1 Raha tahìny misy maty novonoin'olona hita miampatra any an-tsaha amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao holovana, ary tsy fantatra izay nahafaty azy, 2dia hivoaka ny loholonao sy ny mpitsaranao ka horefesiny hatreo amin'ny faty ka hatramin'izay tanàna manodidina azy. 3Ary ny loholona amin'ny tanàna izay akaikin'ny faty indrindra dia haka ombivavy kely izay tsy mbola nampiasaina na nasiana zioga hitarihany. 4Ary ilay ombivavy kely dia ho entin'ny loholona amin'izany tanàna izany midina any amin'izay lohasaha tsy voasa na voafafy sady misy renirano tsy mety ritra, dia hofolahiny any an-dohasaha ny vozony. 5Ary ireo mpisorona, taranak'i Levy, dia hanatona, fa izy no nofidin'i Jehovah Andriamanitrao hanao fanompoam-pivavahana aminy sy hitso-drano amin'ny anaran'i Jehovah; koa araka ny teniny no hanefana ny ady rehetra sy ny vonoana rehetra; 6ary ny loholona rehetra amin'izany tanàna akaikin'ny faty izany dia hanasa ny tànany eo ambonin'ilay ombivavy kely izay efa voafolaka tany an-dohasaha ny vozony; 7dia hiloa-bava ireo ka hanao hoe: Tsy ny tananay no nandatsaka ity rà ity, sady tsy nahita izany ny masonay. 8Jehovah ô, mamelà ny heloky ny Isiraely olonao izay navotanao ka aza atao ho heloky ny Isiraely olonao ny rà marina! Dia ho afa-keloka ny amin'izany rà izany izy. 9Ka dia hesorinao ho afaka aminao ny rà marina, raha hanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah ianao. ¶ 11ary misy vehivavy tsara tarehy hitanao eo amin'ny babo ka tianao hovadina, 12dia ento ho ao an-tranonao izy, ka asaovy haratany ny lohany sy alàny ny hohony, 13ary asaovy esoriny koa ny fitafiany tamin'ny nahababo azy, dia aoka hitoetra ao an-tranonao andro iray volana izy hitomany ny ray aman-dreniny; ary rehefa afaka izany, dia vao mahazo mandry aminy ianao ka ho tompom-bady azy, ary ho vadinao izy. 14Fa raha tsy tianao intsony ravehivavy, dia alefaso handeha araka izay sitrapony izy: fa aza mivarotra azy hatao vola aman-karena na manandevo azy, satria efa nampietry azy ianao. ¶ 16amin'ny andro handidiany fananana ho an'ny zananilahy dia tsy azo hatao lahimatoa ny zanaky ny tiany, raha mbola eo ihany ny zanaky ny tsy tiany, izay tena lahimatoany; 17fa ny lahimatoa, zanak'ilay tsy tiany ihany, no hekeny ka homeny anjaran-droa amin'izay rehetra ananany; fa voalohan'ainy izy, ka azy ny fizokiana. ¶ 19dia hosamborin'ny rainy sy ny reniny izy ka ho entiny amin'ny loholona amin'ny tanànany, eo amin'ny vavahadin'ny tanàna onenany, 20dia hiteny amin'ny loholona amin'ny tanànany izy mivady hoe: Ity zanakay ity dia maditra sy manohitra ka tsy mihaino ny feonay, fa mpandany sy fileony. 21Dia hitora-bato azy ho faty ny mponina rehetra ao an-tanànany; ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy; ary ny Isiraely rehetra dia handre izany ka hatahotra. ¶ 23dia tsy havela hiloaka alina eo amin'ny hazo ny fatiny, fa tsy maintsy halevinao androtr'iny ihany izy (fa voaozon'Andriamanitra ny mihantona amin'ny hazo); koa aza lotoina ny taninao, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao ho lovanao. ¶