra izy. 10Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, ny teny rehetra izay holazaiko aminao dia aoka ho mamin'ny fonao, ka henoy amin'ny sofinao. 11Dia mandehana mankany amin'ny babo, dia ireo zanaky ny firenenao ary mitenena aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo na hihaino izy na tsy hihaino. ¶ 12Ary nisy fanahy nanainga ahy, dia nandre horakoraka be teo ivohoko aho nanao hoe: Isaorana anie ny voninahitr'i Jehovah avy amin'ny fitoerany. 13Ary reko koa ny fikopakopaky ny elatry ny zava-manan'aina, izay nifanendry, sy ny fidilodilotry ny kodia teo anilany sy ny horakoraka be. 14Ary nisy fanahy nanainga ahy ka nitondra ahy, dia lasa aho sady nirehitra tamin'ny fahavontosan'ny fanahiko; ary ny tànan'i Jehovah dia nahery tao amiko. 15Dia tonga tany amin'ny babo tany Telabiba aho, dia teo amin'izay nonina teo amoron'ny ony Kebara, teo amin'izay nipetrahany, ary mandritra ny hafitoana dia tahaka ilay torana iny aho. 16Ary nony afaka ny hafitoana, dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe: 17Ry zanak'olona, efa nataoko mpitily ho an'ny taranak'Isiraely ianao; ka dia hohenoinao ny teny avy amin'ny vavako, ary avy amiko no hananaranao azy. 18Raha hoy Izaho amin'ny ratsy fanahy: Ho faty tokoa ianao! ary tsy mananatra azy ianao, na miteny hananatra ny ratsy fanahy, hialany amin'ny lalany ratsy hamonjena ny ainy, dia ho faty amin'ny helony ihany ilay ratsy fanahy; nefa hadiniko amin'ny tananao ny ràny. 19Fa raha mananatra ny ratsy fanahy kosa ianao, ka izy no tsy mety miala amin'ny faharatsiany sy amin'ny lalany ratsy, dia ho faty amin'ny helony ihany izy; fa ho voavonjinao ny fanahinao. 20Ary koa, raha ny marina miala amin'ny fahamarinany ka manao meloka, ary mametraka fahatafintohinana eo anoloany Aho, dia Ho faty izy; eny noho ny tsy nananaranao azy dia ho faty amin'ny fahotany ihany izy, ary ny fahamarinana izay nataony tsy hotsaroana, nefa kosa hadiniko amin'ny tananao ny ràny. 21Fa raha mananatra ny marina mba tsy hanota ianao, ka tsy manota izy, dia ho velona tokoa izy, satria nino anatra; ary voavonjinao koa ny fanahinao. ¶ 23Dia nitsangana aho ka nivoaka nankany amin'ny lohasaha; ary, indro, nitoetra teo ny voninahitr'i Jehovah tahaka ny voninahitra izay efa hitako teo amoron'ny ony Kebara ihany dia nikarapoka nihohoka aho. 24Ary nisy fanahy tonga tao anatiko ka nampitsangana ahy; dia niteny tamiko Izy ka nanao hoe: Andeha, mirindrina ao anatin'ny tranonao ianao. 25Fa ianao, ry zanak'olona, indro, hasiany fatorana, izay hamatorany anao, ka tsy hahazo mivoaka ho ao aminy ianao. 26Ary hampiraiketiko amin'ny lanilaninao ny lelanao, ka ho moana ianao ary tsy ho mpananatra azy; fa taranaka maditra izy. 27Fa raha miteny aminao Aho, dia hosokafako ny vavanao, ka dia holazainao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Izay mihaino, dia aoka izy hihaino; ary izay tsy mihaino, dia aoka izy tsy hihaino kosa; fa taranaka maditra izy. ¶