1Fa tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Dariosa Mediana dia nitsangana hampahery sy hanatanjaka azy aho. ¶ 3Ary hisy mpanjaka mahery hitsangana, izay hanapaka amin'ny fanapahana lehibe sady hanao araka izay sitrapony. 4Ary rehefa mitsangana izy, dia horavana ny fanjakany ka hozaraina ho amin'ny rivotra efatry ny lanitra; fa tsy ho an'ny taranany, na araka ny fanapahany izay nanapahany, fa hongotana ny fanjakany ka ho an'ny hafa, fa tsy ho an'ireo. ¶ 5Ary hahery ny mpanjakan'ny atsimo; nefa ny anankiray amin'ny andriandahiny dia hahery noho izy aza ka hanapaka; ary ho fanapahana lehibe ny fanapahany. 6Ary rehefa afaka taona vitsivitsy, dia hikambana izy roa lahy ireo; ary ho avy ny zanakavavin'ny mpanjakan'ny atsimo hankany amin'ny mpanjakan'ny avaratra hahatsara ny fihavanana; nefa tsy hahatana ny herin-tsandry izy, ary tsy hahajanona ilay mpanjaka na ny sandriny, fa hatolotra razazavavy sy ireo nitondra azy sy rainy niteraka azy mbamin'izay nampahery azy tamin'izany andro izany. 7Fa hisy solofony anankiray avy amin'ny fakany hitsangana handimby azy, ka hihavian'izay ny miaramila, ary hidirany ny fiarovana mafin'ny mpanjakan'ny avaratra, ka hasiany ireo, dia hahery izy. 8Ary ny andriamaniny koa mbamin'ny sarin-javatra an-idina sy ny fanaka tsara ananany, na ny volafotsy na ny volamena, dia hobaboiny avokoa; ary hijanona elaela tsy hamely ny mpanjakan'ny avaratra izy. 9Ary ho tonga amin'ny fanjakan'ny mpanjakan'ny atsimo izy, nefa hody any amin'ny taniny ihany. 10Fa hanomana tafika ny zanany ka hanangona miaramila maro be; dia ho avy tokoa ireo ka hanerana toy ny safotra, rehefa afaka izany, dia hiverina izy, ary hanihiny ihany na dia ny fiarovana mafiny aza. 11Ary dia hisafoaka ny mpanjakan'ny atsimo, ka hivoaka hiady aminy izy, dia amin'ny mpanjakan'ny avaratra, ary izy hanangona maro be; ary ny maro be dia hatolotra ho eo an-tànany. 12Ary raha miainga ireo maro be ireo, dia hiavonavona ny fony; ary haharipaka alinalina izy, nefa tsy hahery. 13Fa hiverina ny mpanjakan'ny avaratra ka hanangona olona maro be mihoatra noho ny teo; ary rehefa afaka ny fe-taona, dia ho avy tokoa izy ka hitondra miaramila maro sy fitaovana betsaka. 14Ary amin'izany andro izany dia maro no hitsangana hamely ny mpanjakan'ny atsimo; ary ireo loza indrindra amin'ny firenenao dia hanandra-tena hahatò ny fahitana, nefa ho lavo izy. 15Ka dia ho avy ny mpanjakan'ny avaratra hanandratra tovon-tany hanafaka ny tanàna mimanda; ary na ny sandrin'ny atsimo na ny olom-pidiny dia tsy hahomby, ary tsy hisy hery hahombiazany. 16Fa izay avy hamely azy dia hanao araka Izay sitrapony, ka tsy hisy hahajanona eo anatrehany; ary izy hijanona ao amin'ny tany mahafinaritra, ary hisy fandringanana eny an-tànany. 17Dia hivonona tsara handeha amin'ny herin'ny fanjakany rehetra izy ka hanao izay hahatsara ny fihavanana; ary homeny ny zanakavavin'ny vehivavy izy ka hahatonga loza aminy; ary tsy hahalavorary razazavavy, na hahasoa azy akory. 18Ary hitodika mankany amin'ny nosy izy ka hahalasa be; ary hisy mpanapaka hampitsahatra ny latsa ataony, sady hatsingeriny aminy ny latsa ataony. 19Dia hitodika hankany, amin'ny fiarovana mafy any amin'ny taniny izy; kanjo ho tafintohina sy ho lavo izy ka tsy ho hita. 20Ary hitsangana handimby azy indray ny anankiray izay hampandeha mpampiasa ho any amin'izay tsara indrindra amin'ny fanjakany; fa rehefa afaka andro vitsy, dia ho faty io, nefa tsy amin'ny fahatezerana, na amin'ny ady. ¶ 21Ary hisy olona famingavinga hitsangana handimby io indray, izay tsy homena ny voninahitry ny fanjakana; fa hiditra tsy ampoizina izy ka hahazo ny fanjakana amin'ny fahafetsena, 22ary ireo miaramila toy ny safotra no hindaosina hiala eo anatrehany sady ho resiny mbamin'ny andriana vita fanekena aminy koa. 23Eny, rehefa mifanaiky aminy io, dia hanao fitaka; fa hiakatra izy ka hahery, na dia vitsy aza ny olona entiny. 