1 Ny zavatra rehetra samy manana ny fotoany avy, ary samy manana ny androny avy ny raharaha rehetra atỳ ambanin'ny lanitra: 2Ao ny andro ahaterahana, ary ao ny andro ahafatesana; Ao ny andro ambolena, ary ao ny andro anongotana na nambolena; 3Ao ny andro amonoana, ary ao ny andro anasitranana; Ao ny andro andravana, ary ao ny andro ananganana; 4Ao ny andro itomaniana, ary ao ny andro ihomehezana; Ao ny andro isaonana, ary ao ny andro andihizana; 5Ao ny andro anariam-bato, ary ao ny andro anangonam-bato; Ao ny andro anohonana, ary ao ny andro ifadiana tsy hanohona; 6Ao ny andro itadiavana, ary ao ny andro ahaverezana; Ao ny andro itehirizana, ary ao ny andro anariana; 7Ao ny andro andriarana, ary ao ny andro anjairana; Ao ny andro anginana, ary ao ny andro itenenana; 8Ao ny andro itiavana, ary ao ny andro ankahalana; Ao ny andro iadiana, ary ao ny andro ihavanana. ¶ 9Inona no soa azon'ny miasa amin'izay isasarany? 10Efa hitako ny asa mampahory izay nomen'Andriamanitra ny zanak'olombelona hisasarany. 11Ny zavatra rehetra samy nataony ho mendrika amin'ny fotoany avy; ary ny mandrakizay dia efa nataony tao am-pony, kanefa tsy hitan'ny olona ny asan'Andriamanitra hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany. 12Fantatro fa tsy misy tsara amin'ny olombelona afa-tsy ny mifaly sy ny manao tsara, raha mbola velona koa izy. 13Ary koa, raha mihinana sy misotro ary finaritra amin'ny fisasarany rehetra ny olombelona, dia fanomezan'Andriamanitra izany. 14Fantatro fa izay rehetra ataon'Andriamanitra dia haharitra mandrakizay; tsy azo ampiana ary tsy azo analana izany; ka dia ataon'Andriamanitra matahotra eo imasony ny olona. 15Izay atao izao dia efa natao fahiny; ary izay mbola ho avy dia efa nisy fahiny ihany koa; ary mbola tadiavin'Andriamanitra indray izay efa lasa. 16Ary izao koa no efa hitako atỳ ambanin'ny masoandro: ny fitoeran'ny fitsarana nisy faharatsiana tao; ary ny fitoeran'ny fahamarinana nisy faharatsiana koa tao. 17Hoy izaho anakampo: Samy hotsarain'Andriamanitra na ny marina na ny meloka; fa any dia samy manana ny androny avy ny zavatra rehetra sy ny asa rehetra. 18Hoy izaho anakampo: Noho ny amin'ny zanak'olombelona izany, mba hizahan'Andriamanitra toetra azy, ka ho hitany fa raha ny tenany ihany, dia biby izy. 19Fa zavatra sendrasendra foana ny zanak'olombelona, ary zavatra sendrasendra foana koa ny biby, mitovy ihany ny mihatra amin'izy roa tonta; fa toy ny ahafatesan'ny iray no ahafatesan'ny iray koa; eny, iray ihany no fofonaina ananan'izy rehetra; ary tsy misy ihoaran'ny olona noho ny biby; fa samy zava-poana izy rehetra. 20Izy rehetra samy mankamin'ny fitoerana iray: avy tamin'ny vovoka izy rehetra, ary hiverina ho amin'ny vovoka indray izy rehetra. 21Iza no mahalala ny fanahin'ny olombelona, na miakatra any ambony izy, na tsia, ary ny fanahin'ny biby, na midina amin'ny tany izy, na tsia? 22Dia efa hitako fa tsy misy tsara noho ny ifalian'ny olona amin'ny asany, satria izany no anjarany; fa iza no hampahalala azy izay ho avy any aoriany? ¶