1Ary ny tabernakely dia hataonao ambainy folo amin'ny rongony fotsy madinika voahasina sy manga sy volomparasy ary mena; kerobima, asan'ny mpanenona mahay, no hataonao sorany. 2Ny halavan'ny ambainy iray dia valo amby roa-polo hakiho; ary ny lambanan'ny ambainy iray dia efatra hakiho; hitovy ohatra ny ambainy rehetra. 3Ambainy dimy no havitrana ho iray; ary ambainy dimy koa no havitrana ho iray. 4Ary manaova tadivavarana manga ho eo an-tsisin'ny ambainy iray, dia eo an-tsisin'ny anankiray efa voavitrana; ary manaova toy izany koa amin'ny ambainy farany, dia eo an-tsisin'ny anankiray efa voavitrana koa. 5Tadivavarana dimam-polo no hataonao eo amin'ny ambainy iray, ary tadivavarana dimam-polo koa no hataonao eo amin'ny sisin'ny ambainy izay amin'ny anankiray efa voavitrana koa; ary hifandray ny tadivavarana. 6Ary manaova farango volamena dimam-polo, ka akambano amin'ny farango ny ambainy, ka dia ho voakambana ho iray ny tabernakely. ¶ 7Ary manaova ambainy koa amin'ny volon'osy ho lay handrakofana ny tabernakely; dia iraika ambin'ny folo ambainy no hanaovanao azy. 8Ny halavan'ny ambainy iray dia telo-polo hakiho, ary ny lambanan'ny ambainy iray dia efatra hakiho; hitovy ohatra ny ambainy iraika ambin'ny folo. 9Ary avitrano ny ambainy dimy hikambana, ary ny ambainy enina kosa hikambana. Ary aforeto ny ambainy fahenina amin'ny sakan'ny lay anatrehana. 10Ary manaova tadivavarana dimam-polo eo an-tsisin'ny ambainy iray izay farany amin'ny efa voavitrana; ary tadivavarana dimam-polo koa ho eo an-tsisin'ny ambainy iray amin'ny anankiray koa efa voavitrana. 11Ary manaova farango; varahina dimam-polo, ka ampidiro ho eo amin'ny tadivavarana ary akambano ny lay, ka dia ho iray ihany izy. 12Ary izay mihoatra amin'ny ambain'ny lay, dia ny antsasaky ny ambainy izay mihoatra, dia avelao hiraviravy eo ivohon'ny tabernakely. 13Ary ny iray hakiho avy eo amin'ny lohany roa amin'ny lamba, izay mihoatra amin'ny halavan'ny ambain'ny lay, dia avelao hiraviravy eo amin'ny lafibeny roa amin'ny tabernakely handrakotra azy. ¶ 14Ary manaova koa rakotry ny lay amin'ny hoditr'ondrilahy efa nomenaina, ary manaova sarony hodi-takasy ho eo amboniny. ¶ 15Ary manaova zana-kazo akasia ho amin'ny tabernakely. 16Folo hakiho ny hahavon'ny zana-kazo iray, ary iray hakiho sy sasany ny indraben'ny zana-kazo iray. 17Lahiny roa no ho amin'ny zana-kazo iray, ka hasiana izay hikambanany; izany no hanaovanao ny zana-kazo rehetra amin'ny tabernakely. 18Ary manaova ny zana-kazo ho amin'ny tabernakely, dia zana-kazo roa-polo ho eo amin'ny lafiny atsimo. 19Ary manaova faladia volafotsy efa-polo, dia faladia roa avy ho ambanin'ny isan-janakazo iray hiorenan'ny lahiny roa. 20Ary manaova zana-kazo roa-polo ho eo amin'ny lafiny faharoa amin'ny tabernakely, dia ny lafiny avaratra. 21Ary manaova faladiany volafotsy efa-polo, dia faladia roa avy ho ambanin'ny isan-janakazo iray. 22Ary ny lafiny andrefana amin'ny tabernakely, izay ao ivohony, dia hanaovanao zana-kazo enina. 23Ary zana-kazo roa no hataonao ho eo amin'ny zoron'ny tabernakely amin'ny lafiny ivoho. 24Ary hakambana ho iray izy hatramin'ny ambany ka hatramin'ny ambony, ka hasianao vava vola iray ihany: ho toy izany avokoa izy roa; eo amin'ny zorony roa no hisy izany. 25Ary aoka hisy zana-kazo valo sy ny faladiany volafotsy, dia faladia enina ambin'ny folo: faladia roa avy ho ambanin'ny isan-janakazo iray. 26Ary manaova barany hazo akasia: dia dimy ho amin'ny zana-kazo amin'ny lafiny iray amin'ny tabernakely, 27sy barany dimy ho amin'ny zana-kazo amin'ny lafiny iray koa amin'ny tabernakely, ary barany dimy ho amin'ny zana-kazo amin'ny lafiny andrefana izay ao ivohony. 28Ary ny barany afovoany, izay afovoan'ny zana-kazo, dia hahatratra ny farany roa. 29Ary ny zana-kazo hopetahanao takela-bolamena, ary hataonao volamena koa ny vava vola aminy, izay hitoeran'ny barany; ary petaho takela-bolamena koa ny barany. 30Ary manangana ny tabernakely araka ny endriny, dia ilay naseho taminao tao an-tendrombohitra. 31Ary manaova efitra lamba manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina; kerobima, asan'ny mpanenona mahay, no hataonao sorany. 32Ary ahantòny amin'ny andry hazo akasia efatra izay voapateka takela-bolamena izy; ho volamena koa ny fihantonany; ary eo amin'ny faladia volafotsy efatra no hiorenany. 33Ary ny efitra lamba dia ataovy eo ambanin'ny farango; ary ampidiro ao anatin'ny efitra lamba ny fiaran'ny Vavolombelona; ary ny efitra lamba no hampisaraka ny fitoerana masina sy ny fitoerana masina indrindra ho anareo. 34Ary ny rakotra fanaovam-panavotana dia ataovy eo ambonin'ny fiaran'ny Vavolombelona eo amin'ny fitoerana masina indrindra. 35Ary apetraho eo ivelan'ny efitra ny latabatra, ary ny fanaovan-jiro tandrifin'ny latabatra amin'ny lafiny atsimo amin'ny tabernakely; ary ny latabatra ataovy eo amin'ny lafiny avaratra. 36Ary manaova varavarana lamba ho eo amin'ny lay, dia amin'ny manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, asan'ny mahay tenona samy hafa soratra. 37Ary manaova andry hazo akasia dimy ho amin'ny varavarana lamba, ka peta­ho takela-bolamena; ary ho volamena koa ny fihantonany; ary mandrendreha faladia varahina dimy hiorenany. ¶