1 Ary rehefa tafasarika taminy izahay, dia niondrana an-tsambo ka nizotra nankany Kosy; ary nony ampitso dia tonga tao Rodo, dia niala tao nankany Patara; 2ary nony nahita sambo nita ho any Foinika izahay, dia nifindra sambo teo ka lasa nandeha. 3Ary nony nahatsinjo an'i Kyprosy izahay, dia nandalo azy tamin'ny ankavia ka nankany Syria, dia niantsona tao Tyro; fa tao no notaterina ny entan'ny sambo. 4Ary nony nitady ny mpianatra izahay ka nahita azy, dia nitoetra teo hafitoana; ary izy ireo dia voatsindrin'ny Fanahy hilaza amin'i Paoly mba tsy hiakatra any Jerosalema. 5Ary rehefa tapitra izany andro izany, dia niala izahay ka lasa nandeha; ary izy rehetra mbamin'ny vadiny aman-janany dia nanatitra anay hatrany ivelan'ny tanàna; ary nandohalika teo amoron-dranomasina izahay ka nivavaka; 6ary rehefa nifanao veloma izahay, dia nirotsaka an-tsambo; fa izy ireo kosa niverina nody. 7Ary ny niafaran'ny nandehananay an-tsambo dia tany Tolemaia, rehefa avy tany Tyro; ary niarahaba ny rahalahy izahay ka nitoetra teo aminy indray andro. 8Ary nony ampitso dia niala teo izahay ka tonga tany Kaisaria ary niditra tao an-tranon'i Filipo evanjelista, izay anankiray tamin'izy fito lahy, dia nitoetra tao aminy izahay. 9Ary izany lehilahy izany dia nanana zanakavavy virijina efatra izay naminany. 10Ary raha nitoetra tao andro maro izahay, dia nisy mpaminany anankiray atao hoe Agabo nidina avy tany Jodia. 11Ary rehefa tonga tao aminay izy, dia noraisiny ny fehin-kibon'i Paoly, ka namatorany ny tongotra aman-tànan'ny tenany, dia hoy izy; Izao no lazain'ny Fanahy Masina: Toy izao no hamatoran'ny Jiosy any Jerosalema ny lehilahy tompon'ity fehin-kibo ity, ka hatolony ho eo an-tànan'ny jentilisa izy. 12Ary raha vao renay izany, dia nangataka taminy izahay mbamin'izay nonina teo mba tsy hiakarany any Jerosalema. 13Fa Paoly namaly ka nanao hoe: Nahoana ianareo no mitomany ka mampangorakoraka ny foko? Fa vonona aho tsy ny hafatotra ihany, fa ny ho faty any Jerosalema koa aza mba ho voninahitry ny anaran'i Jesosy Tompo. 14Ary nony tsy nanaiky izy, dia nitsahatra izahay ka nanao hoe: Aoka ny sitrapon'ny Tompo no hatao. ¶ 15Ary rehefa afaka izany andro izany, dia nifehy entana izahay ka niakatra nankany Jerosalema. 16Dia niaraka taminay koa ny mpianatra sasany avy tany Kaisaria, izay nitondra anay ho any amin'i Menasona, olona avy any Kyprosy sady mpianatra maintimolaly, izay nokasainay hitoerana. 17Ary nony tonga tany Jerosalema izahay, dia nandray anay tamin'ny fifaliana ny rahalahy. 18Ary nony ampitso dia niara-niditra tany amin'i Jakoba izahay sy Paoly; ary vory teo ny loholona rehetra. 19Ary rehefa niarahaba azy Paoly, dia nilaza tsirairay ny zavatra rehetra izay efa nampanaovin'Andriamanitra azy tany amin'ny jentilisa izy. 20Ary rehefa nandre izany ireo, dia nankalaza an'Andriamanitra; ary hoy koa izy tamin'i Paoly: Hitanao, rahalahy, fa tsy omby alinalina ny Jiosy izay efa mino; ary fatra-pitàna ny lalàna izy rehetra, 21sady efa novokisan'olona ny aminao, fa ianao, hono, mampianatra ny Jiosy rehetra izay any amin'ny jentilisa hahafoy an'i Mosesy ka mandrara azy tsy hamora ny zaza na hanaraka ny fanaon-drazana. 