1Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Ankehitriny ho hitanao izay hataoko amin'i Farao; fa ny tanako mahery no handefasany azy, ary ny tanako mahery no handroahany azy amin'ny taniny. ¶ 3ary tamin'ny anarako hoe ANDRIAMANITRA TSITOHA no nisehoako tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, fa ny anarako hoe JEHOVAH tsy mbola nahafantarany Ahy, 4Ary naoriko taminy koa ny fanekeko hanomezako azy ny tany Kanana, dia ny tany fivahiniany izay efa nivahiniany. 5Ary koa, Izaho efa nandre ny fitarainan'ny Zanak'Isiraely, izay ampanompoin'ny Egyptiana, ka dia tsaroako ny fanekeko. 6Koa lazao amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Izaho no Jehovah, ary hitondra anareo hivoaka ho afaka amin'ny fanompoana mafy ampanaovin'ny Egyptiana anareo Aho ka hanafaka anareo amin'ny fanompoana azy; ary sandry ahinjitra sy fitsarana lehibe no hamonjeko anareo. 7Dia halaiko ho Ahy ianareo ho oloko, ary ho Andriamanitrareo Aho; dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay mitondra anareo mivoaka ho afaka amin'ny fanompoana mafy ampanaovin'ny Egyptiana anareo. 8Ary Izaho hampiditra anareo any amin'ny tany izay nananganako tanàna homena an'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba; dia homeko ho lovanareo izany: Izaho no Jehovah. 9Ary Mosesy nilaza izany tamin'ny Zanak'Isiraely; nefa izy tsy nihaino an'i Mosesy noho ny fahoriam-panahy sy ny fanompoana mafy. 10Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: 11Mankanesa ao amin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, ka mitenena aminy mba handefasany ny Zanak'Isiraely hiala amin'ny taniny. 12Ary Mosesy niteny teo anatrehan'i Jehovah ka nanao hoe: Indro, ny Zanak'Isiraely aza tsy nihaino ahy, ka ahoana no hihainoan'i Farao ahy, fa izaho tsy voafora molotra? 13Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka nanome teny azy ho entiny ho any amin'ny Zanak'Isiraely sy ho amin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, mba hitondra ny Zanak'Isiraely hivoaka avy amin'ny tany Egypta. ¶ 15Ary ny zanakalahin'i Simeona dia Jemoela sy Jaminasy Ohada sy Jakinasy Zohara ary Saoly, zanakalahin'ny vehivavy Kananita; ireo no fokom-pirenen'i Simeona. ¶ 16Ary izao no anaran'ny zanakalahin'i Levy, araka ny taranany, dia Gersona sy Kehata ary Merary; ary ny andro niainan'i Levy dia fito amby telo-polo amby zato taona. 17Ny zanakalahin'i Hersona dia Libny sy Simey, araka ny fokom-pireneny. 18Ary ny zanakalahin'i Kehata dia Amrama sy Jizara sy Hebrona ary Oziela; ary ny andro niainan'i Kehata dia telo amby telo-polo amby zato taona. 19Ary ny zanakalahin'i Merary dia Maly sy Mosy. Ireo no fokom-pirenen'ny Levita, araka ny taranany. ¶ 20Ary Amrama naka an'i Jokebeda anabavin-drainy ho vadiny, dia niteraka an'i Arona sy Mosesy taminy izy; ary ny andro niainan'i Amrama dia fito amby telo-polo amby zato taona. 21Ary ny zanakalahin'i Jizara dia Kora sy Nafega ary Zikry. 22Ary ny zanakalahin'i Oziela dia Misaela sy Elzafana ary Sitry. 23Ary Arona naka an'i Eliseba, zanakavavin'i Aminadaba sady anabavin'i Nasona, ho vadiny; dia niteraka an'i Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara taminy izy. 24Ary ny zanakalahin'i Kora dia Asira sy Elkana ary Abiasafa; ireo no fokom-pirenen'ny Korana. 25Ary Eleazara, zanakalahin'i Arona, naka vady avy tamin'ny zanakavavin'i Potiela, dia niteraka an'i Finehasa taminy izy. Ireo no lohan'ny fianakavian'ny Levita, araka ny fokom-pireneny. ¶ 26Ireo no Arona sy Mosesy, izay nilazan'i Jehovah hoe: Ento ny Zanak'Isiraely hivoaka avy any amin'ny tany Egypta araka ny antokony. 27Ireo no niteny tamin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, mba hitondra ny Zanak'Isiraely hivoaka avy any Egypta; ireo no Mosesy sy Arona. ¶ 29dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Izaho no Jehovah; koa lazao amin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, izay rehetra lazaiko aminao. 30Ary Mosesy niteny teo anatrehan'i Jehovah ka nanao hoe: Indro, tsy voafora molotra aho, ka aiza no hihainoan'i Farao ahy! ¶