1 Ary rehefa nitsahatra ny tabataba, dia nampaka ny mpianatra Paoly ka nananatra azy sy nanao veloma azy, dia lasa nankany Makedonia izy. 2Ary rehefa nitety izany tany izany sy nananatra ny olona tamin'ny teny maro izy, dia tonga tany Grisia. 3Ary nony efa nitoetra telo volana teo izy ka efa hiondrana an-tsambo hankany Syria, ary nisy Jiosy nanotrika azy, dia niova hevitra izy ka lasa niverina namaky an'i Makedonia. 4Ary niaraka taminy hatrany Asia Sopatera, zanak'i Pyro, avy any Beria, ary Aristarko sy Sekondo avy any Tesalonika, ary Gaio avy any Derbe, ary Timoty, ary Tykiko sy Trofimo avy any Asia. 5Ireo dia efa nialoha ka niandry anay tany Troasy. 6Dia niondrana an-tsambo niala tany Filipy izahay, rehefa tapitra ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia nankany aminy tany Troasy izahay nony afaka hadimiana; ary tany no nitoeranay hafitoana. 7Ary tamin'ny andro voalohany amin'ny herinandro, rehefa niangona hamaky mofo izahay, Paoly dia nitori-teny taminy, fa nikasa handeha maraina izy; dia naharitra nitori-teny mandra-paha-mamatonalina izy. 8Ary nisy jiro maro teo an-trano ambony izay niangonanay. 9Ary nisy zatovo anankiray atao hoe Eotyka nipetraka teo am-baravarankely ka sondrian-tory; ary raha naharitra ela ny toritenin'i Paoly, dia niraika noho ny torimaso ilay zatovo ka nianjera tamin'ny tany avy eny amin'ny rihana intelo mifanongoa, ary nony narenina izy, dia indro fa efa maty. 10Ary Paoly nidina, dia niankohoka taminy sy nanohona azy ka nanao hoe: Aza mihorikorika ianareo, fa mbola misy aina ihany izy. 11Ary niakatra Paoly, dia namaky ny mofo, ary rehefa nihinana sy niresaka ela ambara-pahamarain'ny andro izy, dia lasa nandeha. 12Ary nitondra ilay zatovo efa velona izy ireo ka faly dia faly. 13Ary izahay nialoha ho any an-tsambo, dia niondrana nankany Aso, fa eo no handraisana an'i Paoly, satria eo no fotoana nataony, fa nikasa handeha an-tanety izy. 14Ary rehefa nihaona taminay tany Aso izy, dia noraisinay, ary dia lasa nankany Mitylena izahay. 15Ary rehefa niondrana an-tsambo niala teo izahay, dia tonga tandrifin'i Kio nony ampitso; ary nony ampitso indray dia niantsona tao Samo; ka tonga tany Mileto izahay nony ampitson'iny. 16Fa Paoly efa nikasa handeha an-tsambo handalo any Efesosy mba tsy hitoerany ela any Asia; fa maika izy, raha azony hatao, hamonjy ny andro Pentekosta any Jerosalema. ¶ 18Ary nony tonga teo aminy ireo, dia hoy izy taminy: Fantatrareo hatramin'ny andro voalohany nahatongavako teto Asia izay toetry ny fitondran-tenako taminareo tamin'izany andro rehetra izany, 19dia ny nanompoako ny Tompo tamin'ny fanetren-tena rehetra sy ny ranomaso ary ny fakam-panahy izay nanjo ahy tamin'ny fanotrehan'ny Jiosy, 20ka tsy mba nafeniko izay mahasoa, fa nambarako sy nampianariko anareo teo imason'ny olona ary tao amin'ny isan-trano; 21ary nambarako tamin'ny Jiosy sy ny jentilisa koa ny fibebahana amin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy Kristy Tompontsika. 22Ary ankehitriny, indro, tery am-panahy hankany Jerosalema aho, nefa tsy fantatro izay hanjo ahy any, 23afa-tsy izay ambaran'ny Fanahy Masina amiko amin'ny isan-tanàna, fa hisy famatorana sy fahoriana hanjo ahy. 24Nefa tsy ataoko ho zavatra akory ny aiko, mba hahavita ny alehako, dia ny fanompoana izay noraisiko tamin'i Jesosy Tompo hanambara ny filazantsaran'ny fahasoavan'Andriamanitra. 25Ary, indro, ankehitriny fantatro fa tsy hahita ny tavako intsony ianareo rehetra izay nalehako nitoriako ny fanjakana. 26Koa manambara aminareo aho anio fa afaka amin'ny ranareo rehetra aho. 27Fa tsy nafeniko anareo, fa notoriko taminareo avokoa ny saina rehetra natolotr'Andriamanitra. 28Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra izay nanaovan'ny Fanahy Masina anareo ho mpitandrina, hiandrasanareo ny fiangonan'Andriamanitra, izay novidiny tamin'ny ràny. 29Fantatro fa rehefa lasa aho dia hisy amboadia masiaka hiditra eo aminareo izay tsy hiantra ny ondry. 30Ary avy aminareo no hiposahan'ny olona sasany mitory teny tsy marina hitaona ny mpianatra hanaraka azy. 31Koa miambena, ary tsarovy fa telo taona mipaka aho tsy nitsahatra nananatra anareo rehetra andro aman'alina tamin'ny ranomaso. 32Ary ankehitriny izaho manolotra anareo ho amin'Andriamanitra sy ho amin'ny tenin'ny fahasoavany, izay mahay mampandroso sy manome lova anareo eo amin'izay rehetra nohamasinina. 33Tsy mba naniry volafotsy na volamena na lamban'olona aho. 34Fa fantatrareo ihany fa ireto tanako ireto no niasa mba hahazoako sy ny niaraka tamiko izay nilainay. 35Efa nasehoko anareo tamin'ny zavatra rehetra fa tokony hiasa toy izany koa ianareo, mba hiantra ny mahantra ka hahatsiaro ny tenin'i Jesosy Tompo, izay manao hoe: Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray. 36Ary rehefa niteny izany izy, dia nandohalika teo ka niara-nivavaka tamin'izy rehetra. 37Ary nitomany mafy izy rehetra, dia namihina ny vozon'i Paoly ka nanoroka azy, 38sady nalahelo loatra noho ny nilazany fa tsy hahita ny tavany intsony izy. Dia nanatitra azy teny an-tsambo izy. ¶