1 Zanak'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo, koa aza mitetika ny tenanareo, na manaratra ny eo ambonin'ny handrinareo noho ny amin'ny maty. 2Fa firenena masina ho an'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka voafidiny ho rakitra soa ho Azy mihoatra noho ny firenena rehetra ambonin'ny tany. ¶ 3Aza mihinana izay fahavetavetana. 4Izao no biby izay ho fihinanareo: Ny omby sy ny ondry sy ny osy 5sy ny diera, ny gazela, ny kapreola, ny osi-dia, ny pygarga, ny antilopa ary ny ropikapra: 6izay biby rehetra mivaky kitro, ka misaraka tsara ny kitrony sady mandinika, no ho fihinanareo. 7Nefa amin'izay mandinika na mivaky kitro dia izao ihany kosa no tsy ho fihinanareo: Ny rameva sy ny rà bitro ary ny hyraka, satria mandinika ihany izy, fa tsy mivaky kitro; maloto aminareo izy; 8ary ny kisoa koa, satria mivaky kitro izy, fa tsy mandinika, maloto aminareo izy; ny henan ireny tsy ho fihinanareo, ary ny fatiny tsy hokasihinareo. 9Ary amin'izay rehetra ao anatin'ny rano dia izao no ho fihinanareo: izay rehetra misy vombony sy kirany no ho fihinanareo; 10fa izay rehetra tsy misy vombony sy kirany kosa dia tsy ho fihinanareo; maloto aminareo izy. 11Ny vorona madio rehetra no ho fihinanareo. 12Nefa izao kosa no tsy ho fihinanareo: ny voltora sy ny gypa sy ny ankoay 13ary ny papango sy ny voromahery sy ny papango mainty, samy araka ny karazany, avy 14ary ny goaika rehetra, samy araka ny karazany avy, 15ary ny ostritsa sy ny tararaka sy ny vorondriaka ary ny hitsikitsika, samy araka ny karazany avy, 16ary ny vorondolo sy ny vorondolo lehibe sy ny ibisa 17ary ny sama sy ny voltora madinika sy ny manarana 18ary ny vano sy ny vanobe, samy araka ny karazany avy, ary ny takidara sy ny manavy. 19Ary ny zava-mandady rehetra izay manana elatra dia haloto aminareo ka tsy ho fihinanareo. 20Ny zava-manana elatra izay madio no ho fihinanareo. 21Aza homana izay maty ho azy, fa omeo ho an'ny vahiny izay ao an-tanànanao izany mba hohaniny, na amidio amin'ny olona hafa firenena; fa firenena masina ho an'i Jehovah Andriamanitrao ianao. Aza mahandro zanak'osy amin'ny rononon-dreniny. ¶ 23dia aoka ho eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao eo amin'ny tany izany hofidiny hampitoerany ny anarany no hihinananao ny ampahafolon'ny varinao sy ny ranom-boalobokao sy ny diloilonao ary ny voalohan-teraky ny ombinao sy ny ondry aman'osinao, mba hianaranao hatahotra an'i Jehovah Andriamanitrao mandrakariva. 24Fa raha lavitra loatra ny lalana halehanao ka tsy mahatondra izany zavatra izany ianao, satria lavitra anao loatra ny tany izay hofidin'i Jehovah Andriamanitrao hampitoerany ny anarany, raha notahin'i Jehovah Andriamanitrao ianao, 25dia hamidinao vola izany, ary hofonosinao ny vola ka ho entinao eo an-tananao hankany amin'ny tany izay hofidin'i Jehovah Andriamanitrao; 26ary ny vola dia amidio izay rehetra tian'ny fanahinao, na omby, na ondry, na osy, na divay, na toaka, na izay zavatra hafa tian'ny fanahinao; ary aoka ho eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao no hihinananao izany sy hifalianao mbamin'ny ankohonanao; 27ary ny Levita izay ao an-tanànanao dia aza foinao; fa tsy manana anjara na lova eo aminao izy. 28Ary isan-telo taona dia alao ny ampahafolon'ny vokatrao rehetra amin'izany taona izany, ka ataovy ao an-tanànanao; 29ary dia aoka ho avy ny Levita (satria tsy mba manana anjara na lova eo aminao izy) sy ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izay ao an-tanànanao, dia hihinana izy ka ho voky, mba hotahin'i Jehovah Andriamanitrao ianao amin'ny asan-tananao rehetra izay ataonao. ¶