1Koa amin'izany dia aoka hanahaka an'Andriamanitra ianareo tahaka ny zanaka malala; 2ary mandehana amin'ny fitiavana, toy ny nitiavan'i Kristy anareo, dia ny nanolorany ny tenany ho fanatitra sy ho fanavotana amin'Andriamanitra, ho hanitra ankasitrahana, hamonjy antsika. 3Fa ny fijangajangana sy ny fahalotoana rehetra, na ny fieremana, dia aza avela hotononina eo aminareo akory aza, fa tsy mahamendrika ny olona masina izany, 4na fahavetavetana, na resaka fahadalana, na voso-dratsy, izay tsy tokony hatao, fa aleo misaotra. 5Fa fantatrareo marimarina fa samy tsy manana lova eo amin'ny fanjakan'i Kristy sy Andriamanitra na ny mpijangajanga rehetra, na ny olom-betaveta, na ny olona mierina (mpanompo sampy izany). 6Aza mety hofitahin'olona amin'ny teny foana ianareo; fa izany zavatra izany no mahatonga ny fahatezeran'Andriamanitra amin'ny zanaky ny tsi-fanarahana. 7Koa aza mety ho mpiombona aminy ianareo. 8Fa maizina ianareo fahiny, fa efa mazava ao amin'ny Tompo kosa ankehitriny; mandehana tahaka ny zanaky ny mazava 9(fa ny vokatry ny mazava dia ao amin'ny fahatsarana rehetra sy ny fahamarinana ary ny fahitsiana), 10mamantatra izay ankasitrahan'ny Tompo. 11Ary aza miray amin'ny asan'ny maizina tsy mahavoka-tsoa, fa aleo mananatra izany. 12Fa izay ataony ao amin'ny miafina, dia mahamenatra na dia ny milaza izany aza. 13Fa ny zavatra rehetra, raha anarina, dia asehon'ny mazava; fa na inona na inona aseho dia mazava. 14Koa izany no ilazany hoe: Mifohaza ianao izay matory, Ary mitsangàna amin'ny maty, Dia hampahazava anao Kristy. 15Koa tandremo tsara izay fandehanareo, mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry, 16ka hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao fiainana izao. 17Ary noho izany dia aza manao adaladala, fa aoka ho fantatrareo izay sitrapon'ny Tompo. 18Ary aza ho mamon-divay ianareo, fa amin'izany dia misy fanaranam-po amin'ny ratsy, fa aoka hofenoina ny Fanahy, 19ka mifampilazà amin'ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, dia mihira sy mikalo ao am-ponareo ho an'ny Tompo, 20misaotra an'Andriamanitra Ray mandrakariva noho ny zavatra rehetra, amin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika, 21sady mifanaiky amin'ny fahatahorana an'i Kristy, 22Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo tahaka ny anekena ny Tompo. 23Fa ny lahy no lohan'ny vavy, dia tahaka an'i Kristy koa no Lohan'ny fiangonana; ary Izy no mpamonjy ny tena. 24Fa tahaka ny aneken'ny fiangonana an'i Kristy no haneken'ny vavy ny lahy koa amin'ny zavatra rehetra. 25Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, dia tahaka ny nitiavan'i Kristy ny fiangonana ka nanolorany ny tenany hamonjy azy, 26mba hahamasina azy amin'ny anadiovany azy amin'ny rano fanasana amin'ny teny; 27mba horaisiny ho an'ny tenany izany ho fiangonana malaza tsy misy pentimpentina, na fiketronana, na izay toy izany, fa mba ho masina sady tsy misy tsiny izy. 28Dia tahaka izany koa, ny lehilahy tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ihany. Izay tia ny vadiny dia tia ny tenany. 29Fa tsy mba nisy olona tsy tia ny nofony, fa mamelona sy mitaiza azy, dia tahaka an'i Kristy amin'ny fiangonana; 30fa momba ny tenany isika. 31Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hiray amin'ny vadiny, ary dia ho nofo iray ihany izy roroa (Gen. 2. 24). 32Zava-miafina lehibe izany; fa milaza ny amin'i Kristy sy ny fiangonana aho. 33Na dia izany aza, samia tia ny vadiny tahaka ny tenany ianareo lehilahy rehetra, ary aoka kosa ny vavy hanaja ny lahy. ¶