1 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: 2Hamasino ho Ahy ny lahimatoa rehetra, dia izay voalohan-teraka rehetra eo amin'ny Zanak'Isiraely, na olona na biby fiompy: Ahy ireny. 3Dia hoy Mosesy tamin'ny olona: Tsarovy izao andro izao, izay nivoahanareo avy tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana, fa tamin'ny tanana mahery no nitondran'i Jehovah anareo nivoaka avy tany; koa aza misy mihinana izay misy masirasira. 4Izao andro amin'ny volana Abiba izao no ivoahanareo 5Ary raha hitondra anao Jehovah ho any amin'ny tanin'ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Hivita ary ny Jebosita, izay nianianany tamin'ny razanao homena anao, dia tany tondra-dronono sy tantely, dia hanao izany fanompoana izany ianao amin'izao volana izao. 6Hafitoana no hihinananao mofo tsy misy masirasira, ary amin'ny andro fahafito dia hisy andro firavoravoana ho an'i Jehovah. 7Ny mofo tsy misy masirasira hohanina mandritra ny hafitoana; ary tsy hisy eo aminao izay mofo misy masirasira, ary tsy hisy izay masirasira akory ao aminao eny amin'ny taninao rehetra. 8Dia hambaranao amin'ny zanakao amin'izany andro izany hoe: Noho ny nataon'i Jehovah tamiko tamin'ny nivoahako avy tany Egypta no anaovako izao. 9Dia ho famantarana ho anao eo amin'ny tananao ary ho fampahatsiarovana eo ambonin'ny handrinao izany, mba ho ao am-bavanao ny lalàn'i Jehovah: fa tanana mahery no nitondran'i Jehovah anao nivoaka avy tany Egypta. 10Dia tandremo amin'ny fotoany isan-taona izao lalàna izao. 11Ary raha hitondra anao Jehovah ho any amin'ny tanin'ny Kananita araka izay nianianany taminao sy ny razanao, ka homeny anao izany, 12dia hatokanao ho an'i Jehovah izay voalohan-teraka rehetra: ny voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra izay anananao, dia ho an'i Jehovah ny lahy rehetra; 13ary ny voalohan-teraky ny boriky dia hosoloanao zanak'ondry; fa raha tsy hanolo azy ianao, dia hofolahinao ny vozony; ary ny lahimatoa rehetra amin'ny olona eo amin'ny zanakao dia havotanao. 14Ary raha hanontany anao ny zanakao amin'ny andro ho avy ka hanao hoe: Inona no anton'izao? dia holazainao aminy hoe: Tanana mahery no nitondran'i Jehovah antsika nivoaka avy tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana; 15ary raha nanamafy ny fony ka tsy nandefa antsika Farao, dia novonoin'i Jehovah ny lahimatoa rehetra tany amin'ny tany Egypta, hatramin'ny lahimatoan'ny olona ka hatramin'ny voalohan-teraky ny biby; koa izany no anaterako ho an'i Jehovah ny lahy voalohan-teraka rehetra, fa ny lahimatoa rehetra amin'ny zanako dia soloako. 16Ary ho famantarana eo amin'ny tananao sy ho fehy eo ambonin'ny handrinao izany; fa tanana mahery no nitondran'i Jehovah antsika nivoaka avy tany Egypta. ¶ 18Fa nentin'Andriamanitra nivily ho amin'ny lalana mahazo any an-efitra amoron'ny Ranomasina Mena ny olona; ary voaomana hiady ny fiakatry ny Zanak'Isiraely avy tany amin'ny tany Egypta. 19Ary nentin'i Mosesy niaraka taminy ny taolan'i Josefa, satria Josefa efa nampianiana dia nampianiana ny Zanak'Isiraely ka nanao hoe: Hamangy anareo tokoa Andriamanitra, dia hitondra ny taolako hiala atỳ miaraka aminareo ianareo. 20Dia nifindra niala tao Sokota izy ka nitoby tao Etama teo an-tsisin'ny efitra. 21Ary Jehovah nandeha teo alohany tamin'ny andri-rahona raha antoandro hitari-dalana azy, ary tamin'ny andri-afo nony alina ho fahazavana ho azy, handehanany andro aman'alina. 22Ny andri-rahona tsy niala teo alohan'ny olona raha antoandro, na ny andri-afo nony alina. ¶