1 Ary nisy fanahy nanainga ahy koa, dia nitondra ahy ho eo amin'ny vavahady atsinanana amin'ny tranon'i Jehovah, dia ilay manatrika ny atsinanana; ary, indreo, nisy olona dimy amby roa-polo lahy teo anoloan'ny vavahady; dia hitako teo amin'ireo Jazania, zanak'i Azora, sy Pelatia, zanak'i Benaia, lehiben'ny vahoaka. 2Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, ireo no lehilahy izay mamoron-tsain-dratsy sady manolo-tsain-dratsy eto amin'ity tanàna ity, 3dia izay manao hoe: Mbola lavitra ny hanaovana trano; ity tanàna ity no vilany, ary isika no hena; 4ka dia maminania hamely azy, eny, maminania, ry zanak'olona. 5Ary tonga tao amiko ny Fanahin'i Jehovah, ka hoy Izy tamiko: Lazao hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Izany no fiteninareo, ry taranak'Isiraely, ary fantatro izay rehetra ao an-tsainareo. 6Hianareo efa nahamaro ny voavononareo teto amin'ity tanàna ity, ary ny lalambeny efa nofenoinareo faty. 7Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ny voavononareo, izay nataonareo tao aminy, no hena, ary ity tanàna ity no vilany; nefa havoaka avy ao aminy ianareo. 8Natahotra ny sabatra ianareo; nefa hataoko mahatratra anareo ihany ny sabatra, hoy Jehovah Tompo. 9Ary havoakako avy ato aminy ianareo ka hatolotro ho eny an-tànan'ny hafa firenena, ary hanao fitsarana aminareo Aho. 10Ho lavon'ny sabatra ianareo; any amin'ny sisin-tanin'ny Isiraely no hitsarako anareo, ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah. 11Ity tanàna ity tsy ho vilaninareo, ary ianareo tsy ho hena ato anatiny; fa any amin'ny sisin-tanin'ny Isiraely no hitsarako anareo 12ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, satria tsy nandeha araka ny lalàko ianareo na nanaraka ny fitsipiko, fa araka ny fitsipiky ny jentilisa izay manodidina anareo ihany no nataonareo. 13Ary raha mbola naminany aho, dia maty Pelatia, zanak'i Benaia. Dia niankohoka aho ka nitaraina tamin'ny feo mahery nanao hoe: Indrisy! Jehovah Tompo ô, holevoninao va ny hany sisa amin'ny Isiraely? 14Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe: 15Ry zanak'olona, ny rahalahinao, eny, ny rahalahinao no andraikitrao, dia ny taranak'Isiraely rehetra, izay nitenenan'ny mponina any Jerosalema hoe: Manalavira an'i Jehovah; izahay no nomena ity tany ity ho lova. 16Koa lazao hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Na dia nampandehaniko lavitra any amin'ny jentilisa aza izy ka naeliko tany amin'ny tany maro, dia ho fitoerana masina ho azy vetivety Aho any amin'ny tany izay alehany. 17Koa lazao hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Hovoriko avy any amin'ny firenena ianareo, ary hangoniko avy any amin'ny tany izay nampielezana anareo, ka homeko ny tanin'ny Isiraely ianareo. 18Ary ho tonga ao izy ka hanaisotra ny zava-dratsiny rehetra sy ny fahavetavetany rehetra. 19Dia homeko fo iray izy, ary hasiako fanahy vaovao ao anatinareo; ary hesoriko amin'ny nofony ny fo vato, ka homeko fo nofo izy, 20mba handehanany araka ny didiko sy hitandremany ny fitsipiko ka hanarahany izany, ary izy dia ho oloko, ary Izaho ho Andriamaniny. 21Fa ny amin'izay manana fo manina ny zava-dratsiny sy ny fahavetavetany, dia hatsingeriko ho eo an-dohany ihany ny nataony, hoy Jehovah Tompo. 22Dia nasandratry ny kerobima ny elany sy ny kodia teo anilany; ary ny voninahitr'Andriamanitry ny Isiraely no teo amboniny. 23Ary ny voninahitr'i Jehovah niakatra niala tao amin'ny tanàna ka nijanona teo an-tampon'ny tendrombohitra atsinanan'ny tanàna. 24Dia nisy fanahy nanainga ahy tamin'ny fahitana, dia tamin'ny Fanahin'Andriamanitra, ka nitondra ahy ho any Kaldea ho any amin'ny babo. Dia niakatra niala tamiko ny fahitana izay efa hitako. 25Ary nolazaiko tamin'ny babo ny teny rehetra izay nasehon'i Jehovah ahy. ¶