1 Rehefa aringan'i Jehovah Andriamanitrao ny firenen-tsamy hafa, izay tompon'ny tany omen'i Jehovah Andriamanitrao anao, ary mandresy azy ianao ka monina ao an-tanànany sy ao an-tranony, 2dia manokàna tanàna telo ho anao eo afovoan'ny taninao, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao holovana. 3Amboary ny lalana, ka zarao ho telo toko ny taninao, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao holovanao, mba handosiran'ny mahafaty olona rehetra ao. 4Ary ny mahafaty olona izay hovelomina, raha mandositra ao, dia ny mahafaty ny namany tsy nahy ka tsy nankahala azy teo aloha 5toy ny olona izay miaraka amin'ny namany ho any an'ala hikapa hazo, koa manainga ny famaky hikapa ny hazo ny tànany, dia mitsoaka amin'ny zarany ny lela-famaky, ary mahavoa ny namany ka mahafaty azy, dia aoka handositra ao amin'ny anankiray amin'ireo tanàna ireo izy ka hovelomina; 6fandrao hanenjika ny nahafaty olona ny mpamaly rà, raha mbola mirehitra ny fony, ka hahatratra azy, noho ny halavitry ny alehany, dia hahafaty azy izy; nefa tsy tokony ho faty izy, satria tsy nankahala ny namany teo aloha. 7Koa izany no andidiako anao hoe: Manokàna tanàna telo ho anao. 8Ary raha hitarin'i Jehovah Andriamanitrao ny fari-taninao, araka izay nianianany tamin'ny razanao, ka homeny anao ny tany rehetra izay nolazainy homena ny razanao 9(raha hitandrina ianao ka hanaraka izao lalàna rehetra izao, izay andidiako anao anio, ka ho tia an'i Jehovah Andriamanitrao, ary handeha mandrakariva amin'ny lalany), dia hampianao tanàna telo koa ireny telo ireny; 10mba tsy hisy rà marina alatsaka eo amin'ny taninao, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao ho lovanao, ka tsy ho meloka amin'ny rà ianao. 11Fa raha misy olona mankahala ny namany ka manotrika azy, ary mitsangana ka mamely mahafaty azy, ary mandositra ho ao amin'ny anankiray amin'ireo tanàna ireo, 12ny loholona amin'ny tanànany dia haniraka haka azy ao, dia hanolotra azy eo an-tànan'ny mpamaly rà, mba hovonoiny ho faty izy. 13Tsy hiantra azy ny masonao; fa hesorinao tsy ho eo amin'ny Isiraely ny heloka ny amin'ny rà marina, mba hahita soa ianao. ¶ 15Raha vavolombelona iray monja, dia aoka tsy hitsangana hiampanga olona ny amin'izay heloka na ota nataony na inona na inona; fa amin'ny tenin'ny vavolombelona roa na telo no hanorenana mafy ny teny. 16Raha misy vavolombelona mampidi-doza mitsangana hiampanga olona ho nanao ratsy, 17dia hitsangana eo anatrehan'i Jehovah izy roa lahy izay miady, dia eo anatrehan'ny mpisorona sy ny mpitsara amin'izany andro izany; 18ary raha hadinin'ny mpitsara mafy izy ka hitany fa vavolombelona mandainga, fa miampanga lainga ny namany, 19dia araka izay nokasainy hatao amin'ny namany no hataonareo aminy; ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy. 20Ary ny olona sisa dia handre izany ka hatahotra ary tsy hanao araka izany ratsy izany eo aminao intsony. 21Dia tsy hiantra azy ny masonao; fa aina no hataonao solon'ny aina, maso solon'ny maso, nify solon'ny nify, tanana solon'ny tanana, tongotra solon'ny tongotra. ¶