1 Ary isam-pito taona dia manaova fanafahana ianao. 2Ary izao no ho fomban'ny fanafahana: Ny tompon-trosa rehetra izay nampanàna vola tamin'ny namany dia hamoy izany; tsy hanery ny namany izay rahalahiny handoa izy, satria efa voantso ny fanafahan'i Jehovah. 3Ny olona hafa firenena ihany no azonao terena handoa; fa izay anao amin'ny rahalahinao kosa dia hafoinao; 4kanefa tsy dia hisy olo-malahelo eo aminao, fa hitahy anao tokoa Jehovah eo amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao, 5raha mihaino tsara ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka mitandrina hanaraka izao lalàna rehetra izao, izay andidiako anao anio. 6Fa Jehovah Andriamanitrao hitahy anao araka izay nolazainy taminao; ary hampisambotra ny firenena maro ianao, fa ianao kosa tsy hisambotra; ary hanapaka firenena maro ianao, fa izy kosa tsy mba hanapaka anao. 7Raha misy malahelo ny rahalahinao ao an-tanànanao anankiray amin'ny taninao izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao, dia aza manamafy ny fonao, na manakombona ny tananao, amin'ny rahalahinao malahelo; 8fa sokafy tsara aminy ny tananao, ka ampisambory izay ilainy, araka izay mahory azy. 9Mitandrema fandrao hisy hevi-dratsy ao am-ponao manao hoe: Antomotra ny taona fahafito, dia ny taom-panafahana; ary ho ratsy fijery ny rahalahinao malahelo ianao, ka tsy hanome azy akory ianao; ary hitaraina amin'i Jehovah hiampanga anao Izy, ka dia ho fahotanao izany. 10Omeo tokoa izy, ary aoka tsy halahelo ny fonao raha manome azy, satria izany zavatra izany no hitahian'i Jehovah Andriamanitrao anao amin'ny asanao rehetra sy amin'izay rehetra ataon'ny tananao. 11Fa ny tany tsy ilaozan'olo-malahelo, koa izany no andidiako anao hoe: Sokafy tsara amin'ny rahalahinao ny tananao, dia amin'ny malahelo sy ny mahantra eo amin'ny taninao. ¶ 12Raha hamidy aminao ny namanao, na lehilahy Hebreo, na vehivavy Hebreo, ka efa nanompo anao enin-taona, dia hovotsoranao ho afaka izy amin'ny taona fahafito. 13Ary raha hovotsoranao ho afaka izy, dia tsy havelanao handeha fotsiny; 14fa hisy hampitondrainao azy avy amin'ny ondry aman'osinao ary avy amin'ny famoloanao sy ny famiazanao: araka izay efa nitahian'i Jehovah Andriamanitrao anao no hanomezanao azy. 15Ary tsarovy fa andevo tany amin'ny tany Egypta ianao, nefa Jehovah Andriamanitrao efa nanavotra anao, koa izany no andidiako anao izao zavatra izao anio. 16Kanefa raha hoy izy aminao: Tsy hiala aminao aho, satria tsy foiny ianao sy ny ankohonanao, ka finaritra aminao izy, 17dia halainao ny haolo ka hotevehinao amin'ny varavarana ny sofiny, dia ho mpanomponao mandrakizay izy. Ary toy izany koa no hataonao amin'ny ankizivavinao. 18Aza ataonao ho sarotra ny hamotsotra azy ho afaka, fa indroa toraka ny karaman'ny mpikarama no azonao tamin'ny nanompoany anao enin-taona; dia hitahy anao Jehovah Andriamanitrao amin'izay rehetra ataonao. ¶ 20Eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao no hihinananao sy ny ankohonanao azy isan-taona isan-taona eo amin'ny fitoerana izay hofidin'i Jehovah. 21Fa raha misy kilemany izy: na mandringa, na jamba, na izay kilema ratsy hafa akory, dia aza vonoinao hatao fanatitra ho an'i Jehovah Andriamanitrao ireny. 22Ao an-tanànanao ihany no hihinananao ireny; na ny olona maloto na ny madio dia samy mahazo mihinana azy, tahaka ny ahazoany mihinana ny gazela sy ny diera. 23Kanefa ny ràny no aza hanina, fa aidino amin'ny tany toy ny rano. ¶