1 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: 2Amin'ny andro voalohany amin'ny volana voalohany dia atsangano ny tabernakelin'ny trano-lay fihaonana. 3Ary ataovy ao ny fiaran'ny Vavolombelona; dia ahantòny ny efitra lamba hanakona ny fiara. 4Ary ampidiro ny latabatra, ka alaharo izay halahatra eo amboniny; ary ampidiro ny fanaovan-jiro, ka ampireheto ny jiro. 5Ary ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra dia ataovy eo anoloan'ny fiaran'ny Vavolombelona, ary ny varavarana lamba dia ataovy eo amin'ny varavaran'ny tabernakely. 6Ary ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana dia apetraho eo anoloan'ny tabernakelin'ny trano-lay fihaonana. 7Ary ny tavy dia apetraho eo anelanelan'ny trano-lay fihaonana sy ny alitara, ka asio rano eo anatiny. 8Ary amboary ny kianja manodidina, ka ahantòny ny vavahady lamba eo amin'ny vavahadin'ny kianja. 9Ary alao ny diloilo fanosorana, ka hosory ny tabernakely sy izay rehetra ao, dia hamasino izy mbamin'ny fanaka rehetra momba azy, ka dia ho masina izy. 10Ary hosory ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana sy ny fanaka rehetra momba azy; ary hamasino ny alitara, dia ho masina indrindra izy. 11Ary hosory ny tavy sy ny faladiany, ka hamasino izy. ¶ 12Ary ento Arona sy ny zanany hankeo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, ka ampandroy amin'ny rano izy. 13Ary ampiakanjoy an'i Arona ny fitafiana masina, dia hosory sy hamasino izy, mba ho mpisorona ho Ahy. 14Ary ento ny zanany, ka ampiakanjoy azy ny akanjo lava. 15Ary hosory izy, tahaka ny nanosoranao ny rainy, mba ho mpisorona ho Ahy; ary ny fanosorana azy dia ho fisoronana mandrakizay ho azy hatramin'ny taranany fara mandimby. 16Dia nataon'i Mosesy izany: araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah azy no nataony. ¶ 17Ary tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana voalohany tamin'ny taona faharoa no nananganana ny tabernakely. 18Ary Mosesy nanangana ny tabernakely, dia nametraka ny faladiany sy nanangana ny zana-kazony, ary nampiditra ny barany sy nanangana ny andriny. 19Ary namelatra ny lay teo ambonin'ny tabernakely izy, ary ny firakotry ny lay nataony teo amboniny, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy. ¶ 20Dia nalainy ny Vavolombelona ka napetrany tao anatin'ny fiara, ary ny bao dia nataony teo amin'ny fiara, ary ny rakotra fanaovam-panavotana dia napetrany teo ambonin'ny fiara. 21Ary ny fiara dia nampidiriny tao amin'ny tabernakely, ka nahantony ny efitra lamba fanakonana hanakona ny fiaran'ny Vavolombelona, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy. 22Ary ny latabatra dia napetrany teo amin'ny trano-lay fihaonana, dia teo amin'ny lafin'ny tabernakely avaratra, teo ivelan'ny efitra lamba. 23Ary nandahatra mofo teo amboniny teo anatrehan'i Jehovah izy, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy. ¶ 24Ary ny fanaovan-jiro dia napetrany teo amin'ny trano-lay fihaonana, tandrifin'ny latabatra, teo amin'ny lafin'ny tabernakely atsimo. 25Ary nampirehitra ny jiro teo anatrehan'i Jehovah izy, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy. 26Ary ny alitara volamena dia nataony teo amin'ny trano-lay fihaonana, teo anoloan'ny efitra lamba; 27ary nandoro ditin-kazo mani-pofona teo izy, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy. ¶ 28Ary ny varavarana lamba dia nataony teo amin'ny varavaran'ny tabernakely; ¶ 29ary ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana dia napetrany teo anoloan'ny varavaran'ny tabernakelin'ny trano-lay fihaonana; ary nateriny teo amboniny ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy. ¶ 30Ary ny tavy dia nataony teo anelanelan'ny trano-lay fihaonana sy ny alitara, ka nasiany rano teo anatiny hanasana. 31Ary teo no nanasan'i Mosesy sy Arona ary ny zanany ny tongony aman-tànany. 32Raha niditra tao amin'ny trano-lay fihaonana izy, ary raha nanakaiky ny alitara, dia nisasa izy, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy. ¶ 33Ary natsangany koa ny kianja manodidi­na ny tabernakely sy ny alitara; ary ny vava­hady lamba dia nataony teo amin'ny vavahadin'ny kianja. Dia vitan'i Mosesy ny asa rehetra. 34Ary ny rahona nanarona ny trano-lay fihaonana, ary ny voninahitr'i Jehovah nameno ny tabernakely. 35Ary Mosesy tsy nahazo niditra tao amin'ny trano-lay fihaona­na, satria ny rahona nitoetra teo amboniny, ary ny voninahitr'i Jehovah nameno ny tabernakely. ¶ 36Ary raha niakatra niala tamin'ny tabernakely ny rahona, dia nifindra ny Zanak'Isiraely tamin'ny nandehanany rehetra; 37fa raha tsy niakatra ny rahona, dia tsy nifindra izy, mandra-pihavin'izay andro hiakarany. 38Fa ny rahon'i Jehovah dia teo ambonin'ny tabernakely nony andro, ary nisy afo teo aminy nony alina, teo imason'ny taranak'Isiraely rehetra, tamin'ny nandehanany rehetra. ¶