1Tsy mahazo maka ny vadin-drainy ny olona, na maniry amin'izay nandrian-drainy. ¶ 3Ny zazasary tsy mahazo miditra amin'ny fiangonan'i Jehovah: na dia hatramin'ny taranany fahafolo mandimby aza dia tsy hahazo miditra amin'ny fiangonan'i Jehovah. 4Ny Amonita sy ny Moabita tsy mahazo miditra amin'ny fiangonan'i Jehovah: na dia hatramin'ny taranany fahafolo mandimby aza dia tsy hahazo miditra amin'ny fiangonan'i Jehovah hatramin'ny mandrakizay ireny, 5satria tsy nitsena hanina sy rano anareo teny an-dalana izy, raha nivoaka avy tany Egypta ianareo, ary satria nanamby an'i Balama, zanak'i Beora, avy any Petora any Mesopotamia, hanozona anao izy. 6Kanefa Jehovah Andriamanitrao tsy nety nihaino an'i Balama, fa nampody ny fanozonana ho fitahiana anao Izy noho ny fitiavany anao. 7Aza mitady izay hiadanany na izay hahasoa azy amin'ny andronao rehetra mandrakizay. 8Aza atao ho fahavetavetana ny Edomita, fa rahalahinao izy, na ny Egyptiana, fa efa mba vahiny tany amin'ny taniny ianao. 9Ny zafiafin'ireo dia hahazo miditra amin'ny fiangonan'i Jehovah. 10Raha mivoaka hiady amin'ny fahavalonao ny tafikao, dia mifadia ny ratsy rehetra. 11Raha misy olona eo aminao, izay tsy madio noho izay nanjo azy tamin'ny alina, dia hivoaka eny ivelan'ny toby izy, fa tsy hiditra ao anatiny. 12Fa rehefa hariva, dia aoka handro amin'ny rano izy; ary nony tokony ho maty masoandro, dia mahazo miverina eo amin'ny toby indray izy. 13Ary aoka hisy tany voafaritrao any ivelan'ny toby ho fivoahanao; 14ary mitondrà fantaka miaraka amin'ny fiadianao, ka raha hipetraka eny ivelany ianao, dia mihadia lavaka amin'ny fantaka, ka totofy ny fivalananao. 15Fa Jehovah Andriamanitrao mandeha eo afovoan'ny tobinao hamonjy anao sy hanolotra ny fahavalonao eo anoloanao; ka dia ho masina ny tobinao, mba tsy hahita zavatra maloto eo aminao izy ka tsy hiala aminao. 16Aza atolotrao amin'ny tompony intsony ny andevo izay mandositra mamonjy tena ho eo aminao. ¶ 17Eo aminao no hitoerany, dia eo amin'ny tanàna izay tiany sy izay sitraky ny fony; fa aza mampahory azy. 18Aoka tsy hisy zanakavavy na zanakalahin'ny Isiraely hanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy. 19Aza mitondra ny tangin'ny vehivavy janga, na ny karaman'alika, ho ao an-tranon'i Jehovah Andriamanitra, hanefana voady; fa fahavetavetana eo imason'i Jehovah Andriamanitrao ireo zavatra roa ireo. 20Aza mampanàna zavatra amin'ny rahalahinao, na vola, na hanina, na zavatra hafa mety hampananaina. ¶ 21Ny olona hafa firenena ihany no hampanananao zavatra; fa ny rahalahinao kosa dia tsy hampanananao; mba hotahin'i Jehovah Andriamanitrao ianao amin'izay rehetra ataon'ny tananao eo amin'ny tany izay efa hidiranao holovana. 22Raha mivoady amin'i Jehovah Andriamanitrao ianao, dia aza ela fanefa; fa hadinin'i Jehovah Andriamanitrao aminao tokoa izany ka ho fahotana aminao. 23Fa raha tsy mivoady ianao, dia tsy fahotana aminao izany. ¶ 24Izay aloaky ny vavanao dia tandremo hotanterahinao, araka ny sitraponao nivoadianao tamin'i Jehovah ihany, dia izay nolazain'ny vavanao. 25Raha mankany amin'ny tanim-boaloboky ny namanao ianao, dia mahazo manaram-po mihinam-boaloboka hahavoky anao; fa aza mitondra mody. Raha mankany amin'ny tanimbarin'ny namanao ianao, dia mahazo mioty salohim-bary ny tananao; fa aza jinjanao antsy ny varin'ny namanao. ¶