24Hiditra tsy ampoizina amin'ny fari-tany mahavokatra indrindra izy ka hanao izay tsy nataon'ny rainy na ny razany; hahahany eny amin'ireny ny sambotra sy ny babo ary ny harena; ary hamoron-tsaina izy ka hamely ny fiarovana mandra-pahalanin'ny fotoana. 25Ary hanaitra ny heriny sy ny fony izy hamely ny mpanjakan'ny atsimo amin'ny miaramila maro; ary ny mpanjakan'ny atsimo kosa hanafika mitondra miaramila maro sady mahery indrindra; nefa tsy hahajanona izy, satria hisy hamoron-tsaina hamely azy. 26Eny, izay homana ny hanina avy aminy ihany no hahalavo azy, ary ny miaramilany hanerana toy ny safotra, sady maro ny faty hiampatrampatra. 27Ary ny fon'ireo mpanjaka roa ireo dia samy ta-hanao ratsy, ary eo an-databatra iray no hiresahany lainga; nefa tsy hambinina izany; fa ny farany dia ho amin'ny fotoana ihany. 28Ary hiverina ho any amin'ny taniny mitondra harena be izy; koa ny fony dia hanohitra ny fanekena masina; ary hahefa sy hiverina ho any amin'ny taniny izy 29Amin'ny fotoana dia ho lasa mianatsimo indray izy; nefa ny farany tsy ho toy ny voalohany; 30fa ny sambon'i Kitima ho avy namely azy, ka dia ho kivy izy ka hiverina ary hisafoaka amin'ny fanekena masina ka hamely; eny, hiverina izy ka hisaina ny amin'ireo efa mahafoy ny fanekena masina. 31Ary hisy miaramila hitsangana noho ny teniny ka handoto ny fitoerana masina, dia ny fiarovana mafy, ary hampitsahatra ny fanatitra isan'andro sady hampiditra ny fahavetavetana mahatonga fandravana. 32Ary izay mivadika ny fanekena dia hambosiny amin'ny fandroboana; fa ny dona izay mahalala an'Andriamaniny kosa dia hifikitra amin'izany ka hankatò azy. 33Ary izay hendry ao amin'ny olona dia hampianatra ny maro; nefa ho lavon'ny sabatra sy ny lelafo sy ny famaboana ary ny fandrobana elaela ihany izy. 34Ary rehefa lavo izy, dia hahazo famonjena kely; ary maro no hikambana aminy amin'ny fihatsaram-belatsihy. 35Ary hisy ho lavo koa ny manan-tsaina, mba hizahan-toetra sy hanadiovana ary hamotsiana azy ambara-pahatongan'ny andro farany, fa mbola ho amin'ny fotoana ihany izany. 36Ary ny mpanjaka hanao araka izay sitrapony; ary hisandratra sy hanandra-tena ho ambonin'ny andriamanitra rehetra izy ka hiteny zavatra mahagaga ny amin'Andriamanitry ny andriamanitra, ary hambinina ihany izy mandra-pahatanteraky ny fahatezerana; fa izay efa voatendry no tsy maintsy hatao. 37Ary tsy hahoany akory ny andriamanitry ny razany, na ny fitiavan'ny vehivavy; eny, tsy hahoany akory izay andriamanitra, fa hanandra-tena noho izy rehetra izy. 38Fa ny andriamanitry ny fiarovana mafy no hankalazainy hisolo izany; ary volamena sy volafotsy sy vato soa ary zavatra mahafinaritra no ho entiny mankalaza ny andriamanitra izay tsy fantatry ny razany. 39Dia homban'ny andriamani-kafa izy ka hamely ny batery mafy indrindra, ary izay manaiky azy dia homeny voninahitra be sady hataony mpanapaka ny maro, ary hozarainy ho azy ny tany ho valim-pitia. 40Ary amin'ny faran'ny andro dia hanoto azy ny mpanjakan'ny atsimo; ary ny mpanjakan'ny avaratra koa ho avy hamely azy toy ny tafio-drivotra ka hitondra kalesy sy mpitaingin-tsoavaly ary sambo maro; ary hiditra amin'ny tany izy ka hanerana toy ny safotra. 41Hiditra ao amin'ny tany mahafinaritra koa izy, ary maro no ho ripaka; fa izao kosa no ho afa-mandositra ny tànany: Edoma sy Moaba ary ireo lohan'ny taranak'i Amona. 42Haninjitra ny tànany amin'ny tany sasany koa izy; ary ny tany Egypta tsy ho afa-mandositra. 43Fa hahalasa ny rakitra volamena sy volafotsy ary ny zava-tsoan'i Egypta rehetra izy; ary ny Libyana sy ny Etiopiana hanaraka azy. 44Fa hisy siosion-teny avy any atsinanana sy avy any avaratra haharaiki-tahotra azy, ka dia hivoaka amin'ny fahatezerana be izy handrava sy handringana maro. 45Ary haoriny eo anelanelan'ny ranomasina sy ny tendrombohitra masina mahafinaritra ny trano-lainy izay lapany; nefa ho tonga ao amin'ny hiafarany ihany izy, ka tsy hisy hamonjy azy. ¶