1Ary Paoly dia nibanjina ny Synedriona ka nanao hoe: Ry rahalahy, izaho nanompo an'Andriamanitra tamin'ny fieritreretana tsara mandraka androany. 2Ary Ananiasy mpisoronabe nandidy izay nitsangana teo hamely ny vavany. 3Ary hoy Paoly taminy: Andriamanitra mba hamely anao, ry rafi-bato voalalotra fotsy; fa ianao va mipetraka hitsara ahy araka ny lalàna, nefa asainao kapohina tsy araka ny lalàna aho? 4Ary izay nitsangana teo dia nanao hoe: Tevatevainao va ny mpisoronaben'Andriamanitra? 5Ary hoy Paoly: Tsy fantatro fa mpisoronabe izy, ry rahalahy; fa voasoratra hoe: Aza miteny ratsy ny mpanapaka ny firenenao (Eks. 22. 27). 6Ary rehefa fantatr'i Paoly fa Sadoseo ny sasany, ary ny sasany kosa Fariseo, dia niantso teo amin'ny Synedriona izy ka nanao hoe: Ry rahalahy, izaho dia Fariseo, zanaky ny Fariseo; ny amin'ny fanantenana sy ny fitsanganan'ny maty no itsarana ahy. 7Ary rehefa nilaza izany izy, dia nifanditra ny Fariseo sy ny Sadoseo, ka nizara roa toko ny olona maro. 8Fa ny Sadoseo manao hoe: Tsy misy fitsanganan'ny maty, sady tsy misy anjely na fanahy; fa ny Fariseo kosa manaiky izany avokoa. 9Ary nisy antsoantso maharenina teo, ary ny mpanora-dalàna sasany, izay isan'ny antoko atao hoe Fariseo, nitsangana dia niady hevitra ka nanao hoe: Tsy hitanay izay helok'io lehilahy io; fa sao fanahy na anjely no niteny taminy. 10Ary rehefa nitabataba be ihany izy, dia natahotra ny mpifehy arivo, fandrao hifandroritan'ny olona Paoly ka ho samatsamaka, dia nasainy nidina ny miaramila mba haka azy an-keriny hiala teo ampovoany ary mba hitondra azy ho any anati-rova. ¶ 11Ary ny Tompo nitsangana teo anilany tamin'iny alina iny ka nanao hoe: Matokia, fa tahaka ny nanambaranao Ahy tany Jerosalema no mbola hanambaranao Ahy any Roma koa. ¶ 13Ary tsy omby efa-polo no niray tetika nanao izany. 14Ary izy nankany amin'ny mpisoronabe sy ny loholona ka nanao hoe: Efa niozona sy nianiana izahay fa tsy hanandran-javatra na inona na inona ambara-pamononay an'i Paoly. 15Koa ankehitriny dia milazà amin'ny mpifehy arivo ianareo sy ny Synedriona mba hampidina azy hankatỳ aminareo, mody ta-hamototra azy marimarina kokoa ny amin'izay nataony; ary izahay kosa dia efa vonona hamono azy, dieny tsy mbola mby akaiky izy. 16Ary nony ren'ny zanak'anabavin'i Paoly ny fanotrehana, dia lasa nankany anatirova izy ka nilaza tamin'i Paoly. 17Ary Paoly niantso ny kapiteny anankiray hankeo aminy ka nanao hoe: Ento mankany amin'ny mpifehy arivo ity zatovo ity, fa manan-teny holazaina aminy izy. 18Koa dia nandray azy ilay kapiteny ka nitondra azy ho any amin'ny mpifehy arivo, dia nanao hoe: Paoly mpifatotra niantso ahy hankeo aminy ka nangataka ahy hitondra ity zatovo ity hanketo aminao, fa manan-teny holazaina aminao, hono, izy. 19Ary ny mpifehy arivo nitantana azy, ary nony efa nitokana tao amin'ny mangingina izy, dia nanontaniany hoe: Inona moa no teny holazainao amiko? 20Dia hoy ilay zatovo: Ny Jiosy efa nifanaiky hangataka aminao hampidina an'i Paoly ho any amin'ny Synedriona rahampitso, mody ta-hanadina azy marimarina kokoa. 21Koa aza manaiky azy ianao, fa misy tsy omby efa-polo lahy izy manotrika hisambotra an'i Paoly, ka efa niozona sy nianiana izy fa tsy hihinana na hisotro ambara-pamonony azy; ary efa vonona izy ankehitriny ka miandry ny teny avy aminao. 22Ary ny mpifehy arivo nampandeha ilay zatovo ka nandidy azy hoe: Aza milaza amin'olona fa efa nilaza izany tamiko ianao. 23Ary niantso kapiteny roa lahy hankeo aminy izy ka nanao hoe: Manomàna miaramila roan-jato lahy sy an-tsoavaly fito-polo ary mpiloka lefona roan-jato hankany Kaisaria anio alina amin'ny ora fahatelo; 24ary itondray biby koa hitaingenan'i Paoly hitondra azy soa aman-tsara ho any amin'i Feliksa mpanapaka. 25Ary izy nanoratra taratasy nisy izao teny izao: 26Klaodio Lysia miarahaba an'i Feliksa, mpanapaka tsara indrindra. 27Ity lehilahy ity dia nosamborin'ny Jiosy ka efa saiky novonoiny; fa nony fantatro fa Romana izy, dia nitondra ny miaramila aho ka namonjy azy. 28Ary satria ta-hahalala tsara izay niampangany azy aho, dia nentiko nidina ho eo amin'ny Synedriona izy; 29dia hitako fa ady hevitra ny amin'ny lalàny no niampangany azy, fa tsy nisy niampangany azy izay tokony hahafaty na hamatorana azy. 30Ary rehefa voalaza tamiko fa nisy nikasa hanotrika hisambotra an-dralehilahy, dia naniraka faingana hitondra azy aminao aho, ary ny mpiampanga koa nasaiko hilaza atỳ anatrehanao izay iampangany azy. ¶ 31Dia nalain'ny miaramila Paoly araka ny nandidiana azy ka nentiny tamin'iny alina iny ho any Antipatria. 32Ary nony ampitso dia navelany handeha hiaraka aminy ny an-tsoavaly, fa izy kosa niverina ho any anati-rova. 33Rehefa tonga tany Kaisaria ireo, dia nanolotra ny taratasy tamin'ny mpanapaka sady nanolotra an'i Paoly ho eo anatrehany koa. 34Ary rehefa novakiny ilay taratasy, dia nanontany izay zara-fanapahana nihaviany izy; ary rehefa fantany fa avy tany Kilikia izy, 35dia hoy izy: Hihaino tsara ny teninao aho, rehefa tongay ny mpiampanga anao. Dia nasainy nambenana tao an-dapan'i Heroda izy. ¶