22Ahoana ary no izy? Tsy maintsy ho reny ny nahatongavanao. 23Ary noho izany dia ataovy izao lazainay aminao izao: Misy efa-dahy etỳ izay nivoady; 24raiso ireo ka manadiova ny tenanao miaraka aminy, ary mandoava ny vola ho lany mba hanaratany ny lohany, ka dia ho fantatry ny olona rehetra fa tsinontsinona izay zavatra namokisana azy ny aminao, fa ianao aza mandeha manaraka ny lalàna kosa. 25Fa ny amin'ny jentilisa izay efa mino, dia efa nampitondra epistily izahay nandidy azy hifady ny hena aterina amin'ny sampy sy ny rà sy ny zavatra kendaina ary ny fijangajangana. 26Dia noraisin'i Paoly ireo lehilahy ireo, ary nony ampitso dia nanadio ny tenany niaraka taminy izy ka niditra teo an-kianjan'ny tempoly, nanambara ny fahatanterahan'ny andro fahadiovana mandra-panatitra ny fanatitra ho an'ny isan-dahy. ¶ 28ka dia niantso hoe: Avia, ry lehilahy Isiraely, fa io no lehilahy mampianatra ny olona rehetra ombieniombieny manohitra ny olona Isiraely sy ny lalàna sy ity fitoerana ity, sady nampiditra jentilisa teo an-kianjan'ny tempoly izy ka nandoto ity fitoerana masina. 29(fa efa hitany rahateo fa niaraka taminy tao an-tanàna Trofimo Efesiana, ka nataony fa nampidirin'i Paoly teo an-kianjan'ny tempoly izy). 30Dia nifanaritaka be ihany ny tao an-tanàna rehetra, ka nihazakazaka nivory ny olona; ary Paoly dia nosamboriny ka nosarihany hiala eo an-kianjan'ny tempoly; ary niaraka tamin'izay dia narindrina ny vavahady. 31Ary raha nitady hamono azy ny olona, dia nisy teny nakarina tany amin'ny mpifehy arivo tamin'ny antokon'ny miaramila nilaza fa mikotaba avokoa Jerosalema rehetra; 32ary niaraka tamin'izay dia naka miaramila sy kapiteny izy ka nihazakazaka nidina nankeo aminy; ary raha nahita ny mpifehy arivo sy ny miaramila ny olona, dia nitsahatra tsy nikapoka an'i Paoly. 33Ary ny mpifehy arivo nanakaiky, dia nisambotra azy ka nandidy hamatotra ary tamin'ny gadra roa, dia nanontany hoe: Iza moa izy, ary inona moa no nataony? 34Ary ny sasany tamin'ny olona maro niantso mafy nilaza zavatra iray, ary ny sasany kosa zavatra hafa; ary rehefa tsy azony nofantarina izay marina noho ny fikotranana, dia nasainy nentina ho any anati-rova Paoly. 35Ary rehefa tonga teo amin'ny ambaratonga izy, dia nobetain'ny miaramila noho ny fifanosehan'ny olona; 36fa ny olona maro nanaraka ka niantso hoe: Vonoy ilehio! 37Ary rehefa nentiny tany anati-rova Paoly, dia hoy izy tamin'ny mpifehy arivo: Mahazo miteny aminao va aho? Dia hoy izy: Mahay teny Grika va ianao? 38Moa tsy ianao va ilay Egyptiana, izay nampikomy ny olona fahiny ka nitarika ny efatra arivo lahy mpitondra lefom-pohy nankany an-efitra? 39Fa hoy Paoly: Izaho Jiosy avy any Tarsosy any Kilikia, tompon-tany amin'izay tanàna tsy kely laza; koa trarantitra ianao, aoka aho mba hiteny amin'ny olona. 40Ary Paoly, rehefa navelany, dia nitsangana teo amin'ny ambaratonga ka nanofa tanana tamin'ny olona. Ary rehefa nangina tsara ny olona, dia niteny mafy tamin'ny teny Hebreo izy ka nanao hoe: ¶